MENA: Sarimihetsika Salafista Sahala Amin'Inona no Hojerenao?

“Ny zavakanto rehetra dia vokatry ny fotoana namoronana azy, ary mitaratra io fotoana io raha tiany ilay izy na tsia, eny fa na dia miezaka ny hitsoaka izany aza izy ka miafina anaty nofinofy,” hoy ny nosoratan'i Stephen Whitty. Ary tsy hafa amin'izany ny sarimihetsika eto, ary ny anarany dia mamehy izany rehetra izany amin'ny voambolana vitsivitsy, amin'ny fomba miafina sy mampihomehy, tahaka ny siokantsera iray [tweet].

Nanapa-kevitra hampiasa tenifototra vaovao ifandefasan'olona lohatenina sarimihetsika rehefa avy nasiana sira [leviora] salafista kely ilay mpanao maritrano sady mpanoratra Libano-Irakiana Karl Sharro, monina any Londres.

Toy izao ny fivakin'ny sosokeviny:

@KarlreMarks: shall we do #SalafistMovies? I have a good one: Salafist of Fury

Mety amintsika ve ny #SalafistMovies [sarimihetsika salafista]? Manana iray tsara aho: Salafistan'ny Faharomotana 

Avy eo izy nanampy sosokevitra hafa mba hampandeha ny resaka:

@KarlreMarks: Come on people, help us get #SalafistMovies rolling: '12 Million Angry Men’

Andao ry zareo a, ampio izahay hampandeha ny #SalafistMovies: ‘ Lehilahy 12 arivoarivo [tapitrisa] tezitra’

Vetivety monja dia niely, tahaka ny tenifototra mampihomehy malaza indrindra, ilay izy ary nampiasa azy ny mpisera Twitter any amin'ny firenena Arabo – sy ny tsy-Arabo sasantsasany.

Indreto ny santionan'ny sarimihetsika notsongaina:

@LamiaMoussa: How to grow a beard in 10 days. #SalafistMovies

Ahoana no hampaniriana volombava anatin'ny folo andro. #SalafistMovies

@malekmakni: Shave me if you can #salafistmovies

Harato aho raha mahavita ianao #SalafistMovies

@gihanbabiker: Shaving Private Ryan #SalafistMovies

Manaratra izay volo rehetra any amin'i Ryan #SalafistMovies

@SheikhKhalifaPM: No blade runner #SalafistMovies #beard

Tsy misy hareza ry mpihazakazaka #SalafistMovies #volombava 

@aymanfarhat: The Beauty And the Beard #SalafistMovies

Ny Hatsarana sy ny volombava #SalafistMovies 

@SalahZulfikar : #SalafistMovies eat pray pray again

#SalafistMovies mihinana mivavaka mivavaka ihany

@HanzadaElShihy: #SalafistMovies I know what you did last Ramadan

#SalafistMovies fantatro hoe taiza ianao Ramadany farany teo

@Molka_Chaari: Women in Black #SalafistMovies

Vehivavy anaty [rebareba] mainty #SalafistMovies

@JustAmira: V for Virgin #SalafistMovies

V tahaka ny Virijiny #SalafistMovies

@EmnaBA: Alice au pays des exciseurs #salafistMovies

@EmnaBA: Alice any amin'ny firenen'ny mpanao didipoitram-behivavy. #salafistMovies

@evildrako: Blanche neige et ses sept burquas #Salafistmovies

@evildrako: Blanche Neige sy ny Burquas fito. #Salafistmovies

@_MohamedTarek_: My best friend's fourth wedding #SalafistMovies

Ny mariazy fahaefatry ny namako akaiky indrindra #SalafistMovies

@beleidy: My big fat segregated wedding #SalafistMovies

Manavakavaka mariazy ny taviko #SalafistMovies 

@CandaceHetchler: Haram and the City #SalafistMovies

Haram sy ny tanàna #SalafistMovies

@LocoRibelle: The BLast Samurai … #SalafistMovies

Ilay Samurai nipoaka … #SalafistMovies

@Kemety: #SalafistMovies : Liberals at the gates

#SalafistMovies : Eo ambavahady ny Liberaly

@sheeriif3amr : My top #SalafistMovies: The Longest Beard. Fasting and Furious. Hairy Potter. How I met your mother(s). Dude, where's the qiblah. Hahahhahah

Ny #SalafistMovies tsara indrindra ho ahy: Ny volombava lava indrindra. Mifady hanina sy romotra. Vilany voloina. Ahoana no nihaonako tamin'i(reo) reninareo. Doda a, aiza no izorana? hahaha

Saingy, etsy ankilany, misy ireo tsy tia ny tenifototra.

@Omnia_ElMashad: Dear Egyptians, you're not supposed to support Salafist Movies, that's sad. Sincerely, shame on you.

Ry Ejipsiana malala, tsy heverina hanohana ny sarimihetsika Salafista ianareo, mampalahelo izany. Tsoriko, ho tonga amireo ny henatra.

@shafzibit: For an insight in to how Muslim humour is just as stagnant as Muslim science, economic development etc, follow #SalafistMovies

Ho fanazavana hoe tsy mihetsika sahala amin'ny fahalalàna miozolomana, fampandrosoana ara-toekarena sns ny hatsikana miozolomana, dia araho ny #SalafistMovies

@Nada_Ismail: Is it my dull mood or is the Salafist Movies hashtag actually not funny?

Izaho ve no sorisorena sa ny tenifototra sarimihetsika salafista no tsy mampihomehy e?

Farany, mampihomehy sa marina sa fomba fijery iraisan'ny mpiray monina ihany ireo siokantsera ireo? Azo ampiharina amin'ny sarimihetsika sy ny fifampitam-baovaon'ny fiaraha-monina ihany koa izay nosoratan'i Lily Gataullina eto amin'ny Media.

Mass media became on of the main sources of popular culture in modern capitalist society. Media, however, not only entertains and offers news to people, but also transfers the stereotypes, beliefs and values of the society to reproduce the existing order of social life.

Ny Media no iray amin'ny loharanon-kolontsaim-bahoaka any amin'ny fiaraha-monina kapitalista. Tsy hoe manala voly sy manome vaovao ihany ny Media fa mamindra fomba fijery, finoana ary soatoavina ihany koa ho an'ny fiarahamonina hamokatra indray ny ambaratongam-piarahamonina efa misy.

Avy eo nampiany fa ny zava-dehibe indrindra dia tsy ny hamotika ny fomba fijery iraisan'ny fiarahamonina fa ny fahafahana mamantatra azy ireny.

I am not quite sure how to combat the usage of stereotypes in media. Once we get rid of one stereotype another will take its place. I think, however, it is very important that people are able to recognize the stereotypes.

Tsy haiko loatra ny fomba iadiana amin'ny fomba fijery hita any amin'ny media. Raha tafalantsika ny fomba fijery iray dia misy hafa mandray ny toeran'iny. Mieritreritra anefa aho fa zava-dehibe tokoa ho an'ny olon ny mamantatra ny fomba fijery mahazatra ny olona.  

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.