Bahrain: Vonjeo Amin'ny Ataon'ny Fitondrana ny Zanaky Ny Bahrainita


“Isika rehetra no mizaka ny heloky ny fitondrana”, izany no hafatry ny mpiserasera Bahrainita izay nampisongadina izany amin'ny alalan'ny tenifototra ampiasaina isan'andro ao amin'ny Twitter. Ny tontolon'ny Twitter ao Barhain no ohatra azo hampiharina amin'ny valantserasera araka ny fikarakarany tsara izany, apetraka ao avokoa ny vaovao rehetra hananany ao amin'ity sehatra ity ary miezaka manentana ireo fikambanana miaro ny zon'olombelona sy ny mpitolona mba hanao fanamarihana sy hiatrika ny fitondrana manoloana ny heloka ataon'izy ireo.

Tamin'ny herinandro lasa, mpitolona Bahrainita mpitsoa-ponenana Maryam Al-Khawaja, nandefa tweet mba handrisika ireo mpisionkantserasera handray anjara amin'ny fampiasana tenifototra #savebhkids, noforonina mba hampahafantarana ny heloka atao amin'ny zanak'i Bahrain, na ny famonoana ho faty izany, na ny fanagadrana, na ny fanemporana amin'ny baomba mandatsa-dranomaso, ary mba hamoahana ireo herisetra hita maso atao amin'ny fianakaviany.

Al Khawaja ni-tweet hoe:

@MARYAMALKHAWAJA: Ampiasao ny tenifototra #saveBHkids mba hanoratana ny mihatra amin'ireo ankizy ao #bahrain nandritra ny taona lasa noho ny herisetran'ny fitondrana

Ankizy ao AbdulRidha Buhamid novonoin'ireo tafika tamin'ny 18 Febroary 2011. Tsy nisy ny fanadihadiana mikasika izany raharaha izany ary tsy nahazo onitra ihany koa ny fianakaviana. Sary nahazoana alalana avy amin'ny: Foiben'ny Mpiaro ny Zon'olombelona ao Bahrain

Mpisera Twitter  Ba7rainiDXB nanampy hoe:

@ba7rainiDXB: Fantatrao ve fa ny polisy mpikambana ao #Bahrain dia na manao kolikoly, na mandrahona, na mampitahotra ireo ankizy mba hiasa toy ny mpanome vaovao!!

Sawsan Sultan namerina ny hafatra:

@SaWsan_SuLtaN: Nosamborina vao omaly ny rahalahiko, novonoina an-kerisetra & natsipy teny amin'ny arabe, tsy tiako hitranga intsony izao zavatra izao .. #SavebhKids #Bahrain

Mpisera Twitter Bahrainita hafa nandefa ity lahatsary MAMPIHORONKODITRA momba ny heloka mihatra amin'ireo ankizy Bahrainita:

@AmyBH2: ny fanafihan'ny tafika tao lulu nandritra ny fijanon'izy ireo tao no heloka voalohany nataon'ny fitondrana manoloana ny ankizy

Mpisera Twitter hafa indray nizara tatitra lavabe amin'ny antsipirihany nontotosain'ny Foibe Miaro ny Zon'olombelona ao Bahrain  izay miresaka momba ny herisetra mihatra amin'ny ankizy Barhainita:

@zh0r: ankizy 16 taona no natao takalon'aina mba hanatonan'ny rainy eny amin'ny mpitandro ny filaminana #SaveBHKids #Bahrain http://t.co/P3Uk1Iz7

@AmyBH2: Novonoina & nofenoin'ireo mpikaramana an'ady fasika ny zanako lahy 16 taona, tsy nolazainy tao amin'ny HRC izany satria nihevitra izy fa izany no tena izy!

@Zzzzah: [SARY MAMPIHORONKODITRA] yfrog.com/go3nvp  Ali Khamis, 15 taona no notifirin'ilay mpikaramana an'ady Hamad  tamin'ny bala fingotra teo amin'ny lohany tamin'ny 7 Oktobra 2011

Mpisera Twitter Bahrainita hafa indray nandefa sary marobe momba ireo ankizy Bahrainita sempotry ny baomba mandatsa-dranomaso, izay notifirina tao amin'ny tanàna sy tanàn-dehibe nisian'ny fihetsiketsehana isan'andro:

@ahmed_12: sempotra izy ireo http://yfrog.com/mmbo1tzj http://yfrog.com/es7ioxcj http://yfrog.com/nvuydpuj

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.