Mongolia: Tsy Misy Zavamiaina Tavela Aorian'ny Fitrandrahana

Mampanantena ny tetikasa fitrandrahana maro ao Mongolia  fa hampandroso ny foto-drafitrasa ara-tsosialy sy ara-toekarana ao an-toerana ary  hoentina hiadiana amin'ny fahantrana koa izany, saingy rehefa nandeha ny fotoana, dia mahatsiaro ireo vondrom-bahoaka eny amin'ny faritra  akaiky ny toby fitrandrahana  fa misy fiantraikany ratsy eo amin'ny tontolo iainanany sy ny fomba fivelomana mahazatra izany.

Nanatontosa fanadihadiana mikasika ny tetikasa fitrandrahana ao Kyrgyzstan sy Mongolia ny ONG mpiaro  ny tontolo iainana CEE Bankwatch Network , tetikasa notohanan'ny Banky Eoropeana ho an'ny Fananerana sy ny Fampandrosoana. Ny manahirana ny Bankwatch, voalaza ao min'ny “Ny  fihazakazahana hitrandraka volamena dia mety hahatavela ny vahoaka [ho ambin-javatra], EBRD mikasika ny fahalanian'ny loharanon-karena, indrindra ny rano, sy izay  mety ho fiovaovan'ny sandan'ny akora:

Tokony hanampy an'i  Mongolia hampandroso ny asa sosialy sy hanavaozana ny toekarena ny lelavola nampantenaina mba ahafahana miatrika ny fahalanian'ny loharanon-karena na ny fiovaovana tampoka ny vidin'ny akora, mijanona ho  fanontaniana mipetraka izany. Efa niteraka tahotra  “aretina holandey” na “vitan-dratsin'ny fitrandrahana” ny fanjakazakan'ny sehatra fitrandrahana.

Open pit mining in Mongolia CCby-nc-sa pjriccio2006

Fitrandrahana viraty ankalamanjana CC avy amin'i pjriccio2006

 

Ity lahatsary fohifohy ity dia nontosain'ny tambazotra CEE Bankwatch ao Eoropa Atsinanana , Urgewald avy ao Alemana, Foiben'ny Bank Information ao Etazonia ary Oyu Tolgoi Watch ao Mongolia, izay nankany Mongolia mba hanadihady ny traika ara-tontolo iainana sy ny sosialy nateraky ny fitrandrahana saribao Ukhaa Khudag ao Mongolia :

Raha nampiseho ny vokadratsy voalohany noho ny fitrandrahana tao Mongolia sy Kyrgyzstan ny lahatsary teo aloha, efa niantraika ratsy teo amin'ny tontolo iainana, ny fahasalamana, ary ny fiainan'ny vahoaka ny fitrandrahana. Ity lahatsary manaraka ity kosa dia hitondra antsika eny amin'ny faritra  mangatsiaka ao Kyrgyzstan sy hitsidika ny faritra manodidina ny toby fitrandrahana ao Kumtor, izay efa niasa tao nandritra ny 15 taona mahery. Fanapoizinana amin'ny “sianora” sy ny fifindran'izany amin'ny rano no nahazo ny faritra; tsy nisy ny fampandrosoana nampanantenaina sy ny tombontsoa nolazaina tamin'izy ireo.

Voasoratra ao amin'ny Harenan'ny tany, fahasahiranan'ny olona. Ny Toby Fitrandrahana ao Azia Afovoany  ny lahatsary misy ny fitrandrahana ao Mongolia sy Kyrgyzstan :

Toy izao izany voalaza izany – ny Toby fitrandrahana Oyu Tolgoi sy ny Tavan Tolgoi ao Mongolia ary ny Toby Fitrandrahana volamena Kumtor ao Kyrgyzstan – no toby mitondra fanampiana betsaka amin'ny fidiram-bolan'ny firenena ka nahazo fanohanana (na ny toby Oyu Tolgoi koa dia  hahazo ny azy atsy ho atsy) avy amin'ny Banky Eoropeana ho amin'ny Fanavaozana sy ny Fampandrosoana. Na dia izany aza anefa, loza mitatao ao an-tanàna ihany izy roa ireo izay tsy afaka sandaina vola ny loza aterak'izy ireo.

Tsy ireo firenena ireo ihany anefa no miatrika ny voka-dratsin'ny fampandrosoana noho ny toby fitrandrahana. Tanàna  ao akaikin'i Tibet, nahavita nanajanona ny tetikasa fitrandrahana saika atao ao amin'ny tendrombohitra iray manan-tantara ao an-tanànany ny mponina.

Mifanipaka be ihany ny adihevitra; sandam-bola be ohatrinona no handoavan'ny olona ny fampandrosoana ny tanànany? Vladlena Martsynkevych, tompon'andraikitra ao amin'ny Bankwatch ao Azia Afovoany nanoratra hoe:

Afaka manampy tsara ho amin'ny fampandrosoana ara-toekarena sy ho amin'ny famoronana asa ary fidiram-bola tadiavina ao amin'ny firenena ny orinasa mpitrandraka. Nefa mandritra izany fotoana izany, miteraka fikorontanana tanteraka ny fitrandrahana izay misy fiantraikany ratsy eo amin'ny tontolo iainana sy ny fomba fiveloman'ny olona isam-paritra. Any amin'ny firenena izay mbola tratra aoriana ny rafitra demokratika, tsy ampy ny fahaiza-manao ny andrimpanjakana na manjaka ny  kolikoly, dia hitombo vetivety ny fahapotehana. Mety hisidina ambonin'ny fitsinjaram-paritra ny tombontsoa ka hivantana any amin'ny orinasa mpitrandraka – ary tsy ny kely indrindra – mampandroso ny teknika sy ny harenan'ny firenena mandroso.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.