India: Sedra Vaovao Hiadiana Amin'Ny Raboka Eran-tany

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fivoarana eran-tany ity lahatsoratra ity.

Tafahitsoka tanatina ady mafana izay voafintina amina teny roa “mafy” sy “tanteraka” ny media sy ny tontolon'ny bilaogy Indiana. Raha nanaraka ireo vaovao Indiana ianao, dia fantatrao fa mikasika ny fifanakalozan-kevitry ny fikambanambe iraizam-pirenena momba ny fahasalamana manoloana ny aretina raboka izany.

Nipoaka ny tontolon'ny media Indiana ny herinandro lasa teo noho ireo tatitra avy any Mombai momba ny karazana raboka iray tena mahatohitra ny karazana fitsaboana fantatra rehetra. Nopetahan'ireo gazety Indiana ny anarana “totally drug-resistant tuberculosis (raboka tena tsy andairam-panafody)” na TDR-TB io raboka io. Nefa andro vitsy monja aty aoriana dia namoaka fanambarana mandà ny fampiasàna ny fomba fiteny TDR-TB ny Governemantan'i India, milaza fa tsy manana famaritana mazava ny TDR-TB ny Fikambanana Eran-tany momba ny Fahasalamana, ary karazana raboka matanjaka tsy andairam-panafody (XDR-TB) io TB mipoitra any Mombai, India ity. Ankehitriny dia antsoin'izy ireo XXDR-TB, na koa “raboka faran'izay tena tsy andairam-panafody izy io.”

Electron microscope image of mycobacterium tuberculosis, responsible for tuberculosis. Image by Flickr user Sanofi Pasteur (CC BY-NC-ND).

Sarin'ny "mycobacterium"n'ny raboka izay mahatonga ny raboka, azo avy amin'ny micrôskôpy elektronika . Sarin'ny mpampiasa Flickr Sanofi Pasteur (CC BY-NC-ND).

Nipoaka ny tontolon'ny bilaogy sy ireo lohateny be amin'ny gazety noho ireo manam-pahaizana sy ny vahoaka Indiana izay manontany tena ny antony mahatonga ny Governemantan'i India sy ireo goavana amin'ny fikirakirana ny fitsaboana ny TB mifandrirotra amin'izay hiantsoana izany, fa tsy ny zavatra tokony hatao momba azy.

Bharati Ghanashyam, mpitoraka bilaogy iray ao amin'ny Journalists Against TB, na Mpanao gazety manohitra ny Tiberkilaozy, dia namintina ny fisavoritahana nipoaka teo amin'ny tontolon'ny bilaogy eran-tany momba ny fahasalamana taorian'ilay fanambaran'ny Minisitry ny Fahasalamana Indiana, “Antsoy amin'izay tianareo izany fa fongory.”

Nitsikera i Ghanashyam fa tondraky ny raharaha mangan'ny TDR-TB ny vahoaka tamin'ny vaovao izay nanambaran'i India ny tsy fisian'ny polyomelite mandritra ny taona iray manontolo. Ny fanontaniany: ahoana no hahafahan'Inde manatanteraka zavatra goavana tahaka izany nefa manary ankitsirano ny TB? Avy eo dia nomarihiny fa misy “adihevitra mavesa-danja, fandàvana sy resadresaka mikasika ny fiantsoana na tsia an'io endrika vaovao io ho TDR-TB.”

Araky ny tatitra iray nataon'ny Indian Express, “nandefa fanairana nampikoropaka tamin'ny tsy misy dikany ireo mpitsabo avy ao Hinduja. Tsy eken'ny WHO (Fikambanana Iraisampirenena Momba Ny Fahasalamana) na ny Fandaharanasa Nasionaly Nasiam-panavaozana Iadiana amin'ny Raboka (RNTCP) ny fomba fiteny TDR. Manomboka eto, antsoin'izy ireo ho raharahan'ny XDR-TB fotsiny izany,” hoy ny mpiasam-panjakana avy ao amin'ny Direksiona misahana ny Asa Ara-pahasalamana.”

Niombon-kevitra tamin'i Ghanashyam ny mpampiasa Twitter TBVI_EU:

@TBVI_EU:  “Marina loatra! @bghanashyam misy fahasamihafany kely ny fiantsoantsika ireo karazana TB samy hafa . Ny olana dia misy ireo olona maty,”

Ny mpitoraka bilaogy Alanna Shaikh, manam-pahaizana amin'ny fizahana ara-pahasalamana, nanintona ny mason'ny fianakaviamben'ny fivoarana noho ny lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy momba ny End the Neglect: and calling the new form “TDR-TB.” (Atsaharo ny tsy firaharahiana: ary antsoy hoe “TDR-TB” io endrika vaovao io.)

TDR-TB mihitsy no tena mety hiantsoana izany. Mbola tsy afaka namantatra fitsaboana  izay mety handaitra ho an'ity TB ity ireo mpitsabo,” hoy ny nosoratany. “Fivoarana ratsy, tena ratsy ho an'ny fahasalamana eran-tany ity.

Ny WHO dia milaza ao amin'ny vohikalany, fa tsy misy fomba hamaritana raha toa ka ireo fototra niavin'ny TB izay mahatohitra ny fanafody tany amin'ny trano fanaovana fanandramana ihany no manohitra marina ireo fanafody any amin'ny marary. Mety hanohitra ny vinavinany izany satria hatramin'ny nanehoan'ireo 12 mararinà endrika tena matanjaky ny raboka any Mombai fa tsy miasa mihitsy amin-dry zareo ireo fanafody misy, miezaka manambara fotsiny ihany ny WHO fa tsy ampy ny fitiliana mirafibika mba hamaritana ny fangarom-panafody ilaina ao amin'ny trano fanandramana mba hitsaboana ireo tena marary.

Tsy nahy, namoaka tatitra ny Minisitry ny Fahasalamana any Inde ny 20 Janoary 2012, milaza fa sivy amin'ireo tsaboina telo ambin'ny folo no efa tsy maninona intsony nandritra ny fitsaboana azy ireo amin'izao fotoana ary telo tamin'izy ireo kosa no maty, manamarina fa milavo lefona amina fanafody antibiotika sasany io fototr'aretina io.

Misy zavatra iray tsy azo hihodivirana, hentitra amin'ny tokony hanaovan'ireo governemanta sy malala-tànana iraisampirenena mpanome vatsy tahaka ny Global Fund sy ny Firenena Mikambana ny  ho laharam-pahamehana ny fijerena mivantana ny tiberkilaozy ireo vondrompiarahamonina mpisolovava ao anaty aterineto sy ny fampitàna mivantana ny #tuberculosis ao amin'ny Twitter.

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fivoarana Eran-tany ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.