Ampahany amin'ny vaovao manokana mikasika ny Krizin'i Eoropa ity lahatsoratra ity.
Andro vitsy monja taorian'ny fanenjehana mahery vaika ireo mpianatra tao amin'ny ambaratonga faharoa tao amin'ny sekoly Luis Vives tao Valencia izany nataon'ny mpitandro ny filaminana, dia mbola lasibatry ny daroka ihany ny mpianatra, natositosika ary niharan'ny herisetra avy amin'ny mpitandro ny filaminana tao anatin'ny hetsi-panoherana am-pilaminana nataon'izy ireo. Ny tena marina dia naneho fanoherana ny herisetra ataon'ny mpitandro ny filaminana izy ireo. Tamin'ity indray mitoraka ity, dia nanomboka ny folakandro ny fanenjehana izay nampiasàna hery tsy hay noeritreretina.
Ny lehiben'ny mpitandro ny filaminana tao Valencia mihitsy no nandray ireo mpanohitra ho toy ny “fahavalo“, na dia tanora manomboka amin'ny 12 ka hatramin'ny 17 taona avokoa aza izy ireo , ary samy mpianatra avy amin'ny ambaratonga faharoa.
Haingana be ny fanehian-kevitry ny hetsika sosialy #15M nanamelohana ny fanenjehana ireo zaza tsy ampy taona ireo ary mangataka ny hisian'ny fanadihadiana ary ho an'ireo mpanao politika sy ny lehiben'ny mpitandro ny filaminana mba hampitsaharana avy hatrany ny fanenjehana ireo zaza tsy ampy taona ireo sy ny ireo mpandray anjara amin'ireo famoriam-bahoaka am-pilaminana.