Tontolo Arabo: Mandria am-piadanana Whitney Houston

Niara ory tamin'izao tontolo izao ny Arabo tamin'ny fahafatesan'ilay mpanankato tsara feo Whitney Houston, izay hita faty tao amin'ny trano fandraisam-bahiny nipetrahany tao Beverly Hilton Hotel, 48 taona izy izao namoy ny ainy izao. Nifandimby ny alahelo sy ny dona tamin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny valantserasera, tao ireo nanontany ny antony nahatonga izany vaovao mampalahelo izany ho nalaza tampoka tao anatin'ny ora vitsy, tsy tahaka ny tamin'ny fahatesan'olona an'arivony tao Syria tao anatin'ny 11 volana lasa.

Tao Dubai, Emirat Arabo Mitambatra, Official Herv ao amin'ny YouTube, nizara ity lahatsary ity izay mampiseho ny rindran-dranon'i Dubai nampiarahana tamin'ny hiran'i Houston: I Will Always Love You! Hatramin'ny nandefasana ny lahatsary omaly [tamin'ny namoahana ny lahatsoratra], nahatratra 115.600 ny olona nijery izany
http://www.youtube.com/watch?v=xBquqHc_WHo

Tao amin'ny Twitter indray, Ejypsiana Marwa G H nanao fampitahana ny fomba fandraisan'ny olona ny vaovao tamin'ny andavanandrom-piainana isiana famonoan'olona miseho ao Syria. Ni-tweet izy hoe:

@Marwa_G_H: malahelo ny olona rehetra & mandefa ny fahafatesan'i Whitney?! olona 100 isan'andro eo no mamoy ny ainy ao #Syria – tsy mba mampalahelo ny olona izany. Angamba tokony hihira ve izy ireo?

Misha Zand, monina ao Cairo, namaly hoe:

@MishaZand: Misaotra! ny an'i WH dia famonoan-tena efa nandrasana ho avy nandritra ny taom-polo roa! Ny hafa kosa anefa mitolona mba ho velona. #syria

Singer Whitney Houston performing on Good Morning America, 2009. Image by Flickr user asterix611 (CC BY-SA 2.0).

Mpanankato Whitney Houston nihira ny Good Morning America, tamin'ny taona 2009. Sary avy amin'ny mpisera Flickr asterix611 (CC BY-SA 2.0).

Nanontany i Fadi Al Qadi:

@fqadi: na tsy manome vaovao araka ny tokony ho izy amin'izao tontolo izao isika, na tsy te handray vaovao tsotra izao fotsiny ny olona:  RIP an-tapitrasany ho an'i Whitney Houston, vitsy kosa ho an'ny olona 1000  namoy ny ainy tao #Syria

Syriana Amal Hanano nandray izany tamin'ny fomba hafa, nizara rohy misy ny hiran'i Houston:

@AmalHanano: “Tsy mampaninona izay fandraisan'izy ireo ahy, tsy afaka hanaisotra ny fahamendrehako izy ireo.” #Homs #Syria #favoritewhitneysong

Raha nanontany i Dalia Ezzat:

@DaliaEzzat_: Inona moa ny mety hosainin'ny ato amin'ny twitter? Sitrapony manokana raha te-hitweet momba an'i Syria, Gresy izy na momba an'i Whitney Houston.

Farany, diplomaty Qatari Nasser H Al Khalifa mampahatsiahy antsika:

@NasserIbnHamad: Namoy ny ainy i Whitney Houston ary niaraka taminy ny tsiaron'ny indray mihira amiko. Manam-peo tsy manampaharoa izy ary fahatsiarovana lalina no mety ho tsapanao rehefa mihaino ny feony.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.