Maraoka: Voasazy Noho Ny Famoahana Sariitatry Ny Mpanjaka Tao Amin'ny Facebook

Tamin'ny 7 Febroary 2012, niatrika fitsarana tao Rabat, renivohitr'i Maraoka,  i Walid Bahoman. Voampanga ho “nanala baraka ny hasin'i Maraoka”  ity lehilahy 18-taona ity tamin'ny alalan'ny fandefasana sary sy lahatsary manevateva ny mpanjaka Maraokana Mohammed IV tao amin'ny Facebook.

Tsy vao voalohany no nisy mpiserasera Maraokana niatrika fitsarana noho ny fiampangana toy izao. Tamin'ny 2008, Fouad Mourtada, tanora injeniera, no voasazy telo taona an-tranomaizina noho ny fisolokiana ny anaran'ny rahalahin'ny mpanjaka tao amin'ny Facebook. Nanery ny manampahefana hamoaka an'Andriamatoa Mooutarda ny antsoantso iraisampirenena sy ny hetsika ho amin'ny fanohanana azy  iray volana taoriana ny nampidirana azy am-ponja.

Sambany hatramin'ny nanavaozana ny Lalàmpanorenana nanafoana ny toetra “masina” ny fitondram-panjaka (ara-pisainana) tamin'ny fahavaratra farany teo izao fisamborana an'i Walid Bahomane izao. Mbola anisan'ny hajaina fatratra ny mpanjaka ao amin'ny firenena.

Niparitaka tamin'ny aterineto ny kopian'ilay taratasy misy ny fanadihadiana nataon'ny polisy mikasika an'i Mr Bahomane,  fanambarana voalohany hita ao: araka ny antonta-taratasy, zavatra roa tratran'ny polisy: “pejy Facebook anankiroa ahitana teny sy sary manaraby ny hasina sy solosaina IBM iray.​​”

 

Taratasy misy ny fanadihadiana nataon'ny polisy mikasika ny fiampangana an'Andriamatoa Walid Bahomane izay hita tao amin'ny Facebook.

Na dia teo aza ny  fitakiana ny fanafahana azy, nanapa-kevitra ny handefa azy any amin'ny fonjan'ny zaza maditra ao an-drenivohitra ihany ny fitsarana  mandra-piandry ny fitsarana azy. Naneho hevitra momba ny fisamborana an'i Bahomane ny mpiserasera tamin'ny alalan'ny famoronana vondrona mpanohana ao amin'ny Facebook antsoina hoe “Mohammed VI, ny fahafahanay no masina indrindra noho ianao!”, nasaina avokoa ny mpikambana rehetra hamoaka sy hizara ny sariitatra momba ny mpanjaka.

Cartoon representing King Mohammed VI posted on Facebook

Sariitatra mampiseho ny mpanjaka Mohammed VI nalefa tamin'ny Facebook

Toy izao ny vakin'ny sasinteny nosoratan'ny vondrona:

هذه مجموعة تضامنية مع الشاب وليد بحمان، 18 سنة، معتقل بسجن الأحداث بسلا بتهمة إهانة قداسة محمد السادس على الفيسبوك. فلنثبت لمحمد السادس أن حريتنا أقدس منه
Vondrona firaisankina manohana ilay tanora Walid Bahoman, 18 taona, notazonina ao any amin'ny fonjan'ny zaza maditra ao Salé noho ny fanarabiany ny mpanjaka hajaina  Mohammed VI tao amin'ny Facebook ity vondrona ity. Andeha hoporofointsika amin'i Mohammed VI fa ny fahalalahantsika no masina indrindra fa tsy izy.

Zineb El Ghazoui, mpiara-manorina ny vondrona, nanoratra tao amin'ny bilaoginy:

[cette arrestation bat] en brèche la propagande de l'Etat marocain autour du changement et des prétendues avancées démocratiques.

Mifanipaka tanteraka amin'ny fanentanana ataon'ny fanjakana Maraokana mikasika ny fanovana sy ny fandrosoana lazaina fa demokratika ity fisamborana ity.

Tao amin'ny Twitter, nanaraka ny sasany na dia nisy tahotra kely ihany aza. Mozika Arabo ni-tweet hoe:

@MusiqueArabe Opération soutien à Walid Bahomane – publions tous sur nos profils la caricature de notre choix.

@MusiqueArabe  Hetsika fanohanana an'i Walid Bahomane – mandefasa sariitatra izay tiantsika ao amin'ny pejy Facebook-ntsika.

Na dia teo aza ny fanovana làlam-panorenana vao haingana tao Maraoka, hita fa tsy vonona handefitra amin'ny tsy fanajana ny faritra menany ny fitondrana ao Maraoka. Tamin'ny volana Jolay 2011, andro vitsy taorian'ny fandaniana ny Làlampanorenana vaovao, gazety frantsay, Le Courrier International, no tratran'ny sivana tao Maraoka satria nahitana sariitatra manimbazimba ny mpanjaka.

Matetika dia nizaka hatrany ny vinitry ny fitondrana ny gazety tsy miankina rehefa mba sahy mitsikera ny fitondram-panjaka. Hany ka ny Aterineto sisa ankehitriny no sehatra iray mbola ahafahan'ny ankamaroan'ny Maraokana mampihatra ny zony haneho hevitra an-kahalalahana.

Mpiserasera Maraokana sasany no hita fa mahafantatra ny tokony ataony, nalaina avy amin'ny lohataona Arabo, hita fa vonona ny hanamafy ny fiarahana sy hampiseho ny firaisankinany izy ireo miaraka amin'i Bahomane.

Araka izany, ho sarotra kokoa ho an'ny fitondrana ny fampiharana ny sivana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.