Arabia Saodita : Fianakaviana Iray Monina Aminà Toeram-pandevenana

Lavitry ny sehatra politika ary akaiky kokoa ny maha-olombelona, lahatsary fohy iray novokarin'ilay tanora Saodiana iray mpamokatra sarimihetsika, Bader AlHomoud,  nomena anarana hoe “Almagbarah,” izay midika hoe Toeram-pandevenana ho an'ny Arabo, no nanova ny andavanandrom-piainan'ny fianakaviana Saodiana iray. Bader dia manoritsoritra ny dingana nandrafetana azy io ao amin'ny bitsiny :

#ma8barah اليوم أصبت باكتئاب وانا اعمل مونتاج لفلم سيصيبكم بالكابة سترونه قريبا
Ketraka aho androany raha namoaka lahatsary iray izay hampihetsi-po  anareo ihany koa.

Ilay lahatsarinà telo minitra, nakarina etsy ambany avy ao amin'ny Youtube, dia maneho fianakaviana Saodiana iray monina ao anaty Toeram-pandevenana iray. Tsy misy fanamboamboarana, na resaka. Izy io dia manasongadina ny mpikambana ao anatin'ilay fianakaviana sy ny zanany milalao manodidina ilay toeram-pandevenana ary ny fahantrana lalina iainan'izy ireo.

http://www.youtube.com/watch?v=BlYFGVmr1Po

Ireo Saodiana mpandefa bitsika dia tohina tao am-pony tamin'ilay lahatsary ary eto ambany eto ny sasany amin'ny fanehoan-kevitr'izy ireo, eo ambanin'ny tenifototra #ma8barah.

@MarwanAlrouqi dia manoritsoritra ny lalan-tsaina ao ambadiky ny nakana ilay toerana [ar]:

عزيزي المواطن : من اجل رفاهيتك اخترنا لك سكن بعيد عن الازعاج وقريبً من الاخره ! #ma8barah
Ry vahoaka Saodiana malala, mba hampetipety anareo, dia nisafidy sarin-toeram-ponenana iray ho anareo izahay, izay lavitry ny tabataba ary akaiky ny toeram-pialanareo sasatra!
A screen shot from the movie

Sary iray avy amin'ilay lahatsary

 

@hayaalshatti manontany hoe[ar]:

هل أصبحت خيارات الحياة تقف عند أنني يجب أن أفضح ملامحي وأنشر فقري في فلم .. حتى أحصل على كرامة .. تباً لمن سلبهم كرامتهم ! #ma8barah #KSA

Tratrantsika ve ny teboka tsy maintsy hanabaribariako ny fiainako mba hahazoana ny haja maha-olona? Ho voahozona anie ireo rehetra izay nanendaka tamin'izy ireo ny maha-olona azy!

Ary ho fanehoan-kevitra amin'ilay lahatsary, izay efa nisy nijery maherin'ny in-148.000 tao amin'ny YouTube, smartman7779 miteny hoe [ar]:

شي محزن فبكت عيوني من هذا الحال احمد ربي ع حالتي
Mampalahelo izao, tena nitomany aho nijery azy io ! Isaorana Andriamanitra noho  ny toerana misy ahy

Ora telo taorian'ny namoahana ilay lahatsary, Princess Ameerah Al-Taweel, izay Filoha lefitry ny Filankevi-pitantanana sady Lehiben'ny Komity mpanatanteraka ao amin'ny Al-Waleed bin Talal Foundations, dia nanambara tao amin'ny kaontiny ao amin'ny Twitter hoe :

الحمد لله، ستقوم مؤسسة الوليد بن طلال الخيرية بتأمين سكن دائم لهذه العائلة وتم التواصل مع بدر الحمود وسنبدأ من الغد إن شاء الله #ma8barah

Ny Al-Waleed bin Talal Charity Foundation dia hanome toeram-ponenana maharitra ho an'ilay fianakaviana, efa mifandray amin'i Bader AlHomoud izahay amin'izao fotoana.

@malsahli dia manamarika hoe :

لو لم يقم شاب مبدع يدعى بدر الحمود بتسليط الضوء على عائله سعوديه تسكن مقبره..لماظهر المنقذون ولبقيت الأسره مهمشه خلف ناطحات السحاب #ma8barah
Raha toa ny fahaiza-mamoron'i Bader tsy nitondra masoandro ho an'ity fianakaviana ity, dia ho nitohy niaina tany ambadik'ireo trano manaka-danitra ry zareo ary adino tany !

ary i @essamz manindry tsara ny tanjaky ny media sosialy :

فيلم مدته 3 دقائق يؤدي لحل مشكلة عائلة خلال 3 ساعات من نشره. إنها قوة الإعلام الجديد. #ma8barah

Lahatsarty iray maharitra telo minitra monja dia nahavaha olana iray tao anatin'ny ora telo.. izany no herin'ny media vaovao !

Roa andro taty aoriana, @BaderAlHomoud dia nanambara hoe :

#ma8barah الحمدلله حتى سيارة وصلت لأبو شريفة من فاعلة خير
Nahazo fiara avy aminà malala-tànana tsy nitonona anarana ilay fianakaviana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.