Teny: Andro Iraisam-pirenena Ho an'ny Tenin-drazana any Mali

Tahakan'ireo faritra maro eran-tany, nankalàza ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny izay tanterahana isan-taona ny 21 Febroary i Mali tany Bamako. Nampivondrona ireo mpampianatra, mpianatra sy ireo hafa liana amin'ny fanandràtana ny fampiasàna 1ireo tenin-dreny 13 manerana an'i Mali io hetsika nokarakarain'ny Minisiteran'ny Fampianarana io. Raha nifantoka tamin'ny famokarana fitaovana fianarana natao printy sy boky amin'ireo teny ireo ny fotokevitra tamin'ity taona ity, mbola misy fahalinana mafy miptoetra amin'ny fomba hahafahàn'ny teknolojia manana anjara asa anatin'ny famelomana indray ireo teny ireo.

Andro Iraisam-pirenena Ho an'ny Tenin-dreny tany Bamako, Mali

Boukary Konaté, mpitoraka bilaogy iray izay manoratra sy mitoraka bitsika (@fasokan) amin'ny teny Frantsay, Anglisy, sy ny tenin-drazany Bambara, niresaka momba ireo hetsika nandritra io andro io sy ny fanantenany amin'ny anjara asan'ny teknolojia anatin'ny fanandràtana ny fampiasàna ireo teny ireo ao amin'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.