Pakistan: Famahàna Ny Olana Balochistan

Ny vahaolana iray naroson'ilay ranamana mpikambana ao amin'ny kaongresy Amerikana, Dana Rohrabacher, momba ny Balochistan dia nampisavorovoro ny rivotra politika ao Pakistana. Ilay vahaolana dia milaza fa “ny vahoaka Baloch dia manana zo hanatratra samirery ny famahany ny olany ary misy fanitsakitsahana tafahoatra ny zon'olombelona amin'io sehatra io”.

 

Tonga avy any amin'ny governemanta sy ireo antoko mpanohitra  mpanohitra ao amin'ny Antenimieram-pirenena ny fanamelohana.

 

Rehman Malik (Minisitry ny Atitany ao Pakistana) mibitsika hoe :

@SenRehmanMalik: Ny Firenena Pakistana dia tohina tamin'ilay vahaolana naroson'ny mpikambana iray avy amin'ny Kongresy (sic) tao Balochistan. Tokony ho ny raharahany manokana any no jeren'ilay voalaza fa mpikambana amin'ny kongresy.

Mpikambana iray avy amin'ny antoko mpanohitra faran'izay lehibe indrindra ao Pakistana (PML-N), Khurrum Dastagir, miteny hoe :

@kdastgirkhan: #PMLN FIANDRIANANA> ny PMLN dia manameloka ny vahaolana naroson'ny Kaongresy Amerikana ho an'i Baluchistan > Mampitandrina ny Kaongresy amin'ny fijabajabahana amin'ny raharahan-tokantranon'i Pak.

Activists of Sindh Progressive Committee hold a protest against the killing of a Baloch Nationalist. Image by Rajput Yasir. Copyright Demotix (11/02/2012)

Ireo mafàna fo avy amin'ny Sindh Progressive Committee dia manao hetsika hanoherana ny namonoana hold Nasionalista Baloch iray. Sary avy amin'i Rajput Yasir. Fizakà-manana Demotix (11/02/2012)

Saingy tsy maharakotra ny rivotra politika manontolo ao amin'ny firenena ireny fanamarihana ireny. Mitaraina ireo nasionalista Baloch, mikasika ny fisomparana ny zon-dry zareo :

@FaizMBaluch: @SenRehmanMalik #Occupied ny firenena Baloch dia manana zo hamerina indray ny fahaleovantenany #Independence. Ny tafik'i #Pakistan dia tsy maintsy miala ao #Balochistan tsy misy hatak'andro.

Mampiteny ny maona ny fepetra misy ny fanabeazana any amin'ilay faritany. Loholona taloha tao Balochistan, Sanaullah Baloch, no miteny imasom-bahoaka ny tsy rariny atao amin'ny vahoaka ao Baloch. Balochistan izay manam-be amin'ny loharanon-karena no manana ny taha latsaka ambany indrindra eo amin'ny firenena. Zara raha misy ny sekoly ao amin'ilay faritra ary any ny fepetra dia tena faran'izay ratsy.

@Senator_Baloch: @akchishti Dia ahoana izany ry Pakistana —- Sekoly Aty Balochistan Manam-be amin'ny loharanon-karena

Ny satan'ny fampianarna ho an'ny vehivavy koa da tena mahonena : 90% amin'ireo ankizivavy Balochi any ambanivohitr'i Balochistan no tsy mandeha an-tsekoly. Any ivelan'ny renivohitr'i Quetta, ireo sampan-draharaham-panjakana dia tsy misy any amin'ny faritra voabodo ao Baloch. Ny fanotronan'ny vahiny eo amin'ny sehatry ny fanabezana dia tsy ampy noho ny lalàna tsy manjary sy toe-javatra hafa ao amin'ilay faritany.

Hijab Tradition In Balochistan. Image by Shahazad Khan. Copyright Demotix (24/03/2011)

Fomban-drazana fitondràna Hijab ao Balochistan. Sary avy amin'i Shahazad Khan. Fizakà-manana Demotix (24/03/2011)

Endrika hafan'ny olana ao Balochistan ny fakàna an-keriny tsy araka ny lalàna an'ireo nasionalista Baloch. Ireo antoko nasionalista Baloch miahiahy fa ireo sampam-pitsikilovana no ao an-damosin'ireny fakàna an-keriny ireny. Antontan'isa samihafa no azon'ny rehetra jerena mikasika ireo olona maro nalaina an-keriny. Muhammad Haneef manoratra hoe:

Misy maherin'ny 8.000 raha ny nasionalista Baloch no inoanao, anjatony raha araka ny lazain'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona, 1.100 araka ny ambaran'ny minisitry ny atitanintsika, Rehman Malik, ary tsy misy na iray aza araka ireo sampam-pitsikilovana.

Raha ny zava-misy dia tsy olana ny isa. Manana ny hasiny maha-olona azy ny olombelona tsirairay. Manana zo hiaina sy hivoatra izy. Ny Fanambaràn'ny Firenena Mikambana dia manome andianà zo fototra ho an'ny lahy sy ny vavy eto amin'izao tontolo izao.

Ny Balochi tsirairay izay nalaina an-keriny dia vao mainka hanaratsy kokoa ny zava-misy amin'izao fotoana izao. Ny vahoaka Baloch dia mangataka ny rariny. I.A Rehman, mafàna fo iray mpiaro zon'olombelona, dia miteny mahitsy :

Raha tokony ho fanonerana sy fahafaham-po no tokony homena ny Baloch efa marikivy, dia aleon'ireo manampahefana nisafidy ny hiresadresa-poana mikasika ny isan'ireo tsy hita popoka….

Ny governemanta izao dia  an-dalam-pikarakarana kaonferansa iarahan'ny antoko rehetra, na All Party Conference (APC) momba ny Baloch Conundrum. Ny vahoaka Pakistane dia nanana fisalasalàna ny amin'ny hoe hahitam-bokatra tsara avy amin'ity APC ity :

@Bixenjo: Ny tohin'ny APC farany momba ny #Balochistan dia niafara taminà fahafatesana maro tany am-ponja. Andriamanitra irery no mahalala izay ho vokatr'ity APC ity ho an'ny vahoaka Baloch.

@HarisMumtaz81: Ny APC momba ny #Balochistan no vazivazy ratsy goavana indrindra azon'ny governemanta atolotra ho an'ny vahoaka balochi. Mila asa atao ankitsim-po ity resaka ity, sy fifanakalozan-dresaka fa tsy fihestiketsehana politika fotsiny.

@ajmaljami: @zaarasikandar Izay indrindra! ny #PM dia nanome toky hampanao #APC momba ny #Balochistan saingy nijanona ho antso ihany izany. Azo ambara ho tsy niys na inona na inona nitranga aloha hatreto.Mampalahelo izany

@AfrasyabKhan: ny #PTI dia tokony hanao ankivy an'ilay  #APC momba ny #Balochistan . Indray mandeha aho no voafitakareo, henatra ho anareo; raha indroa aho no voafitakareo, henatra ho  ahy.  #Pakistan @ImranKhanPTIPK.

Tsy hahitam-bokatra ny fifanakalozan-dresaka raha tsy mandray anjara ireo Baloch lohandohan'ny mpisorona manana ny toerany. Indrisy, ny sasany amin'ireo Baloch mpitarika dia nandà tsy handray anjara amin'ty APC ity :

@sardarzadaimran: ireo #Baloch lohandohan'ny mpisorona nanao sesitany ny tenany, Sardar Akthar & Hairbyar Marri dia nandà tsy handray anjara amin'ilay kaonferansa iraisan'ny antoko rehetra momba ny  #Balochistan#APC #Pakistan

Mino ny vahoaka fa tsy hahavita hampiray ela ny firenena iray ny tahotra.  Pakistan tkony haka lesona avy amin'ny tantarany, indrindra indrindra fa avy amin'ny ampahany momba ny fananganana an'i Bangladesh. i Zara Sikandar sy Naeem Shamim dia mibitsika momba izany indrindra :

@zaarasikandar:@ajmaljami Nanao toy izany isika tany Atsinanan'i Pakistan, tahaka izay ataontsika ho an'ny #Balochistan .. tena tsy araka izay maha-olona ! 1971 VS 2012 ?

@naeemshamim: tsy nafoin'i #Pakistan akory i  #Balochistan , ny fon'ireo vahoaka #Baloch  mahantra no veriny ! Faritany no azo aminà fitaovam-piadiana fa tsy ny Fo mihitsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.