Mitady Tonian-dahatsoratra Lefitra ny Global Voices

Global Voices Mitady tonian-dahatsoratra lefitra ny Global Voices mba hanampy amin'ny fandaminana ireo lahatsoratra mivoaka isanandro amin'ny teny Anglisy. Ny Global Voices amin'ny teny Anglisy dia ivo iray ho an'ireo mpitoraka bilaogy mihoatra ny 400 sy mpandika lahatsoratra maneran-tany izay miara-miasa mba hitatitra anatina bilaogy sy ny mediam-bahoaka eny rehetra eny, amin'ny fanamafisana ireo feo tsy heno ao anatin'ny media iraisam-pirenena mahazatra. Izahay dia fikambanambe iraisam-pirenena, ao amin'ny aterineto izay tarihanà ekipanà tonian-dahatsoratra miasa tapak'andro, miasa miaraka amin'ireo mpanoratra nirotsaka an-tsitrapo eran-tany manerana ireo fehibolan-tany samihafa, mifanerasera voalohany indrindra amin'ny mailaka sy ireo lisitranà mailaka isam-paritra.

Tsy maintsy manana traikefa avo lenta sy manokana io tonian-dahatsoratra lefitra io mba hanampy ny vohikala hikarakara sy hanitatra ny anjara asany amin'ny mahavohikala mpitarika azy eo amin'ny lafiny fandikan-dahatsoratra, fanomezana fotokevitra, sy ny fanamafisana ny mediam-bahoaka iraisam-pirenena.

Hiandraikitra ireto zavatra voalaza manaraka ireto ny tonian-dahatsoratra lefitra:

- Miasa miaraka amin'ny Tale Mpiandraikitra ny famoahan-dahatsoratra mba hamerina handinika ny lahatsoratra ao anatin'ny vohikala isanandro
– Miara-miasa akaiky amin'ireo tonian-dahatsoratra any amin'ny Faritra sy isaky ny Teny mba hanomezana tohana ho an'ireo mpanoratra mirotsaka an-tsitrapo
– Miandraikitra ny ekipan'ny tonian-dahatsoratra any amin'ny zana-tsampana nirotsaka an-tsitrapo, sy mamoaka ireo lahatsoratra raha ilaina izany, mamerina mandinika ny fipetrak'ireo lahatsoratra rehetra ho an'ny fanatsarana, fahadisoana amin'ny resaka zon'ny mpamorona sy ireo pitsopitson'asa hafa ihany koa
– Manome toky fa mifanojo amin'ny lalànan'ny famoahan-dahatsoratra  ny lahatsoratra iray alohan'ny amoahana azy
– Mifehy ireo tsikera ao amin'ny vohikala
– Manara-maso sy manavao ny toro-lalàna amin'ny endriky ny lahatsoratra sy ireo dingana hafa famoahana lahatsoratra
– Miandraikitra ireo lisitra fifandefasana mailaka anatiny.
– Miara-miasa amin'ny Tale Ara-teknika mba handrindrana sy hikolokoloana ireo “meta-données”, fanononana, fampifandraisana, sy ny fizotran'ny fampahalalana ny fitobaky ny asa ao amin'ny vohikala
– Miandraikitra ny antontan'isan'ny fifamoivoizan'ny mpitsidika ao amin'ny vohikala
– Mamolavola sy mampandeha ny fihaonan'ireo tonian-dahatsoratra ao anatin'ny efitra firesahana IRC

Hanao ny tatitra any amin'ny Tale Mpiandraikitra ny famoahan-dahatsoratra ny Tonian-dahatsoratra lefitra.

Mikaroka olona liana amin'izany izahay ka manana ireto talenta ireto:
– Tonian-dahatsoratra manana traikefa sady mpanoratra, manana fahafahana miteny Anglisy toy ny teratany sy fanabeazana fototra mifanaraka amin'izany
– Traikefa matanjaka amin'ny fitarihana
– Manana traikefa amin'ny fiandraiketana ekipa manana teny samihafa, kolontsaina samihafa
– Fahaizana matanjaka ara-teknika sy traikefa amin'ny mediam-bahoaka, isan'izany ny fitorahana bilaogy, podcast, sy ny lahatsary dizitaly
– Fahaizana fototra amin'ny famoahana lahatsoratra sy ny fikarohana loharanon-tsary dizitaly
– Fahaizana mitarika ekipa amin'ny fanandratana ny tenifototra amin'ny lohateny sy ny fampifandraisana ny lamina ifanekena manerana ny vohikala
– Tsy vaovao amin'ny rindrambaiko malalaka sy ireo vondrom-piarahamonina misy votoaty misokatra
– Fahaizana miasa tsy miankina ary mamokatra anatina fotoana voarindra

Raha te hiasa tsara miaraka amin'ny fikambanambenay, tianay ireo mpifaninana raha:
– Manana traikefa amin'ny fiainana sy fiasana iraisam-pirenena, na nitsidika matetika ny tontolo an-dàlam-pivoarana
– Mpitoraka bilaogy mavitrika na mpamorona media ao amin'ny aterineto
– Mahafehy teny maro, indrindra fa ny teny Anglisy ary fara-faharatsiny miampy teny iray hafa
– Manana traikefa amin'ny fiasàna anatina tontolo samihafa, manana kolontsaina samihafa
– Mpifanerasera matanjaka sady mpanamora zavatra
– Manana traikefa tanatinà trano fanaovan-gazety iray matihanina mametraka ho tanjona ny mponin'ny tany tontolo

Tokony hanana fifamatorana lalina amin'ireo soatoavina sy ireo tanjon'ny Global Voices ny mpifaninana mendrika indrindra. Hiditra anatina ekipanà tonian-dahatsoratra sy mpanoratra mitombina tsara izy, izay natokana hanamafy ny feon'izao tontolo izao. Tsy misy fepetra ara-jeografika takiana amin'ity toerana ity; tsy misy toeram-piasana hitamaso ipetrahany ny Global Voices. Mety hisy aza angamba ny fivezivezena. tsy maintsy manana fahafahana miditra amina fifandraisana amin'ny aterineto misosa tsara ireo mpifaninana ary mahazo fahafinaretana amin'ny fiasàna anatina tontolo virtoaly ranoiray. Raisinay an-tanan-droa tanteraka ireo mpifaninana avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa, ary mamporisika ny olona miasa amin'izao fotoana ao amin'ny tetikasan'i Global Voices mba handray anjara.

Asa amin'ny fotoana rehetra (plein temps) io toerana io, nefa tokony ho raisina tahaka ny fifanarahana aminà mahaleontena (freelance).

Ho fanehoana ny fahalinanao, miangavy anao handefa taratasy milaza ny anton'ny fahazotoana sy CV any amin'ny “adminjob AT globalvoicesonline DOT org”.

Ny fe-potoana farany fandraisana ireo taratasy dia ny 23 Martsa 2012.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.