Hong Kong: Voarahona Ny Fahalalahana Ao Amin'ny Aterineto, Noraisin'ny Antoko 50 Cent Ny Fahefana

Miaraka amin'ny fanampian'ny governemantan'i Beijing, nandresy tamin'ilay  fifidianan'olom-bitsy tany Hong Kong ilay mpirotsaka ho fidiana ho Lehiben'ny Mpanatanteraka, Leung Chung-Ying. Nahazo vato miisa 689 tamin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-pifidianana i Leung. Olom-pirenena maro tao an-toerana no nino fa niditra anatinà vanim-potoana maizina i Hong Kong satria nampangain'ireo mpikambana fahiny tao amin'ny antoko kaominista tsy ara-dalàna tany Hong Kong ho mpiasam-biraon'ny CCP i Leung ary araka izany dia midika fiafaràn'ny fahaleovantena ara-politikan'ny tanàna izany fitarihany izany.

Ny tatitra avy amin'ireo mpitari-kevitra to teny ety anaty aterineto dia manamafy fa tafiditra ao Hong Kong ny endrika  antsojay fanaon'ny Tanibe Shina amin'ny  tranonkala. Voalohany amin'izany, notafihan'ireo mpijirika ilay rafitra”sarintsarinà” fitsapan-kevi-bahoaka momba ny Lehiben'ny Mpanatanteraka izay nokarakarain'ny Public Opinion Programme of the Hong Kong – Fandaharanasan'ny Hevi-bahoaka avy amin'ny Anjerimanontolon'i Hong Kong teo anelanelan'ny 23 sy 24 Martsa. Nitatitra ny Global Post:

Hoy i Chung, “Tsentsina be io rafitra io. Niahiahy izahay fa nisy nanafika izy io satria dia mihoatra ny iray tapitrisa  isan-tsegondra ny tsindry natao tao amin'ny rafitray,” araka ny voalazan'ny The Australian. Araka ny voalazan'ilay gazety, tsy nanondro izay mety ho tomponandraikitra tamin'izany fanafihana izany i Chung , nefa ny ekipany, avy ao amin'ny Public Opinion Program, manana tantaranà fifandonana tamin'ireo manampahefan'i Beijing noho ny famborahan'izy ireo fa manohitra ny fanapahan-kevitry ny manam-pahefana avy any amin'ny Tanibe ny hevitry ny vahoaka.

Faharoa manaraka izay, ilay Profesora ao amin'ny anjerimanontolo,  Simon Shen, izay nandinika fatratra ny fifandroritana ara-politikan'ilay Lehiben'ny Mpanatanteraka, dia naharay mailaka maro fandrahonana mangataka azy hanajanona ny fampielezany tsaho. Ho fanampin'izay dia navaozina tamina tsikera manala baraka maro ny mombamomba azy ao amin'ny Wikipedia sy ny Wikia. Araka ny voalazan'i Shen ao amin'ny Facebook[zh]:

近來在網絡世界遇上一些恐嚇言論,雖然不會當真,但日前也收到指名道姓、來自163賬戶的匿名電郵,提及「Dr Shen:這是嚴重警告,請立即停止造謠,否則,3日內有嚴重效果」

Vao haingana izay dia nahazo fandrahonana maro avy amin'ny tontolon'ny aterineto ny tenako. Noraisiko ho sangisangy izany. Nefa andro vitsy lasa izay, nahazo mailaka avy amina kaonty 163 tsy misy anarana aho izay nilaza: “Dr Shen: Fampitandremana tena izy ity. Miangavy anao hanajanona ny fampielezanao tsaho raha tsy izany dia hahita vokany tena goavana ianao ao anatin'ny telo andro”.

在《萬言書》刊登後,同一週內,我在《維基百科》的條目,忽然被加入與事實完全不符的內容;而在另一個名為《香港網絡大典》的網站,也忽然新增了關於我的條目,內容似有誹謗性,數日內就有數百改動。

Taorian'ny namoahako ny “10 thousand words letter”(taratasy vita avy amin'ny teny 1 alina), navoaka ny mombamomba ahy tao amin'ny Wikipedia tanatinà herinandro iray monja. Tsy misy fototra iaingana ny votoaty. Anatina vohikala iray hafa: http://evchk.wikia.com, nisy nanampy ny mombamomba ahy ary dia manàla baraka ny voasoratra tao. Tanatinà andro vitsy, navoaka mihoatra ny in-jato izany.

Be mpampisa ny paikady fandrahonana ao amin'ny aterineto tahaka izany any amin'ny Tanibe Shina eo anivon'ny antoko 50 cents. Omaly no nitrangan'ny raharaha fahatelo. Nakatona ny kaonty Facebookin'ny mpitari-kevitra malaza iray ao amin'ny aterineto any Hong Kong, Kay Lam noho ny famoahany sary iray taorian'ny nandresen'i C.Y Leung tamin'ny fifidianana: Nomena anarana ho ny fanombohan'ny vanim-potoana maizina any Hong Kong ity sary ity. Mazava ho azy, Mpampiasa Faceboook maro no nametra-pitarainana tany amin'ny Facebook hamafàna ireo sary ireo sy ny hanakatonana ny kaontin'ilay mpampiasa azy. Namoaka ilay filazana nataon'ny Mpiandraikitra ny Facebook i Kay Lam tao amin'ny bilaoginy[zh]:

Mandika ny Fanambaran-jon'ny Facebook sy ireo Fandraisan'andraikitra ny sary iray na mihoatra izay navoakanao. Fihoàrana ireo politikana ny mamoaka sary izay: Mikendry olona araka ny volon-kodiny, ny foko misy azy, ny fiaviany, ny finoany, ny fananahany, ny maha-izy azy, ny fironany ara-nofo, ny kilemany, na ny aretina

miaty zavatra mety hampidi-doza ny hafa, ny fanohanana fikambanana mampiasa herisetra, na ny sary maherisetra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.