Syria: Hatairana Sy Tsi-Finoana Manoloana Ny Fahafatesana Mpanao Gazety

Tsy maintsy niahotra kely androany [omaly] ny mpisera mitatitra isan'andro amin'ny tambajotra an-tserasera ny fandripahan'olona any Syria alohan'ny itsorahana indray ao anatin'ny fampijaliana hafa manjò ny olombelona ao amin'ny manodidina an'i Baba Amr ao an-tanànan'i Homs tratran'ny fahirano.

Misiokantsera ny mpanao gazety ara-tetipanorona ao amin'ny NPR Atoa Andy Carvin, izay any Tripoli, Libya:

@acarvin: Mila misintaka kely aho mialoha ny itenenako zavatra mety hanenenako. Tsy afa-manatontosa izany aho izao. #homs #syria

Nampiany hoe:

@acarvin: Tsy manakana anay ho vavolombelona ny famonoana mpanangom-baovao sy olo-tsotra mampiasa fitaovan-tserasera. Tsy afa-manakana anay ianao. #syria #homs

Ary notohizany:

@acarvin: Manefy fahasahiana isan'andro ao anatiny izay tsy mbola vitako nandritra ny androm-piainako ireny mpanangom-baovao sy olo-tsotra mampiasa fitaovan-tserasera ireny. Ananan'izy ireny trosa mandrakizay aho. #syria #homs

Raha manaiky kosa i Iyad El Baghdadi fa:

@Iyad_elbaghdadi: Hiato kely aho aloha hitomany vetivety. Mandrapihaona.

Nafana ny resaka taorian'ny filazana ny fahafatesan'ny mpanao gazety Amerikana Marie Colvin, izay miasa ho an'ny gazety britanika Sunday Times sy ilay mpaka sary Frantsay Remi Ochlik. Araka ny nolazain'ny Reuters dia “nidaroka ny trano misy azy ny baomba ary nahavoa azy ireo ny balafomanga rehefa niezaka ny hitsoaka izy ireo.”

Mandritra izany fotoana izany, mitatitra ny mpiserasera eny an-kianja fa misy mpanangom-baovao fahatelo maratra ihany koa, raha nisy nanafika ny ivon-toerana ho an'ny mpanao gazety sy ny mpikatroka.

Ampangain'ny Tweets4peace ho ambadiky ny fanafihana ny fitondrana Syriana. Nanamarika ny mpisera Twitter:

@tweet4peace: Fantatray fa ny fitondrana no nanao an'io satria efa andro faha-19 izao no nandarohan-dry zareo tamin'ny alalan'io karazana balafomanga io.Androany ny ivon-toeran'ny mpanao gazety no nokendrena #homs

Niteraka firaisampo tao amin'ny Twitter ny vaovao, izay efa talanjona amin'ny fahanginan'izao tontolo izao manoloana ny fandripahana ireo Syriana manohitra ny fitondran'i Bashar Al Assad ary efa an'arivony ny namoy ny ainy tamin'izany.

Avy any Ejipta i Maha Abdoelenein no misioka:

@mahagaber: Hatairana sy tsi-finoana tanteraka. Maty novonoina androany tany Homs i Marie Colvin. Niasa niaraka taminy mavitrika tamin'ny zava-drehetra aho teto Ejipta

Nametraka i Diaa Hadid:

@diaahadid: Mandria am-piadanana Marie Colvin, Remi Ochlik, vitsy ny ho faty am-boninahitra tahaka izao, miteny amin'izao tontolo izao izay tadiavin'ny hafa afenina

Ary mampahatsiahy antsika Rania Zabaneh:

@RZabaneh: Lasa fandrika mahafaty ho an'ny mpanao gazety i #Syria. MANAFINTOHINA: mpanao gazety VALO nandritra ny taona 2012; EFATRA ny tany #Homs.

Mandritra izany fotoana izany dia mamehy ny mpitati-baovaon'ny CNN Arwa Damon:

@arwaCNN: RIP 2 our colleagues killed in #homs, the price we pay 2 shed light on atrocities, the price #syria pays everyday 4 freedom

Mandria am-piadanana ry mpiara-miasa maty novonoina tany #homs, saran'ny fampisehoantsika an-karihary ny fampijaliana, sara aloan'i #syria isan'nadro hahazoana fahafahana

Hajiantsary noraisina tamin'ny lahatsary YouTube an'ny CNN nanaovan'i Marie Colvin tafatafa, navoakan'ny mpisera finriswolf1.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.