Korea Atsimo: Nofoanan'ny Lalàna Miaro ny Fandriampahalemana Nasionaly ny Adihevitra Momba an'i Korea Avaratra

Koreana Tatsimo iray mpampiasa Twitter, Park Jeong-Geun no any am-ponja nanomboka tamin'ny 11 Janoary  2012 noho ny famerenana mamoaka ny hafatra tahaka ny hoe “Ho ela velona anie Jeneraly Kim Jong-Il” tao amin'ny Twitter. Araka ny lalàna momba ny Fandriampahalemana Nasionaly (NSL), mety hahatratra fito taona am-ponja ny sazin'i Park.

Sarin'i Park ao amin'ny Twitter.

Nitaky ny famotsorana an'i Park ny Amnesty International , ny 2 Febroary 2012. “Tsy resaka fandriampahalemana nasionaly ity, fa resaka tsy fahatakaran'ny fanjakana Koreana Tatsimo ny esoeso,” hoy Sam Zarifi, talen'ny Amnesty International any Azia sy ranomasim-be Pasifika, tao amin'ny fanambaràna nataony.

Mampiady hevitra be ny fisamborana an'i Park noho izy sy ny antoko politikany (Antoko Sosialista) nitsikera be an'i Korea Avaratra. Nefa tsy voalohany ny fanamelohana amin'ny tsisy dikany tahaka izao. Roa volana lasa izay tamin'ny Desambra 2011, mpampiasa aterineto iray hafa, Kim Seung-kyu no nenjehana noho ny famerenany mamoaka ireo lahatsoratra, hira ary vaovao hafa azony momba an'i Korea Avaratra tao amin'ny bilaoginy, ary nilaza izy fa ny NSL dia ezaky ny governemanta hanao izay hahaleo ny vahoaka. Azon'ny rehetra jerena ireo zavatra navoakany, any amin'ny haino aman-jery tandrefana.

Nampiharina ny NSL any Korea Atsimo, 60 taona lasa izay, tamin'ny 1948 mba hiarovana ny firenena tamin'ny fahavalony an'ady, Korea Avaratra. Manenjika ireo izay “midoka, manaparitaka na miara-miasa amin'ny vondrona manohitra ny fitondràna” raha mametraka olana ho an'ny demokrasia sy ny fandriampahalemana nasionaly izany.

Tany aloha tany ny NSL dia nampiasaina mba hanadihadiana momba ireo mafàna fo miandàny amin'ny havia. Tamin'ny 2005-2009, tranga teo amin'ny  58 isan-taona teo no hita. Na izany aza, “hatramin'ny naha-mpitondra an'i Lee Myung-bak tamin'ny 2008, naverin'ny fitondràna Koreana nampiharina indray izany lalàna izany mba hanadihadiana, tsy ireo mafàna fo mpiandany amin'ny havia ihany fa ireo olon-tsotra miresaka momba an'i Korea Avaratra ao amin'ny aterineto ihany koa”, hoy Yoon Ji-Hye, Vovonana Koreana ho an'ny Hetsika “progressiste” tamin'ny NPR tamin'ny Desambra 2011. Nahatratra 91 ny fanadihadiana tamin'ny 2010 ary hatramin'ny volana Aogositra 2011 dia tranga 150 sahady no hita.

Nitombo ny famafàna pejy isan-taona tamin'ny aterineto, 1500 tamin'ny 2008 ka nahatratra 14430 tamin'ny 2009 ary 80449 tamin'ny 2010. (Ity kisarisary manaraka ity dia avy amin'ny North Korea Tech)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.