Kambodza: Fahatoranana Faobe Any Amin'ireo Orinasa Fanenoman-damba

Ny tambajotra Asia Floor Wage (Karama Farany Ambany Any Azia) dia nikarakara ny voalohany indrindra amin'ny Tribonalim-bahoaka tao Kambodza momba ny Karama Farany Ambany Azo Iainana sy ny Fepetra Mendrika Hiasàna ho an'ireo mpiasa aminà orinasa fanenoman-damba. Amin'ny 8 Febroary 2012 io tribonaly io no hiasa, ao Phnom Penh:

Ny orinasan'ny fanenoman-damba  ao Kambodza no manome ny 90% amin'ny fanondranana rehetra. Kanefa, – na eo aza ny lanjany ara-toekarena, dia ny antsasak'izay tena ilaina mba haha-azo antoka ny tohana ho an'ny fianakaviany ihany, ary ny karama faran'izay ambany any amin'ny faritra Mekong amin'izao fotoana  no mba azon'ireo mpiasa.

Ny iray amin'ireo olana goavana izay tsy maintsy horesahana dia ny haratsin'ny fepetra fanatanterahana asa any anaty orinasa any izay niteraka trangam-pahatoranana taminà toeram-piasàna maro :

Olana iray hafa mampiahiahy amin'izao fotoana izao no atrehan'ireo orinasa fanenoman-damba ary ireo mpiasany tratry ny fahatoranana faobe. Tamin'ny 2011 fotsiny, ny Free Trade Union dia nitatitra fa 2.300 ireo mpiasa torana tany aminà orinasa Kambodziana 5… Ireo fanadihadiana sy ny fanambarana avy amin'ny orinasa dia mivaralila be ihany any anaty fehinteniny momba ny antony mahatonga izany, saingy maro no nanasongadina ny antony ara-batana toy ny tsy fahampian'ny siramamy any anatin'ny tena, ny tsy fahampian-tsakafo, tsy fahampian-drano, fahapoizinana ara-tsakafo sy harerahan-tsaina.

Workers of King First Factory rushed to hospital after fainting. Photo from Community Legal Education Center on Facebook.

Nentina avy hatrany tany amin'ny tobim-pahasalamana ireo mpiasan'ny King First Factory torana. Sary avy amin'ny Community Legal Education Center ao amin'ny Facebook.

Joel Preston dia mamantatra ireo mpanjifa goavana erantany ny vokatra avy amin'ny King First Factory:

Nandritra io taona io ihany, King First Industrial dia nanamarina ny lisitr'ireo mpanjifany vaventy sy antonontonony ahitàna ny :

“Wal-Mart, Target, Reebok, JC Penny, Urban Outfitters, Simply Vera, Abercrombie & Fitch, Anthropology, Cold Water Creek, Chico's, Catherines, Express, Federated/May Department Store, P.V.H, Hollister, Ruehl, L&T, Cato, George, Bisou Bisou, Greendog, Lane Bryant, Alfant, Charter Club, Metro 7, East 5th and American Rag.”

Na eo aza ny tombonbarotra tsy hita noanoa azon'ireo orinasa Kambodziana mpanenona lamba, ny orinasa renin'izy ireny sy ny mpanjifany erantany, King First Industrial Co. Ltd, dia tahaka ny tsy afaka manome ho an'ny mpiasany tontolon'asa azo antoka sy ara-pahasalamana.  Ny fitànana noho ny tsy fanajàna ny fitsipika ara-pahasalamana sy ny mba haha-azo antoka dia mifandrohy amin'ny karama mahonena izay raisin'ireo mpiasa ireo.

Ny Community Legal Education Center koa dia nampakatra sarin'ireo mpiasa torana tany amin'ireo orinasa izay ny Hung Wah (Cambodia) Garment Mfg  sy Huey Chuen no tompony. Ny Fair Labor Association dia nanadihady mikasika ireo trangam-pahatoranana tao amin'ny Huey Chuen ka nahita fa ireo mpiasa dia noterana hiasa mandritra ny ora maro  :

Samy nilaza na ny mpitantana na ny mpiasa fa teo anelanelan'ny 27 Martsa sy 9 Aprily dia nanao ora ambony ampanga adiny efatra isanandro isaky ny andro fiasana ireo mpiasa, eny fa na ny 25 Martsa sy ny 1 Aprily ary ny 8 Aprily aza. Ireo mpiasa tao amin'ny rihana fharoa dia nilaza fa nahatsiaro ho noterena hiasa nandritra ny alina ry zareo, manomboka amin'ny 7 ora maraina ny Zoma ary mifarana ny Sabotsy maraina amin'ny 7 ora. Nilaza ihany koa ry zareo fa niasa Alahady tamin'ny 27 Martsa sy 3 Aprily. Ireo mpiasa any amin'ny rihana voalohany sy fahadimy dia tsy niasa alina fa saingy kosa miasa ora efatra ankoatry ny ara-dalàna mandritra ny andro fiasana, ary ny Sabotsy sy Alahady.

LTO Cambodia dia mihevitra ireo fahatoranana faobe ho karazana tromba faobe :

Ireo fahatoranana faobe dia , noho ny tsy fisian'ny teny manokana entina milaza azy, ‘tromba-faobe,’ saingy amin'izany tsy midka hoe manamaivana ny dikan'izy ireny aho an. Ireny mpiasan'orinasa ireny dia matetika no vehivavy tanora mahantra daholo, mazàna ankizivavy avy any ambanivohitra, miasa an-tsokosoko, anat toerana tsy ampy rivotra, tontolon'asa tsy ahazoana aina, malahelo ny tany niaviany, iharan'ny tsindry avy amin'ny fianakaviany sy ny fanaraha-maso henjana, ary manatanteraka asa miverimberina sy manahirana mandritra ny ora marobe nefa zara raha misy ny vola azo (salan'isa $55-$61/vola,).

Campaign to improve conditions of garment workers. Photo from Clean Clothes group.

Fanentanana ho fanatsarana ny fepetra iasan'ireo mpiasa any amin'ny orinasa fanenoman-damba. Sary avy amin'ny vondrona Clean Clothes.

Etsy ankilan'ireo olana momba ny fahatoranana ireo, ilay tribonaly dia manantena ny hijery ny fitarainana nataon'ireo mpiasa 200.000 avy amin'ny orinasa mpanenona lamba ao  Kambodza izay niroso tamin'ny fitokonana tamin'ny taona lasa. Ireto ambany ireto ny sasany amin'ny tanjon’ilay tribonaly :

- Hanao Fitiliana Ny Toetoetry ny Tontolo Sahaza Hiasana, mifantoka indrindra indrindra amin'ireo vehivavy mpiasa,  any amin'ny indostria fanenoman-damba amin'ny ankapobeny ka isan'izany ny resaka fametrahana vidiny mangarahara ho an'ireo mpamokatra
– Hanolotra ny fiantraikan'ny maha lahy na vavy eo amin'ny fandrafetana politika ara-toekarena eo amin'ireo andian'orinam-pamatsiana erantany.
– Fanomezana fahafaha-manangana fieraha-mientan'ireo mpiasa manana tanjaka hfampiraharahana amin'ireo andian'orinasam-pamatsiana erantany sy mandray anjara amin'ny fanamafisana ny fanentanana ifotony
– Mirotsaka amin'ny fanamafisana ny fanatsarana ny fepetra iasan'ireo mpiasa, indrindra fa ireo vehivavy mpiasa, ay amin'ireo andian'orinam-pamatsiana erantany

Nisy fanangonan-tsonia  iray natao handrisihana ny orinasa mpanao akanjo H&M mba hanatevin-daharana ilay tribonaly :

H&M dia nanapa-kevitra, fony niakatra ny vidin'ny hasy tamin'ny taona 2010 sy 2011, fa fa ry zareo no hizaka ny elanelam-bidy, noho izany dia tsy hiantraika any amin'ny mpanjifan-dry zareo izany vidiny lafo izany. Indrisy anefa, izay fijerena manokana izay dia tsy tonga hatrany amin'ireo  mpamatsy azy miasa any amin'ireo orinasa fanenoman-damba ao Kambodza, izay 90% amin'izany no vehivavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.