Global Voices Podcast: Mahatsiaro Ireo Androntsika Tany An-tsekoly

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Arahabaina ny Tontolo!

Tongasoa ato amin'ny podcast an'ny  Global Voices. Ato anatin'ity famoahana ity isika dia handeha ho any an-tsekoly. Miainga amin'ny fanabeazana henjana be any amin'ny Reniranon'i Niger, hatrany amin'ny fihainoana ny marina avy amin'ireo namana tanora indrindra, ary ny fisaintsainana ny sasany amin'ireo fotoana mamy sy tsy hay hadinoina indrindra tamin'ny fotoana nandratoan'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices fanabeazana.

Araka izany, toy inona izany andro tany an-tsekoly ho an'ny olona eto amin'ny Global Voices ?

Fahatsiarovana mivaivay

Paula GoesPaula Goes avy any Brezila dia mpamoaka lahatsoratra aminà tenim-pirenena maro ato aminay. Ity ny iray amin'ireo fahatsiarovany mahatsikaiky indrindra tany an-tsekoly fiofanana ho mpanao gazety, izay nandrosoana “glow in the dark”  salady  ovy misy maionezy  tao anaty fety nitafiana ny endrik'ireo mahery fo, niteraka fihazakazahana sy fanaovana tongotra an-katoka nataon'ireo mpianatra nankany amin'ny toeram-pitsaboana, ka nampivalaketraky ny hehy ireo mpitsabo sy ny mpandalo.

Mbola velon'aina sy ripaky ny hehy tamin'ilay tantara ny tsirairay, taona maro  taty aoriana.

Mampianatra aterineto eny ambony sambokely

Ao anatin'ity andiany ity isika dia mahita fitantarana mahazendana mikasika ny fampianarana, ny sambokely ary ny renirano.

Eddie Avila, talen'ny Rising Voices miresaka amin'i Boukary Konaté ao Mali mikasika ny Tetikasa Vohitr'i Segouizay nitondra ny aterineto ho amin'ireo vohitra manamorona ny Reniranon'i Niger tamin'ny alalan'ny sambokely. Ato raha hamaky betsaka mikasika ny dia izay nitondràna ny aterineto ho an'ireo mponina 800 tao am-bohitra ary hahita ireo saipika nalain'i Boukary nozaraina ao amin'ny Flickr.

Mpampianatra iray tsaroana lalandava

Veroniki KrikoniIreo fahatsiarovana ny andro fahiny tany an-tsekoly dia mety hifamatotra akaiky aminà namana na fahavalo saingy koa mety hifandray aminà toerana na fampianaran'ny mpampianatra. Ny sasany miteny fa samy tavela ao an-dohanao daholo na ny mpampianatra ratsy indrindra, na ny mpampianatra mendrika indrindra, taona maro aty aorian'ny nandaozanao ny sekoly. Veroniki Krikoni ao Gresy dia mizara fanomezam-boninahitra fotoana iray, toerana ary mpampianatra iray.

Kianja filalaovana politika

Cyrus FarivarIrony fotoana nianarana nandritra ny fahazazantsika dia manampy koa amin'ny fanefena ny isika ankehitriny. i Cyrus Farivar dia mpanao gazety, mpamokatra sady mpanoratra. Izy dia mamariparitra ny tosiky ny vanim-potoana iray  izay teny ankianja fakàn-drivotra izay isan'ny tena nametraka azy tanaty zava-tsarotra tsy mbola niainany mihitsy tany an-tsekoly…..taorian'ny nanaikerany ny namany iray

Juliana RinconNahatsiaro ihany koa ny fotoana niainany teny an-tokotanin-tsekoly, i Juliana Rincón Parra avy ao Kolombia no manoritsoritra ny fomba niatrehany ny politikan'ny faritra feno vanja milevin'ny maha-lahy na vavy, mba hilalaovany ny lalao tsotran'ny  “trano” miaraka amin'ireo namany. [Avy amin'ny mpandika: tena mba tsy haiko ity lalao lazaina eto ity]

Ny fomba nahaizan'i Ethan nitendry haingana be

Ethan ZuckermanAmin'ny fotoana iray ny sekoly dia toerana ahatakaranao ny ho lalan-kizoranao any aoriana, eo amin'ny fiainana. Saingy tsy mora mandrakariva anefa ny fandehanana any.

Zazalahy kely iray antsoina hoe Ethan Zuckerman, izay nitombo mba ho lasa mpiara-manorina ny Global Voices, no mitantara ny ady natrehany tamin'ny fanoratana amin'ny tanana tany amin'ny kilasy faha-4 izay efa saiky nahavery fanantenana azy… mandra-pianany nitendry. Haingana be!

Mijoro miatrika filam-baniny

Ny fandalovana fotoan-tsarotra tany an-tsekoly miaraka amin'ireo mpanabe dia mety hitarika aminà vahaolana am-pahendrena toy ny nanaporofoan'ny tantaran'i Ethan azy. Saingy indrisy, ny sasany amintsika dia nitombo tanaty tontolo zara raha nisy namana saingy maro fahavalo. Ny filam-baniny any an-tsekoly dia olana iraisam-pirenena ary tsy mora ny fahitana vahaolana tena izy amin'io.

Ny olona iray nizaka ny tàna-maherin'ny filam-baniny dia i  Vuk. Bilaogera vao 12 taona monja ary zanak'i Danica Radisic ao Serbia. Miara-manazava ny zava-mitranga izy ireo ary izany atao hoe sekoly izany ao anatin'io karazana tsindry io. Raha miatrika filam-baniny ianao, aza mihevitra ny hamakivaky izany samirery ary mitadiava olona azo ifampiresahana, hoy izy.

Mianatra any ivelany

Francois-Xavier Ada-AffanaFrancois-Xavier Ada-Affana dia sady mpanoratra no mpandika teny ary milazalaza ny momba azy ao anatin'ny bilaoginy ho toy ny “Kamerone iray manjakely nikaroka ny làlany teo anatin'ny tontolo.

Tantarainy amintsika ny fomba nahatonga ny fianarana ny fifandraisana iraisam-pirenena tany Cypre, Gresy ho nanampy azy handranitra ny fomba fijeriny ny tantara sy ny fanabeazana, hanokatra ny saina amam-panahiny ho aminà kolontsaina sy vahoaka vaovao.

Ny dia lavitr'ezaka hamonjena sekoly

Victor KaongaNy tantarantsika farany dia fitetezana iray. fitetezana miverina any amin'ny lasa, ary ny làlana 3 kiloametatra nodiavin'i  Victor Kaonga isan'andro rehefa hamonjy sekoly tao Malawi fony izy vao zazalahikley 8 taona,  mazàna no anaty orana ary ravin'akondro no atao solon'ny elo. Ankehitriny, i Victor dia mpanao gazty aminà fampielezampeo. Eny am-pamiliana fiara mandeha amin'ny làlana nahazatra azy fahiny nankany an-tsekoliny, dia hoy izy, “Tsy miova ny elanelana, fa fotsiny sahala amin'ny hoe fohifohy kokoa izy ankehitriny.”

Isaorana ianao nihaino

Izay aloha no masaka azonay naroso tamin'ity famoahana ity. Ny sekoly sy ny tantaran'ny fabeazana dia fampahatsiahivana ireo zavatra itoviantsika , tsy ijerena izay misy antsika eto amin'izao tontolo izao. Ny zavatra mampiray antsika rehetra dia irony taona maro tsy nananantsika rehetra traikefa. Ankehitriny isika dia afaka manao jery todika sy manontany tena amin'izay niafarantsika aty aoriana

Fisaorana mitafotafo ho an'ireo mpandray anjara rehetra izay nitondra antsika tany amin'ny fiainan-dry zareo fahiny tany, ka hatramin'ireo nifampizara ny endriky ny fanabeazana amin'izao fotoana. Heveriko fa mba naharay lesona daholo isika rehetra!

Nampindrana ny Mozika

Mandre mozika mahafinaritra maro mampiasa ny Creative Commons ianareo ao anatin'ireo podcasts. Isaorana i  Mark Cotton tamin'ny asa famoronany ary isaorana koa ireo rehetra nanolotra feo milanto natao lafika sy ire lahatsary izay manampy amin'ny fanambàrana ireo podcasts ho iray. Ny Global Voices Podcast, miteny izao tontolo izao, antenainay famihaino ianareo!

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.