Oganda: Yes We Kony! na “Eny Mi-Kony Izahay”

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Kony 2012.

Nandray kihon-dàlana iray vaovao ny  fanentanana iray anaty media sosialy mba hanairana ny saina hanohana ny fisamborana ilay Ogande mpitarika ady anaty akata sady mpanao heloka an'ady efa karohana fatratra, Joseph Kony. Anaty lahatsoratra am-bilaogy iray mitondra ny lohateny hoe “#Kony2012 dia fakàn-tahaka mahatsiraiky,” Sean Jacobs dia mijery ireo lahatsary fakan-tahaka mahatsikaiky mikasika ilay fanentanana miely be

Ilay masoivoho Aostraliana “rap news agency” dia namokatra ny fakan-tahaka mahatsikaiky iray mtondra ny lohateny hoe “Yes We Kony”, na “Eny mi-Kony izahay” [Fanamarihan'ny mpandika: nampiasaina ho toy ny matoateny ilay anarana eto]:

YES WE KONY. Martsa izao, ary ny Aterineto mamoaka ny voalohany amin'ireo kisarisary namboarina fanjifa erantany : ilay tsy hita hosamborina, lahatsary Stop-Kony 2012 , izay manasongadina ny fijalian'ireo zaza afrikana nalaina ho miaramila izay tsy mbola nisy nanao toy izany tany aloha tany. Saingy tena mety tokoa ve izany? Tena ratsy tokoa ve izany ? Sa tena saro-takarina tokoa va re izao tontolo izao miohatra amin'ireo ‘bandy milay’ sy ‘akama nôfa'? Amin'ny zavatra rehetra; iray ihany no azo antoka, manan-danja be izy ity: tsy mbola nisy hatrizay ireny lahatsary ahitana saka na nonobe ireny nahatratra ny laza sy fielezana be toy izao. Fanehoana ny herin'ny Aterineto ve io amin'ny fahafahany mampahalala sy manetsika olona an-tapitrisany tampotampoka eo; ary marika iray feno fanantenana fa hoe hisy finiavana avy amin'ireo an-tapitrisa ireo, mba hirotsaka an-tsehatra anaty fahalinna sy fientanentanana hanao zavatra mba misy dikany kokoa? Sa va re ny Kony2012 dia ho hanamarika fotsiny ihany ny fiandohanà vanim-potoana iray vaovaon'ny mpanao rapa-dango amin'ny fandraharahana ara-barotra miely be mifototra amin'ny maha-olona ? Araho ny mpampiantrano, mpanao asa soa, Robert Foster – sy ny vahininay manokana, Jeneraly Baxter, mivantana avy ao amin'ny AFRICOM – tahaka ny hoe entinay ho anay anaty fo lalin'ny olana mihitsy ianao.

T-shirt Tony 2012 . Sary natolotry ny http://www.districtlines.com/.

Tarika iray mpanao hatsikana antsoina hoe Bath Boys Comedy no nitarika ny fanentanana iray antsoina hoe  Tony 2012: Sambory Ilay Sakadia. Tony ilay Sakadia  dia ilay sary ahafantarana ny tantara an-tsary natao ho an'ny sakafo maraina vita amin'ny varim-bazaha Kellogg's Frosted Flakes, hita eo amin'ny fonony sy ny dokambarotra.

Raha ny fahitàna azy, Adolph Hitler dia naneho hevitra tamin'ilay lahatsary fanentanana Kony 2012 :

StabOfMyVenom,  mpampiasa YouTube dia nanambatambatra ny sasantsasany tamin'ireo tsonga tsara indrindran'ireo vazivazy Joseph Kony 2012 :

Ilay fanentanana Kony 2012 dia nokianin'ireo Ogande maro izay milaza fa ilay lahatsary dia manatsotsotra loatra ny fifandirana any Avaratr'i Oganda. Mba ho fanoherana ny sary ratsy omena an'i Afrika ao anatin'ilay lahatsary, dia nibitsika mikasika ny “zavatra itiavan-dry zareo an'i Afrika” ireo Afrikana mpiondana aterineto, miaraka amin'ny tenifototra hoe  #WhatILoveAboutAfrica.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Kony 2012.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.