Koety: Rantin-Javakanto Nakatona Fa “Mamohehatra”

Tohina ny mpanakanto Shurooq Amin rehefa nakatona tsy misy fanazavana ny fampirantiana hosodoko nataony. Maro ny tatitra nilaza fa nisy lehilahy telo tonga tao amin'ny fampirantiana, ora telo taorian'ny fisokafany, ary nanaisotra ny tabilao, ka niteny fa nahazo fitarainana momba ny votoatin'ny hosodoko ry zareo.

Nisiokantsera tao anatin'ny hatairana ny artista ny faha-5 Marsa rehefa nitranga ny raharaha tamin'ny filazana hoe:

@shurooqamin: They want to take down the #paintings! #art #censorship #kuwait

Tian-dry zareo esorina ny hosodoko!

Tao anatin'ny andro vitsivitsy dia nissesisesy ny siokantsera, ho fanohanana ny mpanosodoko tamin'ny fampiasana tenifototra #painttofreedom [hosodokohoaminnyfahafahana]. Tamin'ny fanehoan-kevitra manohitra ny hosodoko lazaina fa sary ‘vetaveta sy tsy fampiseho masoandro’, nanoratra ny mpisera Twitter Koesiana iray:

@AladdinsWife: If you don't know the definition of pornography it's not our problem! look it up in a damn dictionary!

Zavakanto nataona Koesiana Mohammed Sharaf hanoherana ny sivana

Tsy olana aminay raha tsy hainareo ny atao hoe sarim-betaveta! mba jereo ny rakibolana re!

Nanampy i Shahd Alshammari:

@ShahdAlshammari: This is so disappointing, when art is sentenced to death.

Mandiso fanantenana tokoa rehefa melohina ho faty ny zavakanto.

Ao amin'ny dinidinika nifanaovana tamin'ny gazety Al-Qabas, namely ny sivana ao Koety i Amin tamin'ny filazana fa mandika ny hosodoko araka izay itiavany azy ny lehilahy nanakatona ny ranty nataony fa hoe tsy manaja ny fomban-drazan'ny fiarahamonina ireo ka nesorina. Nomarihan'i Al-Qabas fa mety ho io no trangan-javatra [mampalahelo] voalohany teo amin'ny tantaran'i Koety. Namoaka fanambarana an-tserasera ihany koa ny hetsiky ny [antoko] ankavia koesiana ho fitsipahany izay antsoiny ho ‘Fanarahamaso ny zavakanto ataon'ny fitondrana.’

Mandritra izany fotoana izany ny mpamosa-kevitra an-gazety sy mpampianatra anjerimanontolo ny profesora Suad Al Mojel (@suadalmojel) dia nisiokantsera fa [ar]:

ماحدث في معرض الفنانه شروق أمين من تعدي سافر يؤكد بأن دولة طالبان قد أصبحت قريبه
@suadalmojel: Fanosihosena miharihary izay nanjò ny fampirantian'i Shurooq Amin ary manondro fa ho avy tsy ho ela ny fitondrana ‘Taliban’.

Namoaka hafatra mitondra ny lohateny hoe “Mandoko ho amin'ny Fahafahana” ny mpibilaogy Abrar AlShammari:

We can’t find proper books in our own country anymore, now with Virgin being shut down and all the good writers banned in the other bookstores. Our movies are censored, and instead we’re fed a bunch of media advertisements to turn us into consumerist robots during those 15 minutes that the cinema had cut out. Our writings are censored, it’s inappropriate to write about love and inappropriate to address the endless issues our society is facing. How does denial help anyone? Why is it believed that if we pretend a problem doesn’t exist, it’ll go away? It only gets worse the more it’s ignored

Tsy mahita ny boky araka ny tokony ho izy eto amin'ny firenentsika intsony isika, rehefa nakatona i Virgin ary voarara any amin'ny fivarotam-boky hafa ny mpanoratra tsara. Voasivana ny sarimihetsi-tsika, ary ho solony dia vokisana dokambarotra ao anatin'ny 15 minitra  manova antsika ho raboto mpanjifa isika. Sivanina izay soratantsika, tsy mety ny manoratra momba ny fitiavana ary tsy mety ny miresaka lohahevitra tsy mety tapitra atrehin'ny fiarahamonina. Amin'ny fomba ahoana no hanampy ny rehetra ny fodiana fanina? Ahoana no inoana fa rehefa heverina ho tsy misy ny olana dia ho lasa izany? Ho ratsiratsy kokoa io araka ny andavana azy.

Nanampy i AlShammari:

The intellectuals of the Arab society need to unite to fight censorship and ignorance and regression.

Mila mivondrona ny manampahaizana amin'ny fiarahamonina Arabo ho fanoherana ny sivana, ny tsy fahalalana ary ny fihemorana

Heverina ho mampiady hevitra ihany ny hosodoko ho an'ny sasany satria miresaka ny fady momba ny fananahana. Ny fampirantiana dia nampitondraina ny anarana hoe “Tontolon'ny lehilahy iray” ary io no iray amin'ny hosodoko heverina ho mampiady hevitra. Nivoaka tao amin'ny Twitter:

One of Shurooq Amin's paintings, posted by May Al Najjar on Twitter

Iray Amin'ny hosodokon'i Amin, Navoakan'i May Al Najjar hita Twitter

Ho setrin'ny fanakatonana ny fampirantiana dia navoakan'i Amin amin'ny vohikala ato ny hosodokony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.