Rosia: Fomba fijerin'ny Mpiblaogy ny Minitra Farany Alohan'ny Fifidianana

Tamin’ny  13 desambra 1999, raha nankalaza ny faran’ny taona ny Rosiana rehetra, andro tsy fiasana izay mampisongadina ny ara-pinoana sy ny ara-politika ,ny filoha  Boris Yeltsin dia nanambara ampahibemaso  fa Atoa  Vladimir Putin no  ho voatendry ho filoha amperinasa hisolo azy (vonjimaika). Talohan’ny nialany , dia nanampy izao teny izao izy : “Mangataka famelana tamin’ny nofinofinareo tsy nety totonsa aho. Ary iriko ihany koa ny hamelanareo ahy noho ny  tsy nahatanterahako ny fanirianareo.”

Taorian ‘ny fipoahan’ny baomba tamina trano izay niseho tamin’ny septambra 1999 sy ny niatombohan ‘ny ady Tsetsenina faharoa, dia foto-kevitra tokana nijoroan ‘Atoa Putin ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena Rosiana 2000 ny ady amin’ny fampihorohoroana any amin’ny faritra avaratr'i Kaokazy. Ambonin’izany rehetra izany, Atoa Putin dia nandà ny hirona na ho mpikambana  tamina antoko politika. Na izany aza, dia izy no nitarika tao anatin’ny Kandida 11  tamin’ny ampaham-bato 53%-n’ny mpifidy -nanomboka teo ny “Vanim-potoanan'I Putin”.

12 taona aty aoriana , toa nanakoako kokoa ny firotsahan’Atoa Putin hofidiana raha toa ka nidina an-dalambe ny mpanohitra nitaky ny tsy maha ara-dalàna ny fifidianana solombavambahoaka tamin’ny desambra 2011. Na izany aza anefa, ny vokatra azo avy amin’ny  famotopotorana dia nampiseho fa izy ihany no mitarika amin’ny Fifidianana ny Alahady amin’ny vato antsasa-manilan’ny mpifidy.

.

Ny mpanohitra ,mitondra sary ,mitsipaka ny praiminisitra rosiana sy ny kandidà Vladimir Putin nandritra ny fifamoriana ho amin’ny fifidianana ara-dalàna tany St.Petersburg, Rosia. Photo by MIKE KIREEV, copyright © Demotix (25/02/12).

Ho an’ny blaogin’i world affairs Journal , Vladimir Kara-Murza  dia namehy ny fifidianana amin’ ny  4 Martsa hitondra ny lohateny, “Ny fifidianana amin’ny alahady,  adin’i Putin  sy ny Rosiana”:

Tamin’ny Alatsinainy , ny mpamorona sy mpandrindra  poloney Krzysztof Penderecki  dia nanatrika ny opera fanahin'ny maty an'i  Rodion Shchedrin   tao amin’ny trano teatra Bolshoi any Moskoa. Rehefa nizotra ny fampisehoana  dia tsikaritry ny mpijery i Penderecki teo amin’ny toerany ary dia nakorain’izy ireo. Sanganehana noho izany ity mpamorona mozika malaza noho ny tsy fahazoany ny anton’izany  fankahalana izany.  Taty aoriana vao nihanazava taminy fa nafangaron’ny mpijery tamin’i Vladimir churov , filohan’ny Mpanara-maso ny Fifidianana Anatiny — izay tena misy hitovizana lehibe aminy izy.

Araky ny maha akaiky ny andro fifidianana filoham-pirenena  ny alahady, dia hita mitombo ny fihariharian’ ny fahadisoam-panantenan’ny vahoaka amin’i Vladimir Putin. Nandritra ny faran’ny herinandro, moskovita amanarivony maro no nifampitantana nanao rojo-vakana efa ho 16km tamin'ny lalana Garden Ring — nalaina tahaka avy tamin’ ny fitakiana fahaleovan-tena “Lalana Baltika” tamin'ny 1989 — ho fanoherana ny fiverenan’i Putin ho amin’ny fahefana sy fangatahana fifidianana malalaka sy mangarahara. Any St. Petersburg, olona aman'arivony maro avy  amin’ireo antoko politika samihafa no nilahatra teo afovoan-tanàna nitaky ny” revolisiona am-pilaminana.” ny fihetsik’izy ireo manoloana ny fitondrana araka izany dia tsy maneho hetsika ara-politika loatra: ny fahitalavitra iray dia nampiseho “ fitateram-baovao” ny amin’ny ho avy izay mampiseho ny fisamborana an’i Putin sy ny fitsarana azy any Moskoa ary nanjary isan’ny be mpijery indrindra an-tsehatra izany satria dia mahatratra 5 tapitrisa isan-kerinandro ny  mpijery izany.[…]

Sean Guillory avy amin’ny  Sean's Russia Blaogy dia namoaka  famelabelarana ho an’ny kandidà hifaninana amin’Atoa Putin:

[…] marina fa, ny fifidianana filoham-pirenena Rosiana hatramin’izay dia toy ny zava-drehetra afa-tsy  ny mahazatra. Azo antoka fa, ny fitsinjarana ofisialy ny andraikitra dia mijanona  ho toy ny tamin’ny fifaninanana rehetra teo aloha, saingy mety hisy hanatombo kely. Ny andrin’ny antoko Kominista , Gennady Ziuganov dia mbola  mitazona ny maha  “lehiben’ ny Mpanohitra manara-penitra ,azy” antoko kominista  efa  ela nietezana izay mbola  manana ny rafi-pandaminana fototra ara-politika hahafahana handimby an’ i Putin, saingy tsy ampy ny atao hoe: “Faniriana Leninista” ifanentanana amin’ny fepetra ilain’ny politika ankehitriny. Takian ‘izany fifanentanana izany koa anefa ny fanalana an’i Ziuganov sy ireo mpifidy efa antitra mpanara-dia azy,  tranga izay tsy ho ankasitrahan’ny KPRF fikambanan’ny mpampianatra sy ny manam-pahalalana sy ny ambaratongam-pahefana sy ny fampitan-kevitra, hatao. Mpifanandrina amin’i Ziuganov i  Vladimir Zhirinovski, “mpanohitra ara-dalàna “ iringiriny ihany koa izy io.” Zhiric dia milalao ny toeran’ny mpanisy sira  amin’ity tranga ity amin’ny alalan’ny fampisavorovoroana , ny lafiny fampiomehezana amina fampisehoana izay efa tsy dia nahataitra loatra . Amin’ny lafiny iray izany, Zhirinovsky dia taratry ny fahafenon’ny fepetra ilaina,  toy ny mpampiomehy  amin’ny fampisehoana mampiomehy. Manarak’izay dia misy an’i Mikhail Prokhorov, olom-baovao manampy ny lisitra.  Prokhorov dia  toa karazana Khodorkovsky-lite (( hatramin’ izay naha enjan-katoka an’i Khodorkovsky izay ary maha voatana am-ponja azy mandritra ny fotoana ho avy). Andriana  “nahazo” ny ampahany betsaka  amin’ny harenany tamin’ny  “fampindramam-bola atakalo tombam-pananana” firehana izay tsy nahalatsaka  an’i  Boris Yeltsin tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 1996, Prokhorov, na teo aza izany anefa dia tsy mba toa an'i Khodorkovsky, izy fa sady mahalala tsara ny fitsipi-dalao no mampiasa izany araka ny tokony ho izy. Fa ny fanontaniana lehibe izay tena manenjika an’i Prokhorov dia tsy ny momba ny lasany fa ny hoe, ao anatin’ny  vinavinan’ny Kremlin ve izy sa tsia. Manahy aho fa mety ho ny fitambaran’izy roa.  Rehefa avy namaky ny New Yorker misy ny mombamomba azy  nosoratan’i Julia Ioffe aho dia nihanazava tamiko fa ny tena sakana lehibe ho an’i Prokhorov dia noho izy tsy azo itokisana .  Mamarana azy ny kandida an I Rosia,Sergei Mironov. Ny fanontaniana mipetraka momba ny firotsahany dia ny fanontaniana hoe: iza moa io lehilahy io? […]

Niaraka tamin’iny valim-pifidianana iny , dia fanontaniana niverimberina nandritra ny volana vitsivitsy  ny momba ny fahalalahana haneho hevitra.

Ny blaogin’ny fikambanan’ny mpiaro ny mpanao gazety dia namoaka ny antsipirihan’ ny fihetsika nozakain’ny haino aman-jery Rosiana taorian’ny namoahan’izy ireo ny ady hevitra momba ny fanakianana manodidina ny ady hevitra momba ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny desambra 2011:

[…]  Tamin’ny  12 Desambra, Rosiana mpanao afera Alisher Usmanov, tompon’ny  trano fanontana  Kommersant Publishing House – izay mamokatra  ny independent business daily Kommersant sy  mpanao gazety maro hafa dia nilaza fa noroahiny i Mazksim Kovalsky, Lehiben’ ny mpanoratra amin’ny gazety mpivoaka isan-kerinandro malaza Kommersant Vlast. Nilaza tao aorian'izany Demyan  Kudryavtsev, talen’ny fanontana    fa hametra-pialana. Nanohina azy loatra izany vaovao izany , sady  Kovalsky sy Kudryavtsev dia mpanao gazety fanta-daza no natao ho toy ny rain ‘i Kommersant sy ny mpiasany.

Ny lohatenin-gazety momba ny fifidianana solom-bavam-bahoaka no inoana fa antony namotehana  an I Kommersant. Herinandro tao aorian’ny fifidianana mantsy ny ankamaroan’ny lohatenin-gazety navoakan’ny Kommersant-Vlast dia momba ny hosoka izay nolazaina fa nisy nandritra ny fifidianana ka nitarika ny fahatezerana sy  fikomian’ny vahoaka izay tsy mbola fahita tany Rosia hatamin’izay 10 taona lasa izay. Fa i Usmanov kosa –izay fantatra fa olona akaiky an’I Putin- dia nanitsy izany ho toy ny antony mari-pototra ho fanasaziana ny gazety. Tamin’ny laharana navoaka ny 12 desambra , Kommersant –Vlast dia namoaka sarin’ ny vatom-pifidianana  tany Londre izay an’ny antoko mpanohitra Yabloko; ary misy sora-tànana  manompa an’I Putin io vato io. Nosazian ‘i Usmanov ampahibemaso noho izany ity gazety noho ny antony “ tsy fanekena ny fampiasana teny ratsy” izay mifanohitra amin’ny toe-tsaina ary efa manakaiky ny “Hooliganisma “. Voatery namindra izany sary izany ny gazety  saingy hita ihany amin’ny tambajotra sosialy hafa , anisan ‘izany ny twitter an ‘I Oleg Kashin , mpanadihady ao amin’ny Kommersant,  io sary io.

Ny fanesorana an ‘I Kovalsky sy Kudryavtsev dia nahatezitra ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny kommersant. Roa andro taty aoriana ,andiana mpanao gazety avy amin’ ny filazam-baovaon’I Usmanov- anatin’izany ny takelaka mahaleo-tena Gazeta- nanao Sonia ary namoaka taratasy misokatra an-tsehatra mitondra ny lohateny hoe”  voatery izahay hiraviravy tànana.” Veronika Kucyllo , mpanoratra mpanampy efa ela nihetezana tao amin’ny Kommersant –Vlast, dia nametra-pialana ho fanoherana ny fanapahan-kevitr’I Usmanov.

Isan’ny foto-kevitra nisongadina tamin’ ny fotoanan’ity fifidianana ity koa ny anjara asan’ny haino aman-jerin’ny olom-pirenena izay nanainga ny hetsika politika any Rosia. Na  sarotra aza ny fampiharana ny fanasivanana amin’izy ireo noho ireo filazam-baovao lehibe natao ho an’ny daholobe, dia tsy afa-miala tanteraka amin’izany sivana izany izy ireo. Na izany aza , nisy ny adi-hevitra mitondra ny lohateny hoe “ Inona no antony hikomian’ny Rosiana ankehitriny?” tao  amin’ny Global Voices.

Ny lohateny, “ Ny lehilahy Vladimir Putin no tena ahatahorana”ao amin’ny blaogin’i Wall Street Journal dia maminavina fa ny mpitoraka blaogy no sady mpiady amin’ny kolikoly Alexei Navalny dia hanana traika amin’ny fifidianana filoham-pirenena

[…]Ny mpitoraka blaogy, mpiady amin’ny kolikoly sy mpitolona Alexei  Navalny dia  tsy maintsy ho hita eo anivon’io fifidianana io ,raha toa ka  tao anatin’ny   telo volana izay dia tsy nampoizina ny famohazany ny politika rosiana. Amanalinalina ny vahoaka rosiana no  nanala ny fahatezerany sy ny fandeferany tamin’ ny alalan’ny fanoherana ny hosoka izay nitranga tamin’ny fifidianana solom-bavam-bahoaka tamin’ny volana desambra sy ny fihazonan’Atoa Putin ny fahefana . Eo amin’ ny sehatra ahitàna endriky ny mpanohitra maro dia hita fa misongadina amin’izy ireo Atoa Navalny izay manana ny endri-baovao mahasarika sy mahakasika ny fon’ ny vahoaka .

Ny dingana manaraka dia ny fitsapana azy sy ny antoko mpanohitra. Ny fifandimbiasan’ny hetsika lehibe taorian’ny volana desambra dia maneho ny fihalefahan’ny fanohanana an’Atoa Putin any amin’ ny tànan-dehibe sy ny fahadisoam-panantenan’ny vahoaka noho ny tsy fisiam-pivoarana ara-politika sy tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra any rosia. Na izany aza , ireny fivoriana ireny dia nanery ny governemanta mahefa tsy hilefitra mihitsy.Na dia nihalefy aza ny herin’Atoa Putin , dia nahazo fe-potoana vaovao indray izy izay mety hahafahany manovo hery hivadihany moramora na amim-pihetsika mahery.[…]

Ny blaogin’i Tolik Belenko LiveJournal amin’ny teny Rosiana dia nampiditra rohy, filazana avy amin’ny “Nashi” izay  manambara fa ireo vondrona tanora mpanaradia an’I Putin dia nanao tetika   hanafoanana ny fikorontanam-bahoaka ao aorian’ny voka-pifidianana:

Tamin’ny 5 martsa, dia mpikambana teo amin’ny arivo teo ho eo avy ao amin’ ny vondrona “Nashi” sy “Steel” no nidina an-dalambe tany Moscou mba ho fanakanana ny  fihetsika tsy ara-dalàna izay mikendry ny fikorontanan’ ny fiaraha-monina aorian’ny voka-pifidianana filoham-pirenena Rosiana.

Mpisera LJ Tolik_Belenko ihany koa dia nizara rohy momba ny fanambarana nataon’ny Nashi tao amin’ny  takelaka ya.ru [ru]. Ny valin-tenin’ny mpamaky tamin’ izany dia toa nampihorohoro ihany.

Johnny TraHvoltin dia nanoratra fa [ru]:

Toe-javatra efa niseho io saingy izy tsy mbola taty amintsika fotsiny , fa tany Shina, fony Mao Zedong niantso manokana ny tafika mena Hong wèibing hiditra an-tsehatra ho fifehezana ny filaminana. Nanao ahoana ny fiafaran’izany? Vakio ny tantara.

Svetlana dia nanoratra fa [ru]:

Tsy mbola tonga ny ampitso . Nahoana no maminavina? Ho hitantsika eo.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.