Nanao fitsidihana sekoly ambanivohitra vitsivitsy tamin'ny alalan'ny sambo nentin-drazana Maliana i Boukary Konaté, ao anatin'ny fikambanan'ny Global Voices ao Mali, vao tsy ela akory izay noho ny tetikasam-pampianarana aterineto tontosainy. Io dia io no nahafahany manavatsava sy nakany sary ny karazan-javatra maro hita ao amin'ny fireneny manaraka iny reniranon'i Niger mirefy 4184 km iny.
Ny reniranon'i Niger no fahatelo lava indrindra eto Afrika, manaraka ny reniranon'i Neily sy Congo. Ny loharanony dia any amin'ny faritra avo ao atsimo atsinanan'i Guinea ao. Miakatra manaraka an'i Mali, Niger ny làlany ary avy eo mandalo ao Nigeria, hatrao amin'ny vinanihefaka ao Niger miafara ao amin'ny ranomasimben'i Atlantika.
Indreto sarin'i Niger vitsivitsy nalain'i Boukary Konaté sy ny ekipany, nahazoana alalana ny famoahana izany sary izany. Sary maro hafa kosa no mbola azo jerana ao amin'ny andian-tsary Segou Connection napetraka ao amin'ny kaonty Flickr an'i Briconcella.