Korea Atsimo: Hetsi-Panoherana Ny Fanombohan'ny Fananganana Tobim-Pamaharana Ao Jeju

Efa an-taonany izao no nanoheran'ny mponina avy ao an-tanàna ambanivohitr'i Gangjeong, Korea Atsimo, ny fananganana tobin-tafika an-dranomasina ao amin'ny Nosy Jeju. Koa satria moa mety hisy fiantraikany amin'ny toerana natokan'ny UNESCO ho lovan'izao tontolo izao ity tetikasam-pananganana toby miaramila ity dia nanohitra ny fananganana azy hatramin'ny 94% tamina fitsapa-kevi-bahoaka ny mponina tao Jeju.

Na izany aza dia mbola mikiry ny hanatanterahana ny tetikasa hatrany ny fitondrana koreana tatsimo. Koa ny 7 Marsa 2012 dia nanomboka nanapoaka ny vatolampy manamoron-dranomasina ny tafika an-dranomasina koreana tatsimo sy ny orinasam-pananganana tao-java-baventy Samsung Corporation. Nialoha ny andro manaraka, mpikatroka an-jatony no tonga tao amin'ny nosy hanakana ny tafika an-dranomasina hanapoaka ny moron-dranomasina heverina hananganana seranana. Maro ny voasambotra.

Eto ambany ny lahatsarim-panentanana mampiseho ny fikasan'ny mpanorina an-dranomasina handrava ny moron-dranomasin'ny nosy sy ny ataon'ny tambanivohitra sy ny mpitolona am-pilaminana avy ao an-tanàna ambanivohitra:

National Campaign to End the Korean War manazava ny toe-draharaha tamin'ny 7 Marsa tao amin'ny Facebook:

Activists attempt to stop the blasting of coastline in Jeju. By National Campaign to End the Korean War on Facebook.

Mpikatroka miezaka ny hampitsahatra ny fanapoahana ny morondranomasina ao Jeju. Hoy ny Fanentanam-pirenena Hampitsaharana ny ady Koreana hita Facebook.

Na dia eo aza ny antso ampahibemaso avy amin'ny governoran'i Jeju Atoa Woo tamin'ny tafika an-dranomasina koreana tatsimo hampitsahatra ny fanapoahana ny toerana volokanika masina Gureombi amoron-dranomasin'ny nosy Jeju, niditra tamin'ny fanapoahana vanja 800 kilao manakaiky ny moron-dranomasina ny tafika an-dranomasina sy ny Samsung Corporation. Heverina haharitra 5 volana amin'ny fampiasana vanja 43 taonina ny fanapoahana.

Avoitran'ny mpandinika ao an-toerana fa ny mahatonga ity fahasahisahian'ny filoha Lee Myungbak ity dia avy amin'ny fanahiana fa mety ho sarotra dia sarotra ny fananganana ny tobin-tafika an-dranomasina raha vao tsy mahazo ny maro an'isa ao amin'ny antenimiera amin'ny fifidianana faobe ny volana avrily ho avy izao ny antoko mitondra. Na izany aza, manafintohina ny olo-tsotra maro ny fihetsika tahaka izany.

Ao amin'ny takelaka Facebook Save Jeju, no mitantara ny vaovao farany momba ny fifandonana ny mponina ao Jeju sy ny mpikatroka. Eo ho eo amin'ny mpikatroka 20 no niditra tao amin'ny vatolampin'i Gurombee, mamaky ny fefin'ny faritra amin'ny alalan'ny vato. Ny vaovao farany tamin'ny 9 Marsa dia avy amin'i Su Lee:

Voasambotra i Dennis avy any California sy ny mpikatroka 9 avy amin'ny firenen-kafa ary anisan'izany ny mponina ao an-tanàna ambanivohitra 5 ao Jeju.

Imok Cha mamelabelatra izay hitany tamin'ny 7 Marsa:

Police line. By Imok Cha on Facebook.

Filaharana Polisy. Hoy Imok Cha hita Facebook.

Voasakan'ny sakana polisy telo sosona tanteraka i Gangjung. Efa hisy ny fanapoahana vato ao anatin'ny ora vitsivitsy, izay heverina ho amin'ny mitataovovonana, afaka roa ora izany. Dimy volana ny fahazoan-dalana hanapoaka vanja. Hisy dingana maromaro ny fanapoahana. 8 taonina no ampiasaina manakaiky ny tetezana ary 35 taonina hafa any andrefana kokoa. Efa nahavita lavaka 4,5 m ny halaliny ry zareo ao Gurumbi ho amin'ity fanapoahana ity. NAHOANA no tonga amin'izany!!!

Haein Lee tena mangidy lela:

Tsy misy dikany mihitsy ity tetikasa ity! Nahoana isika no manao zavatra tsy ho tafaverina amin'ny endriny intsony mandrakizay sy hanenenantsika! Ajanony azafady!

Sung Hee Myoung sorena:

Tahaka ny very faritra sarobidy iray amin'izao tontolo izao.
Tsy maintsy mitandrina amin'ity raharaha ity isika. Tsy olana ao ambadiky ny varavaran'ny mpifanolobodirindrina aminao io fa raharaha-na nosy iray eto an-tany!

Erin Kang manasongadina ny fahadalan'ny fihetsika ataon'ny governemanta mialoha ny Kongresy Manerantany Ikajiana Izao Tontolo Izao ao Jeju indrindra:

Amin'ny Septembra 2012, handray ny Kongresy Manerantany Ikajiana Izao Tontolo Izao i Jeju, izay tena tsy misy antony mihitsy raha jerena izay mitranga any Gangjeong amin'izao fotoana izao. Tokony ampahafantarina izao fihatsarambelatsihy izao ny mpanomana ny hetsika sy ny fampahalalam-baovao. Azafady mba andefaso imailaka ny mpikarakara ary tairo ny media. Ilaina ny mitady ny fomba rehetra azo atao hahazoana olona betsaka hiresaka ny fanapotehana atao any Gangjeong.

Ankoatra ny ahiahy momba ny tontolo iainana, dia mihevitra ny mpikatroka ao amin'ny hetsika mitandro ny fandriampahalemana iraisampirenena fa ao anatin'ny paikady miaramila ao amin'ny faritra hiodidinana an'i Shina ity fananganana ity, izay lasa misintona ny mponina ao Jeju ho tafiditra anatin'ny sisintany saropady ao amin'ny faritra. Hoy ny voasoratra ao amin'ny fanangonan-tsonia mitondra ny lohateny hoe Avoty ny Nosy Jeju — Tsy Mila Tobim-Pamaharana:

Hatramin'ny nanambarana ny hananganana ny tobim-pamaharana dimy taona lasa izay, nandrotsa-bato ny hitsipaka ny fananganana ny toby ny 95%n'ny mponina ao Jeju ary nampiasa ny fomba demokratika rehetra ahafahana manangana ny fanangananare. Fa manampi-tsofina amin'ny hetsi-panoherana ataony ny governemantanareo.

Miara-tezitra amin'ny mponina tian'ny fitondrana Koreana Tatsimo atao sorona noho ny fananganana toby amerikana U.S. fitifirana balafomanga ity, ho anisan'ny paikady mandranitra ady hanodidina an'i Shina izahay. Tsipahin'ny mponina ao Jeju marindrano ny filazana fa hanatsara ny fiarovana ny vahoaka Koreana ny fisian'ny tobim-pamaharana; fantatr'izy ireo fa hanozongozona ny faritra Azia-Pasifika ity ary hahatonga ny nosy ho kinendry voalohan-daharana amin'ny fanafihana ara-miaramila.

Ho fihainoana antso noho ny toe-draharaha dia tonga avy any amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny mpikatroka mitandro ny fandriampahalemana ka hankany amin'ny nosy ary manentana ny isian'ny fanohanana iraisampirenena bebe kokoa amin'ny tolona atao ao an-toerana. Imok Cha nandika ho antsika ny tatitra avy ao amin'ny pressian.com:

Hipetraka 2 herinandro fanampiny ao Gangjung indray i Angie Zelter, kandidàn'ny Loka Nobel Fandriampahalemana. Nankany amin'ny moron'i Gurumbi izy omaly ary nianjera tao anaty rano. Nilaza izy fa ilaina mihitsy izao ny isian'ny mpitandro ny fandriampahalemana iraisampirenena maromaro kokoa. Tohina tokoa ravehivavy amin'ny lainga mivandravandra ataon'ny Governemanta momba ny tontolo iainana sy namindra ny tolon'ny mponina ambanivohitra ho amin'ny fiarovana ny natiorany.

Bruce Gagnon, izay eny amin'ny fitarihan-dalana amin'ny hetsi-panoherana ao Jeju no manazava ny dikan'ny firotsahan'ny iraisampirenena ao amin'ny bolongana fahanany:

Ny fandefasana ny mpiasan'ny fandriampahalemana iraisampirenena ao amin'ny nosy Jeju dia marika hamantaran'ny rehetra mirotsaka an-tsehatra fa azon'ny hetsika mpitandro ny fandriampahalemana mazava tsara ny karazan'ny teti-panoron'ity tolona ao an-toerana ity. Ny filazan'i Obama azy ho “pivot” (ianteherana) ao Azia-Pasifika dia midika fa hitombo avo roa heny ny tsiritsirika miaramila Amerikana U.S. any amin'io faritra io – noho izany dia mila seranam-piantsoana manakaiky ny moron-dranomasin'i Shina ny Tafika an-dranomasina. Ka ao anatin'izany dia miala 300 maily avy eo monja ny tanàna ambanivohitr'i Gangjeong.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.