Timor Atsinanana: Saka, Rakakabe Anaty Lahatsary Mahatsikaiky Mialoha nny Fifidianana

Ny fifidianana izay ho filoham-pirenena any Timor Atsinanana dia nomanina ho amin'ny 17 Martsa 2012, ary ny vanim-potoana fampielezan-kevitra ho an'ny fifidianana [tet] dia heverina hanomboka amin'ny herinandro ambony, ny 29  Febroary. Mandritra izany, mpirotsaka vitsivitsy no mampiasa  ny tambajotra sosialy ho fanentanana, ary ireo vahoaka Timorezy dia mifanakalo hevitra any anaty Facebook sy bilaogy any momba ny dingana demaokratika sy ny hoavin'ity firenena vao eo amin'ny fahafolon'ny taonany ity.

Iray amin'ny fomba fampiasany manokana ny media sosialy amin'ny fialohavan-dàlana ny fifidianana, na izany aza, no tsy dia matotra loatra – i Slogheinn ao amin'ny Youtube, dia nampakatra andianà lahatsary mahatsikaiky izay mananihany ny efatra amin'ireo mpirotsaka ho filoha isan'ny be mpahalala indrindra.

Toy izany ny tranga Francisco Guteres Lu-Olo, Filohan'ilay antoko mpanohitra manana ny tantarany Mandatehezana Revolisionera Ho an'ny Fahaleovantenan'i Timor Atsinanana (FRETILIN), izay nandroso ny firotsahany ho fidiana miaraka aminà isa avo dia avon'ireo mpanohana manao sonia, 22.590.  Rehefa jerena ilay lahatsary, ny fihetsiketsehan'ny “Akama  Lu Olo”, sahala amin'ny sahiran-tsaina amin'ny maha eo ambany ” alok'i ” Mari Alkatiri azy, ilay Sekretara-Jeneralin'ny Fretilin. Lu Olo dia mikonetaka mba ho afaka mirotsaka indray hofidiana ho filoha, taorian'ny nitantanany  ny Antenimieran-Doholona teo amin'y firenena nanomboka ny 2002 hatramin'ny 2007, ary resy tamin'ny fihodinana faharoa raha nirotsaka tamin'ny hazahazaka ho filoham-pirenena tamin'ny fifidianana ho filoha ny taona 2007 :

http://youtu.be/DP6olsA3tp0

Problema nia Alkatiri obriga mak husu ha'u ba deit ona.
Ha'u baruk sai tiha prezidenti hotu, Alkatiri mak manda nafatin ha'u hanesan uluk quandu ha'u sai prezidente Parlamento.
Ha'u hatene katak ambisaun sem capacidade ne'e crime, mais se chefe obriga ne'e ha'u tenki ba deit mesmo que laiha qualidade.
Ha'u la hatene tamba hira mak Alkatiri tenki uza ha'u conforme nia hakarak…
Dala ruma ha'u tenki marca diferensa husi nia (…)

Ny olana dia i  Alkatiri no nanosika ahy [hanao izany], nangataka ahy hiroso, teboka famaranana.
Leo ny maha-filoha aho, i Alkatiri foana no mibaiko ahy, sahala amin'ny hoe mbola filohan'ny Parlemanta iny foana aho.
Fantatro fa ny hetaheta tsy arahana fahaiza-manao dia heloka, saingy rehefa miteny amiko ny lehibe hoe ataovy itsy, dia tsy misy azoko atao afa-tsy ny manatanteraka, eny fa na dia tsy misy kalitao aza amin'izany.
Tsy fantatro ny antony ampiasàn'i Alkatiri ahy amin'izay tiany hatao…
Indraindray aho tsy maintsy mijoro mba hiavahana aminy (…)

Ny Filohan'i Timor Atsinanana ankehitriny, José Ramos Horta, izay raha araka ny nambaran'ny  Centru Jornalista Investigativu Timor Leste (CJITL) dia tohanan'ny mpanohana 7.977 ny firotsahany hofidiana (na dia milaza aza ny tranonkalany fa nahazo fanangonan-tsonia eo amin'ny 116.300 eo izy), dia saka kely iray no misolo tena azy ao anatin'ilay lahatsary ampahatsiahivany ny fikasana handatsak'aina azy tamin'ny  2008  :

http://youtu.be/VkVx6S0L48k

Ha'u hakarak recandidata ba Prezidenti da Republica, mais ha'u tenki ba consulta lai ho amu bispo nain rua, papa nain tolu ho kuku nain ha'at para hare se sira apoiu ha'u ka la'e.
Se la'e ha'u ba koko tok iha ONU. Se ema lakoi hili ha'u, ha'u fila lalais mai Timor […] ha'u nia povu sei presiza ha'u.
Imi hakarak hatene uluk ema tiru ha'u ne'e ha'u ba tiha ona lalehan. Jesus dehan ha'u atu troka orasaun Pedro sai porteiro iha neba mais malai mos diak, maibé ha'u dehan labele. Ha'u tenki fila ba Timor (…)

Te-hiverina hirotsaka hofidiana ho filohan'ny repoblika aho, saingy tsy maintsy mandeha ka manontany eveka telo aloha, papa raimasina telo ary vorondolo efatra hijereko raha toa ry zareo ka hanohana ahy na tsia.
Raha tsia, dia handeha indray hanontany ny Firenena Mikambana. Raha tsy misy mihitsy moa olona tonga mba haka ahy, dia hiverina haingana ho aty Timor aho […] mbola mila ahy ny vahoakako.
Raha te-hahafantatra ianao, fahiny dia nisy olona nitifitra ahy ary dia niakatra tany an-danitra aho. Tany dia niteny tamiko Jesosy fa hoe tokony hisolo an'i Petera aho, ho mpambina ny vavahady any, saingy na dia tsara fanahy aza ilay vahiny dia hoy aho hoe tsy vitako izany. Ary dia tsy maintsy niverina taty Timor aho (…)

Fernando de Araújo, fantatra ihany koa amin'ny hoe Lasama, ny filohan'ny Antenimieran-Doholona ankehitriny, dia manohana ny firotsahany hofidiana miaraka aminà sonia 8.314.  Ao anatin'ny tokim-pifidianana hadrohadrony, izy dia sahala amin'ny mitady hampidina ny vidin'ny “paty ho 5 cents ary ny divay ho 1 dollar, hatramin'ny fanokafana casino iray goavambe hilalaovana karatra”. Araka izay asehon'ny kisariny, “henoy aho! mba te-ho filohan'ny repoblika koa aho!” :

http://youtu.be/-Z1FwtA988g

Ny Jeneraly Ambony ao amin'ny Tafika Mitam-piadiana ao Timor Atsinanana, fantatra amin'ny hoe Taur Matan Ruak (Tetum ho an'ny “Maso Roa Mivontirika”), izay ny firotsahany hofidiana dia tohanan'ny mpanohana 10.000, ” dia nanararaotra ny fotoana mba hanazavàna amin'ireo mpifidy ny antony nisafidianany ny ho voalohany amin'ny fanombohana ny fampielezan-kevitra”, ho fialohavana ny datin'androm-pifidianana efa voapetraka :

http://youtu.be/TOR2720Je7Y

Na dia ny Praiminisitra sy ny Filohan'ny Repoblika teo aloha aza, “Maun Bot” (big brother) Xanana Gusmão, dia nanana ny kisariny manokana hiantsoana ireo  “vahoaka malala ao Timor Lorosae mba hiomana hankalaza ny fetin'ny demaokrasia”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.