Timor Atsinanana : Very Harena Politika Lehibe Ny Firenena

Francisco Xavier do Amaral, izay fantatra amin'ny anarana hoe”Avó Xavier” na  “Avó Xavi” (Dadabe Xavier), dia maty noho ny aretina nahazo azy ny Talata maraina lasa teo tao amin'ny hopitaly nasionaly ao Dili. Teo amin'ny faha 75 taonany. Xavier do Amaral dia mpikambana mpanorina ny Fretilin, izay antoko politika nanaovany fanambarana tsy niombonana ny Fahaleovantena ny volana Novambra 1975 talohan'ny nfidiran'ny Indoneziana an-keriny. (Ireo Arsiva sy Tranombakoky ny Fanoherana tao Timor dia manana ny rakitra tena izy ety anaty aterineto.)

Hatramin'ny nahenoana ny fahafatesany, ireo mpampiasa Facebook dia namerina nampakatra ity lahatsary fanadihadiana izay natao taminy ity ny taona 1975 niaraka tamin'ny Filazam-baovao Aostraliana – eto no ahafantarantsika an'i Xavier do Amaral, ny taonany sy ny zavatra niainany tamin'izany, ary satria izy no zokiny indrindra tamin'ireo mpitia, tanora mpianatra nasionalista izay nanorina ny Fretilin.

Xavier do Amaral dia nandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana tany an-tendrombohitra niady tamin'ny Indonezia mandra-piampangan'ny Fretilin azy sy ny mpanara-dia azy, izay avy any amin'ny faritra feno tendrombohitra ao Turiscai sy Maubisse, ho mpamadika tamin'ny taona 1977. ( Henoy ilay fiampangàna ao amin'ny arsovan'nyonjam-peo  “Antso ho amin'ny Timor Atsinanana” tamin'ny Septambra 1977 nalefa tao amin'ny bilaogin'ny Arsivan'i Timor.)

Xavier do Amaral dia nogadraina tany an-tendrombohitra, avy eo nosamborin'ireo hery miaramila Indoneziana fotsiny taty aoriana ary noraisina ho toy ny gadra ‘loka an'ady’ tao Jakarta. Niverina tao Timor Atsinanana izy taorian'ny nialàn'ny Indonezia ny tanàna rehefa avy nopotehany tamin'ny taona 1999.

Ny taona 2001, voafidy tamin'ny fihodinana voalohany ho ao amin'ny Antenimiera mpanangana izy niaraka tamin'ny  antokoy  ASDT, matetika miaraka amin'ny fanohanana matotra avy amin'ireo mponina avy any an-tendrombohitra ao Timor afovoany.

Sarin'ny faritra niavian'i Xavier do Amaral, Timor afovoany. Sary an'ny mpanoratra

Raha atao hoe tony kokoa izy eo amin'ny resaka politika amin'ny ankapobeny, tsy tokony ho tsinontsinoavina ny lanjany tao amin'ny resaka politikan'ny fiaraha-mitantana tato anatin'ny taona vitsy. Tamin'ny fotoana nahafatesany, dia kandidà tamin'ny fifidianana ho Filoha ho avy eo izy, ho aminà fotoam-pitondràna fahatelo mifanesy.

Avy hatrany taorian'ilay vaovao momba ilay fahafatesany, ilay mpampiasa Facebook Baumali Quintao dia nampakatra ny sarin'i Xavier do teo ambony fandriany, izay narahina fanamarihana an-jatony. Adeza Freitas dia nampakatra  sary iray an'ilay fiara nitondra ny nofo mangatsikan'i Xavier do Amaral hiverina any amin'ny teram-ponenany any amoron-dranomasin'i Dili .


Fanomezam-boninahitra an'i Dadaben'i Firenena

Fanomezam-boninahitra maro no niraraka avy ao amin'ny Facebook, Twitter, tao amin'ireo bilaogy maro ary toy ny fanamarihana tao amin'ny Youtube, avy ao Kambodza, Filipina, Aostralia, Indonezia, Japana ary Portiogaly.

Maro ny mpitondra fanamarihana no nirary an'i Xavier do Amaral ho “Tsara dia” any ankoatra any tamin'ny fiteny isan-karazany, ny ankamaroany amin'ny fiteny ofisialy any Timor atsinanana, ny Tetum.

Justin Amaral dia nanoratra ho an'ny rehetra tao amin'ny Facebook

Husu ba Timor oan sira iha nebe deit atu reza ba ita nia avo francisco Xavier do Amaral nebe fila hikas ona ba aman maromak nia kuana.Francisco Xavier Do Amaral nudar ema ida nebe fo nia vida tomak ba rai Timor Leste […]

Angatahako ny vahoaka ao Timor mba hivavaka ho an'i Dadabentsika Francisco Xavier do Amaral, izay niverina eo anilan'Andriamanitra. Francisco Xavier do Amaral dia olona iray izay nanokana ny fiainanay iray manontolo ho an'ny tanin'i Timor Leste[…]

Alzira Mota Pereira dia nanao fanamarihana tamin'ilay lahatsoratra fanomezam-boninahitra nataon'ireo avy ao Timor Rede Feto (Tambajotram-behivavy)

Francisco Xavier do Amaral, nrn nebe Uniku no ema nebe brani tebes hodi kaer no ukun TL iha tempu Krize 75. “Francisco Xavier do Amaral” ita nia naran morin no Sagrada tebes mai ami Timor oan!!! Viva Proklamador, Viva avo Xavier

Francisco Xavier do Amaral, anarana tokana ary olona iray izay sahy  tokoa nitarika ny TL tamin'ilay Krizin'ny taona 75 . “Francisco Xavier do Amaral” mamy ny anaranao ary tena Masina ho anay vahoaka eto Timor! Ho ela velona anie ilay Mpanambara ny Fahaleovantena, Ho ela velona dadabe Xavier.

Nailorotiris dia nanao fanamarihana tao amin'ny Youtube:

Ny maha-to teny azy, ny halemem-panahiny, ny fahatsorany ary ny toetrany marina dia ho banga tokoa eo amin'ny tontolon'ireo mpitarika.

Nug Katjasungkana dia nanoratra tamin'ny fiteny Indoneziana tao amin'ny  Facebook

Berdukacita atas meninggalnya Francisco Xavier do Amaral (pejuang pembebasan rakyat Maubere, Ketua Fretilin pertama, Presiden Republik Demokratik Timor-Leste pertama, tawanan politik Pemerintan Republik Indonesia)…

Misaona ny fahalasanan'i Francisco Xavier do Amaral (ilay niady ho an'ny fahafahan'ny mponina Maubere, mpitarika voalohany ny Fretilin, Filoha Voalohan'ny Repoblika Demokratikan'i Timor-Leste, ilay Gadra Politikan'ny Repolbikan'i Indonezia)…

Ny ONG na fikambanana tsy miankina Fundasun Mahein dia nanoratra tao amin'ny bilaoginy tamin'ny fiteny Anglisy hoe

Ny firenentsika izay tanora dia very ny iray amin'ireo zokibeny. […] hatramin'ny nametrahana ny fahaleovantena, ny andraikiny tao anatin'ny adintsika ho amin'ny fahaleovantena dia tsy mbola tena nankasitrahana sy  nomen-danja marna araka ny tokony ho izy.

Ireo mpanara-dia an'i Xavier do Amaral dia fantatra amin'ny fifamorian'izy ireo tao Dili manodidina ny fonenany. Ilay mpanao gazety miasa tena Meagan Weymes dia namariparitra ny zava-nisy teny an-toerana androany tao amin'ny bilaoginy :  “ny fianakaviana sy ny ireo  mpanara-dia azy dia nifamory teo anoloan'ny trano fonenany mba haneho ny fanajàn'izy ireo, nihira ny hiram-pirenena sy nitomany”.

Ary satria ny governemanta ao Timor Atsinanana dia nanambara fisaonam-pirenena hatramin'ny Alakamisy, dia tsy isalasalana fa hisy fandefasana ny sarin'ilay fisaonana ao amin'ny fahitalavitra manomboka amin'izao ora izao sy ny andro ho avy, hatreny amin'ny renivohitra ka hatreny an-tendrombohitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.