Meksika: Tezitra Tamin'ny Kandidà Vázquez Ny Mpianatry ny Oniversite

Tokony hitandrina amin'ny fomba fiteniny amin'ny vahoaka ny kandidà hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ankehitriny ao Meksika, farafaharatsiny hatramin'ny volana Jolay 2012, hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena. Fahadisoana kely na fanambarana diso fandray dia mety hampihemotra ny mpifidy amin'ity taom-pifidianana ity.

Josefina Vázquez Mota, kandidà vehivavy tokana nirotsaka hofidiana, no tratran'ny tsy fifankahazoan-dresaka sy fahatezerana teo amin'ireo Meksikana ny fanambarana nataony, indrindra teo amin'ny mpianatra eny amin'ny oniversite, raha nanonona ny anaran'ny oniversite nahazoany mari-pahaizana bakalorea izy, ny Ibero-American University.

Tao amin'ny Foibem-pampianarana Teknolojia Tsy Miankina ao Meksika (ITAM) no nitrangan'izany, raha nitafa tamin'ireo mpianatra izy. Nandritra ny kabariny, nanambara izy fa ny fahalemeny dia noho ny fianarany Toekarena tao “Ibero”: “No soy perfecta, estudié en la Ibero” (“Tsy tonga lafatra aho, nianatra tao Ibero aho”.) Nitokelaka sy nihoraka avy hatrany ireo mpianatra avy ao amin'ny Oniversite  ITAM.

Pulso Ciudadano nanazava ny zava-niseho:

Durante la Conferencia Magistral brindada en el Instituto Tecnológico Autónomo de México (ITAM) Josefina Vázquez Mota indicó que no era perfecta y que había estudiado la Licenciatura de Economía en la Universidad Iberoamericana ¿Cuál es el criterio de la candidata presidencial para determinar qué universidad es más que otra? ¿Ese criterio debería de influir en la forma en que se dirige a los jóvenes universitarios del país?

Nandritra ny lahateny fanokafana tao amin'ny Foibem-pampianarana Teknolojia Tsy Miantsikana ao Meksika (ITAM) nilaza i Josefina Vázquez Mota fa tsy tonga lafatra satria nianatra hahazoana ny Bachelor momba ny Toekarena tao amin'ny Oniversite Ibero-Amerikana. Inona no masontsivana napetraky ny kandidà ho filoham-pirenena, mba hijerena hoe iza no kolejy tsara kokoa noho ny hafa? Izany fijery izany dia mety hisy fiantraikany amin'ny fomba fikendreny ireo mpianatra ambaratonga ambony eto amin'ny firenena??

Josefina Vázquez Mota nandritra ny tafatafa tamin'ny mpanao gazety. Sary avy amin'i Luis Ramon Barron Tinajero, Copyright Demotix.

Tsy niandry ela ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Tambajotra Sosialy, mikasika ny #josefinahumillaylahumillan, “Itam” ary “Ibero” izay nalaza haingana tao amin'ny Twitter.

Fernanda Familiar (@qtf) nanoratra momba ny lohahevitra:

Y Josefina Vázquez Mota, remata ayer, contra la Ibero… “No soy perfecta, estudié en la Ibero”.

Josefina Vázquez Mota, manala baraka ny Ibero … “Tsy tonga lafatra aho, nianatra tao amin'ny Ibero aho”.

Daliri Oropeza, (@Dal_air), mpianatra ao amin'ny oniversite Ibero-Amerikana nilaza hoe:

Puedes seguir con tu discurso vacío, pero por favor, no lo relaciones con la UIA, @JosefinaVM #Ibero

Afaka manohy ny teny tsy misy fotony lazainao ianao, saingy iangaviako tsy hanonona izany ao amin'ny UIA @JosefinaVM #Ibero

Tsy nitongilam-pijery ny mpianatra sasany ao amin'ny oniversite ITAM, tahaka an'i @panchparra:

ITAMitas hagamos valer nuestro auditorio, la comunidad @MundoITAM con actitud critica y academica #JosefinaITAM

Ry ITAMitas andao ajoro ny feontsika, ny vondrona @MundoITAM miaraka amin'ny fijoro mahadinika sy akademika #JosefinaITAM

Marco Antonio Gómez Lovera, mpamahana bolongana ao amin'ny Vivir México, nanambara fa nivazivazy fotsiny ilay kandidà, satria karazana fomba fitenin'ny tanora izany:

Es claro que comentarios como estos pueden llegar a herir isensibilidades, pero también se debe entender que entre jóvenes que se expresan así, el comentario intentaba ser una manera de romper el hielo y conectar con el auditorio. ¿Que lo pudo haber hecho de manera diferente? Sí, también.

Marina fa mety hanohina ny firehan-kevitra hafa ny fanehoan-kevitra tahaka izao, saingy tokony ho fantatsika fa toy izany ny fomba firesaka eo amin'ny tanora,  midika ny fanehoan-kevitra fa fomba iray handravana ny sakana mba hifandray bebe kokoa amin'ny mpanatrika. Tokony nataony tamin'ny fomba hafa ve izany? Eny, izany koa.

Genaro Lozano, (@genarolozano) mpampianatra any amin'ireo oniversite roa ireo niaiky fa mety mba nivazivazy tahaka izany ihany koa izy amin'ireo toeram-pampianarana roa ireo, mba hanomezana toky fotsiny ho an'ireo mpianatra:

Ah y claro, igual que JVM yo también siempre hago bromas con mis alumn@s del ITAM y de la Ibero sobre un@s y otr@s. Para motivarlos. :p

Eny tokoa, tahaka an'i JVM, manao vazivazy foana amin'ireo mpianatro ao amin'ny ITAM sy Ibero aho mikasika ny tsirairay. Mba handrisihina azy ireo fotsiny : p

Farany, Josefina Vázquez Mota (@Josefina VM) namaly ny tsikera tamin'ny alalan'ny kaontiny ofisialy Twitter:

Lamento que algunas personas deseen desvirtuar un comentario que jamás tuvo el propósito de lastimar a mi alma máter.

Mampalahelo ahy tokoa ny mahita ny olona sasany te-hanaratsy fotsiny ny fanehoan-kevitra izay tsy mba nikendry hanaratsy ny taranja nianarako

Farany, tamin'ny fandaharana tao amin'ny onjam-peon'ny Ibero, Triste Turno, nilaza fa vazivazy fotsiny ihany izany ary raha mbola nateraka indray izy, dia hianatra ny taranja Toekarena ao amin'io oniversite io ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.