Etazonia: Tranganà Mpianatra Kolombiana Iray Mamelona Indray Ny Adihevitra Momba Ny Fifindrà-monina

Kolombiana mpianatra monina any Miami i Daniela Peláez izay niseho taminà lohateny vaventy tato ho ato amin'ny maha-tranga iray hafa ny azy amin'ireo mpianatra manana hoavy mamiratra, saingy tsy manana taratasy ara-dalàna ao Etazonia. 18 taona ankehitriny ary voalohany ao amin'ny kilasy misy azy ao North Miami High School, tonga tao Etazonia teo amin'ny faha-efatry ny taonany i Peláez, tamin'ny fotoana nahatongavan'ny ray aman-dreniny tany niaraka taminà fahazoan-dàlana hizaha tany, izay nahazoan'i Daniela taratasy fandroahana taty aoriana.

Kanefa, i Peláez dia manantena ny fanohanana mivantana avy amin'ny vahoaka, avy amin'ny tompon'andraikitra sy ny mpianatra ao amin'ny sekoly misy azy, hatramin'ireo mpikambana ao amin'ny kaongresim-bahoaka tahaka an'i Marco Rubio sy Ileano Ros-Lehtinen.  Izy, sy ny rahavaviny, Dayana, dia nahazo famelàna avy amin'ny Departemantam-pirenena misahana ny Filaminana tamin'ny 6 Martsa, nanokatra indray ny adihevitra momba ny satan'ireo tanora mpifindra monina an'arivony  izay tonga tao Etazonia tamin'ny andron'ny fahazazany, toerana nibeazan-dry zareo ary ankehitriny iatrehany fahasahiranana rehefa hiditra amin'ireo toeram-pibeazana ambaratonga ambony.

Ny raharaha Peláez dia tsy hoe fotsiny miankina amin'izay rafitra mahabe resaka momba ny fifindrà-monina, fa koa manome toerana vaovao handinihana vahaolana izay azon'ny tolo-dalàna ao amin'ny Kaongresy atolotra, toy ilay DREAM Act, izay toa nanome fahazoan-dàlana hipetrahana vonjimaika an'ireo mpianatra manomana diplaoma ambony teraka tao Etazonia avy amin'ireo ray aman-dreny tsy manana antontan-taratasy ka nampiseho  “toetra mendrika” ary niaina teto tao anatin'ny dimy taona talohan'ny nandaniana ilay tolo-dalàna.  Fanampin'izay, vakiraokanà tolo-dalàna iray izay i Peláez tenany mihitsy no nanampy tamin'ny famehezana azy, ny STARS Act, izay, tsy tahaka ny DREAM Act, dia hanome fe-potoana famindram-po enim-bolana aorian'ny nandaozana ny lisea mba hidirana any amin'ny ambaratonga ambony.

Con el caso de Daniela Pelaez, se revive el debate inmigratorio. Foto de longislandwins (CC BY-2.0)

Velona indray ny adihevitra momba ny fifindrà-monina noho ny tranga mahazo an'i Daniela Pelaez. Sary avy amin'i longislandwins (CC BY-2.0)

Ny bilaogy El Tercer Riel [es] dia mangataka ny hijerena indray ny lohahevitra momba ny fifindrà-monina vokatry ny tranga mahazo an'i  Peláez :

El caso de la joven Daniela Peláez debe servir para concientizarnos sobre la necesidad de traer un tono serio a la discusión del tema migratorio.  El primer paso necesario en esta discusión es separar la nobleza de la idea tras el DREAM Act de la ridiculez de las recientes propuestas legislativas que han mancillado ese nombre.

Ny tranga manjo an'i Daniela Peláez dia tokony hitarika antsika ho tonga saina mikasika ny filàna mampiaka-peo amin'ny fifanakalozan-dresaka mikasika ny olan'ny fifindrà-monina. Ny dingana voalohany amin'ity fifanakalozan-dresaka ity dia ny hanavahana ny haavo lentan'ny hevitra ao ambadiky ny DREAM Act amin'ny ireo tolo-dalàna kidaladalan'ireo mpanao lalàna tato ho ato, izay mandoto ny anarana fotsiny.

Ny bilaogy Eucario y su comentario [es] dia manamarika fa ireo mpianatra toa an'i Peláez dia tokony homena tamby amin'ny faharanitan-tsainy sy ny ezaka nataony, tsy ijerena izay satan-dry zareo manoloana ny fifindrà-monina

Un acto de justicia que una vez más demuestra la perentoria necesidad de que se legisle con prontitud para que en lo sucesivo no se frustren las ilusiones, el esfuerzo, la dedicación de estudiantes como Daniela cuyo propósito ha sido y será ser conseguir una educación adecuada mediante la cual pueda aportar su inteligencia y conocimientos al servicio del país en el que se ha educado.

Didim-pitsarana iray mbola maneho indray ny mahamaika ny filàna fanaovana lalàna, izay manomboka izao dia hitondra fanantenana, ezaka, ary ny fanolorantenan'ireo mpianatra tahaka an'i Daniela, izay ny tanjona dia ny hahazo fanabeazana sahaza ka amin'ny alalan'izany no ahafahany mampiasa ny fahaizany sy ny faharanitan-tsainy hiasa ho an'ny firenena nandraisany ny fanabeazana azony, tsy ho voatohintohina

Tsy miresaka fotsiny an'i Peláez ireo bitsika fa koa ny filàna miverina mijery ny DREAM Act, araka ny fanamarihan'i Arne Duncan (@arneduncan), Sekreteram-panjakana Amerikana misahana ny Fanabeazana :

Tsy maintsy nandany ny DREAM Act isika. Izany no zavatra tokony atao, & tsy azontsika atao ny mandà ny fanabeazana tokony ho an'ireo mpianatra manana fahaizana sy tena milofo fatratra

Veronique M (@VMblogger) dia mihevitra fa ireo mpianatra toa an'i Peláez no tandindon'ny hoavin'i Etazonia :

RT @VoxxiNews: Laharam-pahamehana ny DREAM Act satria ny ankizy toa ireo miatrika fandroahana ao Miami no antoky ny hoavintsika http://j.mp/AbRbl1#latism

Harry Reid (@SenatorReid), loholona, dia nanome toky fa handany ny DREAM Act rehefa avy nihaona tamin'i Peláez:

Niresaka tamin'i Daniela Pelaez aho, loharanon'aingam-panahy avy ao #Miami#DREAMER, ary nilaza taminy fa manohana tanteraka ny #DreamActhttp://yfrog.com/g0ltwxrj

Jose Dante Parra (@jdparraSenate) dia manasongadina izay heveriny fa lela roa ananan'ny Loholona Marco Rubio [es]:

Rubio c reune con Daniela Pelaez. Dice q’ la apoya. Despues dice a WTVJ-Miami q c opone al #DREAMACT? Double personalidad? #latism

Rubio dia nanatevin-daharana an'i Daniela Pelaez.  Milaza izy fa manohana azy. Taorian'ny nilazany tamin'ny WTVJ-Miami ve fa izy dia manohitra ny #DREAMACT?  Toetr'olona roa samihafa?#latism

Farany, Carlos Mendoza III (@EducatorMusing) dia naneho ny hafaliany noho ilay fanalavam-potoana nomena an'i Peláez:

Faly noho ny aminao. Mirary soa indrindra #edchat#in H.S. Valedictorian Daniela Pelaez Nahazo Fanalavam-Potoana Vonjimaika Roa Taona Tsy Hiharan'ny Fandroahana http://j.mp/w4huqU

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.