Syria: “Ny Andro Nahalalanay Izany Atao Hoe Syriana”

Androany 15 Marsa no fanamarihana ny tsingerintaona voalohany nanombohan'ny fitroarana Syriana. Herintaona taorian'ny hetsi-panoherana tany Damaskosy sy Daraa dia mitohy ao anatin'ny fifanoheran-kevitra ankapobeny [manerantany] ny adin'ny mpanohitra amin'ny fitondran'i Assad.

Ao amin'ny Twitter dia ampiasain'ny Syriana sy ny mpiara-dia aminy ny tenifototra #Syria sy #March15 ho fanamarihana ny andro, ahatsiarovana ireo maritioran'ny firenena, ary hieritreretana izay taona nilaozan'izy ireo izay.

@SYRIAslyJana: Its #March15 in #Syria…1 year ago the struggle for a dignified and free #Syria began, the promises we made still hold today.

Anio ny 15 marsa eto Syria…herintaona lasa izay ny tolona ho an'i Syria mendrika sy afaka, mbola manankery ny fampanantenana nataonay

@AmalHanano: #March15, the day we finally knew what it meant to be Syrian. Next year, you'll be an official holiday: Eid Thawrat al-Karameh. #Syria

15 marsa ny andro nahalalanay ihany izay atao hoe Syriana. Amin'ny herintaona ianao ho andro fety tsy hiasana: Eid Thawrat al-Karameh

@JudieHOMS: #Mar15 and the we are still fighting for our basic human rights as Syrians inside of #syria. May our 10K martyrs rest in peace.

15 marsa ary mbola miady ny hahazoanay ny zo fototra maha-syriana anay ato Syria izahay. Handry am-piadanana anie ny maritioranay 10.000

@RaghdaSalama: One year ago, Syrians have begun paving their road to freedom. Over 10000 lives have been lost. And we are all watching. #Syria

Herintaona lasa izay ny Syriana no nanamboatra ny lalany ho amin'ny fahafahany. Mihoatra ny iray alina ny aina nafoy. Ary mijery izany avokoa isika rehetra.

@Maysaloon: I remember the first anti-regime protest I ever went to in London. I had never felt more alive and happier in my life.

Tsaroako ny hetsi-panoherana ny fitondrana nataoko voloany indrindra tany Londres. Tsy nahatsiaro ho velona sy faly tahaka izany aho tamin'ny fiainako

@DarthNader: What started as hope turned into somber realism as more and more ppl realized the lengths the regime would go to to crush dissent. #Mar15

Izay nanomboka tamin'ny fanantenana dia nilentika tany amin'ny fahalalana ny zavamisy rehefa mihamaro ny vahoaka mahatsapa ny halavan-tanan'ny fitondrana hanorotoroana ny fanoherana

@abuhatem: A year ago I was very optimistic for Syria, a year later I have mixed feelings and am aware of the deep challenges but support the rev still

Herintaona izay aho nieriteritra zavatra tsara rehetra ho an'i Syria, herintaona aty aoriana mifangaro ny fahatsapana ato amiko ary tsapako tsara ny fanamby atrehina saingy mbola manohana ny revolisiona

@RazanSpeaksI can't even bring myself to say anything ‘poetic’ because the reality is far from that. #Syria

Tsy afa-miteny zavatra ‘poetika’ ny tenako satria lavitra dia lavitra izany ny zavamisy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.