Inona No Dikan'ny Rafitra Fanesorana Ataon'ny Twitter Isaky Ny Firenena Ho An'ny Fahalalahana Haneho Hevitra ?

Ity lahatsoratra ity dia navoaka voalohany tao amin'ny bilaogy Deeplinks an'ny  Electronic Frontier Foundation.

Omaly, ny Twitter dia nanambara tao aminà lahatsoratra iray anaty bilaogy fa eo an-dalam-pametrahana rafitra iray izy ireo izay ahafahan'ny orinasa manaisotra ny rakitra miainga amin'ny isaky ny firenena, ialàna amin'ny famotehana azy  ao manerana ny rafitra Twitter. Teo noho eo ny Aterineto dia nahitana tsaho maro momba ny  sivana , ny resaka tsikombakomban’ireo mpampiasa vola Saodiana  ao amin'ny Twitter sy ny sivana baikonà milina, ary ny  antso ho an'ny   hetsi-panoherana ny 28 Janoary.  Zavatra iray no mazava izao : misy fifamahofahoana miely be momba ny politika vaovaon'ny Twitter sy ireo fiantraikany ho an'ny fahafahana maneho hevitra manerana izao tontolo izao.

‘Ndao avahana ito zavatra iray manaraka ito : Twitter dia efa nanaisotra  bitsika sasantsasany ary efa an-taonany maro no nanao izany. Ary ireo sehatra ara-barotra rehetra izay fantatsika fa nesorina ny mombamomba azy, dia farafahakeliny, natao ho fampiharana ny didim-pitsarana nivoaka. Twitter dia mamafa ireo bitsika sasany satria fantatra amin'ny hoe fanararaotana izy ireny na natao fitaovana, ny bitsika sasany kosa etsy an-kilany dia nesorina noho ny fanarahana ny didim-pitsarana na ny filazàna nataon'ny DMCA. Hatramin'izao, raha nanao ny fanesorana votoaty ny Twitter, dia tsy maintsy nataony ho an'izao tontolo izao izany. Noho izany, raha toa ny Twitter ka naharay didim-pitsarana mba hanalàna ny bitsika  fanalambaraka an'i Ataturk–izay tsy manara-dalàna araky ny lalàna ao Torkia–ny fomba tokana hanajàna izany dia ny fanesorana izany ho an'ny rehetra. Ankehitriny Twitter dia manana fahafahana hanaisotra ny bitsikan'ireo olona manana adiresy IP izay milaza fa ao Torkia izy ireo ary manàla izany na aiza na aiza.  Amin'izao fotoana izao, andrasantsika avy amin'ny Twitter ny hanarahany ny didim-pitsarana avy amin'ny firenena misy ny biraony sy ny mpiasany, lisitra ahitana ny Royaume-Uni, Irlande, Japana, ary tsy ho ela i Alemana.

Ny fiakatry ny filàn'i Twitter hamafa votoaty dia toy ny vokatry ny firoboroboany any aminà firenena vaovao, miaraka aminà lalàna samy hafa izay tsy maintsy arahany raha tsy izany dia mety ho voasambotra ireo mpiasany any an-toerana na mety hahavoatazona azy ireo noho ny fankahalàna, na ny sazy toy izany. Amin'ny fanokafana birao vaovao sy famindràna ireo mpiasany any amin'ny firenen-kafa, mampitombo ny zava-mitatao aminy ny Twitter amin'ny firotsahana amin'ny resaka fahalalahana haneho hevitra. Toy ny orinasa rehetra (sy ny olona rehetra), Twitter dia fehezin'ny lalànan'ny firenena izay itoerany, izay miafara amin'ny lalàna maro tsy maintsy arahana miaraka amin'ny lalàna izay tsy azo ihodivirana fa mifanipaka amin'ny hafa.  Twitter dia mety efa nampihena ny maha fitaovana ampiasain'ny governemanta azy ho sivana tamin'ny fitazonana ny fitaovany sy ny mpiasany ho ao anatin'ny faritry ny sisintanin'ny Etazonia, izay ahitàna ny fiarovana araky ny lalàna misy toy ny CDA 230 sy ny DMCA, toeram-pitodiana azo antoka  (izay mitaky fanesorana, nefa koa manome làlana, na dia ratsy aza izany, ho an'ny famerenana mamoaka indray).

Twitter dia miezaka hanalefaka ireny olana ireny amin'ny alalan'ny fanesorana ny fahafahana miditra aminà votoaty iray ho an'ireo olona manana adiresy IP izay kasain'ny firenena ho esorina ny votoatiny. Tsara izany. Amin'izao fotoana izao, ny vokatra ankapobeny dia sivana kely raha toa ka tokony ho sivana be, satria izy ireo dia zatra manaisotra ny zavatra tsy ho azon'ireo mpampiasa Twitter rehetra hidirana. Kanefa ny olona dia efa nilaza ny ahiahy mikasika ny hoe”Raha toa ka hapetrakareo izany, dia ho avy izy ireo”, – Raha toa ianareo ka manorina fitaovana iray ho an'ny fanivanana arakaraky ny firenena tsirairay, dia ho hampiharin'ny fanjakana izany.  Tokony hitandrina isika manoloana io toe-javatra io.
Mandritra izany, Twitter dia nandray fanapahan-kevitra roa fanampiny mba hahafantaran'ireo mpampiasa aterineto fa nisy ny sivana. Voalohany, manome fanamarihana ry zareo ho an'ireo mpampiasa rehefa mitady izany votoaty izany. Faharoa, alefan'izy any amin'ny Chilling Effects Project, izay mpamoaka ny baiko sy mamorona raki-tahiry ireo votoaty voarainy. Naoty : EFF dia iray amin'ireo mpiara-miasa amin'ilay tetikasa Chilling Effects. Hatramin'izao, amin'ireo vohikala goavana, dia Google sy Wikipedia irery ihany no mampiharihary ny zavatra esoriny, sakanany ary ny antony anaovany izany. Rehefa manàla lahatsoratra iray ny Facebook, dia tsy misy andraikitra mamatotra azy amin'ny sarambabem-bahoaka mihitsy.  Amin'ny alalan'ny Chilling Effects Project, ireo mpampiasa aterineto dia afaka manaraka tsara hoe inona ny votoaty ao amin'ny Twitter izay angatahana mba ho bahanana na esorina ary ny fomba itrangan'izany.

Amin'izany, inona no tokony ataon'ireo mpampiasa Twitter ? Manara-maso ny maha-mendrika ny Twitter. Voalohany aloha, mitandrema amin'ny fampitandremana alefan'ny Twitter sy ny votoaty napetraka ao amin'ny Chilling Effects. Raha toa Twitter ka manomboka ny manaraka ny didim-pitsarana ao Inde mba hanesorana ireo bitsika izay mamelively ireo andriamanitra “hindous”, na bitsika izay manakiana ny Mpanjaka ao”Thaïlande”, dia tianay ho fantatra izao dieny izao. Manaraka izany, ny tetikasa mangarahara toy ny Chilling Effects dia manome fahafahana  ireo mafàna fo hijery ireo sivana manerana izao tontolo izao, izay dingana voalohany ametrahana tsindry amin'ireo firenena mba hijoro hiaro ny fahafahana maneho hevitra sy mba hahafahana manala tanteraka ny sivana ataon'ny governemanta.

Inona koa ny manaraka? Dinganina ilay sivana. Twitter dia mbola tsy nanakana bitsika mampiasa io rafitra vaovao io, kanefa amin'ny fotoana hitrangan'izany, dia tsy hanjavona fotsiny ilay bitsika -fa hisy hafatra mampahafantatra anao fa nosakanana ilay votoaty noho ny antony ara-jeografika misy anao. Soa ihany, ny toerana ara-jeografika misy anao dia mora hovaina ao anaty  aterineto.  Afaka mampiasa proxy ianao na Tor any amin'ny firenen-kafa. Read Write Web ihany koa dia manolotra hevitra milaza fa azonao itsoahana ilay sivana manerana ny firenena amin'ny alalan'ny fanovàna ny firenena eo amin'ny lisitry ny firenena eo amin'ny profil nao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.