Kiobà: Naneho Hevitra Momba Ny Fahafatesanà Mpitokona Tsy Hihinan-kanina Ireo Mpitoraka Bilaogy

Wilman Villar Mendoza

Izy no antsoina hoe Wilman Villar Mendoza

Andro nampahonena teo amin'ny tontolon'ny mpitoraka blaogy Kiobana tamin'izay, raha naharay vaovao ireo mpiondana aterineto mikasika ny nahafatesan'ilay [es]  gadra politika antsoina hoe  Wilman Villar Mendoza, izay nanao fitokonana tsy hihinan-kanina tamin'ny volana novambra farany teo. Mpitoraka blaogy maro no nampitaha an'io trangan-javatra io tamin'i  Orlando Zapata Tamayo, ilay olona voafonja farany teo nohon'ny fanehoany ny heviny, izay namoy ny ainy tamin'ny taona 2010. Izy no teratany Kiobana gadra politika voalohany indrindra namoy ny ainy nohon'ny fitokonana tsy hihinan-kanina nanomboka tamin'ny taona 1972.

Mazava tsara ny fampitahana nataon'ilay mpitoraka any am-pielezana, Uncommon Sense:

Toa an'i Orlando Zapata sy Juan Soto, dia feno ny ràny ny tanan'ny fitondrana jadon'i Castro.

Ary toy ireny maritiora ireny, dia tsy ho adino velively izy.

Nampifandraisiny tamin'ilay fanambaràna avy amin'ny Fivondronan'ireo vehivavy Kiobana sy Amerikana izay maneho amin'ny antsipirihany ny “nahafatesan'ilay gadra politika Wilman Villar Mendoza sy ny fomba namalian'ilay mpanao didy jadona  izany tamin'ny alalan'ny faneriterena bebe kokoa.”

Nilaza ny fomba fijeriny mikasika ny nahafatesan'i Mendoza ihany koa ireo mpitoraka blaogy maro tao babalu.  Nanamarika i Val Prieto fa ny fahafatesan'io mpanohitra io dia “tsy nohon'ny fanesorana [sic] ny zony  sy ny fahalalahany miteny fotsiny ihany…fa nohon'ny tsy rariny sy ny fanosihosena azy”:

Namoy ny ainy omaly teo an-tanan'ny governemanta Kiobana i Wilmar Villar Mendoza…raha nanao fitokonana tsy hihinan-kanina nandritry ny 50 andro ho fanehoany ny hatezerany tamin'ny nampidirana am-ponja azy sy ny fanosihosena ny zony amin'ny mahaolona sy ny fahalalahany miteny. 31 taona izy.

Maty toy ny olona mahery fo i Wilmar Villar Mendoza, izany dia tsy nohon'ny fahasahiany nifanatrika tamin'i Goliata ao amin'ny fanjakan'i castro nohon'ny fiziriziriany amin'ny heviny fotsiny ihany,  fa nohon'ny hasarobidin'ny sorona nataony tsy am-pihambahambana.

Nanao sorona ny tenany i Wilmar Villar Mendoza ka namoy ny ainy mba hahafahan'ny kiobana mpiray tanindrazana aminy hiala amin'ny tsy refesi-mandidy nataon'ireo namono azy.

Nanome fanazavana “nandritry ny fotoana fohy” i  Alberto de la Cruz mikasika ny nahafatesan'ilay mpitokona tsy hihinan-kanina:

 

Tahaka izay efa nitranga tamin'ny famonoana an'i Zapata Tamayo, Soto, ary Pollan, tao anatin'ny fotoana fohy, nandrodana tanteraka ny endrika ivelany sy ny lainga nafafin'ny fitondrana jadon'i Castro nataony ho manda fiarovana nandritry ny ampolon-taona maromaro io famonoana an'i Wilmar Villar Mendoza io .

Mety tsy haharitra ela izany — mety ho ora maromaro, na mety ho andro maromaro — fa amin'zao fotoana aloha, dia mibaribary ny didy jadona ataon'i  Castro.

Nefa mety rahampitso dia rahampitso ihany dia hanjavona io fahamarinana io ary ho resin'ny lainga  ny marina. Tsy hoe marefo loatra akory ny marina na koa hoe tsy maharitra, fa tsy te-hanokatra ny masony ny olona satria te-hanadino io fahamarinana mahatsiravina io.

Na teo aza izany, ankehitriny, dia hita fa nisy zavatra nivoitra tamin'ny nahafatesan'i Wilmar Villar Mendoza: nandritry ny fotoana fohy, dia nivoaka ny marina tao Kioba.

Ilay bilaogy dia nanao  tatitra milaza ny antsipirihany mikasika ny “fidinana an-dalam-be nataon'ireo mafàna fo mpiaro zon'olombelona am-pilaminana mba hanomezam-boninahitra ilay sorona lehibe indrindra nataon'i Wilmar hikatsahana ny fahafahana sy ny fahalalahana ao Kioba”, nampiany hoe : “notsenain'ireo mpiandraikitra ny fandriam-pahaleman'ny fanjakan'i Castro avy hatrany ireo mpanohitra ireo ka tonga dia notafihany an-kerisetra sy nosamboriny ny maro tamin'izy ireo.”

Nanazava ny antony tsy tokony hanadinoana an'i Wilman Villar Mendoza i  Pedazos de la Isla:

Naheno olona nilaza aho hoe ny fitokonana tsy hihinan-kanina dia karazana famonoan-tena, saingy tsy mino izany aho. Ilay mpanao didy jadona irery ihany no diso tamin'ny nahafatesany. Io mpanao didy jadona io no mbola nisambotra an'i Mendoza tamin'ny volana Novambra 2011, raha iny izy nilahatra am-pilaminana niaraka tamin'ireo mafàna fo hafa namany teny amin'ny lalana Contramaestre nikatsaka fahafahana. Ary mbola io mpanao didy jadona io ihany no tsy niraharaha ny fangatahan'i Wilman mba hamotsotra azy ka nahatonga azy hitokona tsy hihinan-kanina.

Tsy tena mahafantatra tsara an'i  Wilman Villar Mendoza aho, fa matoa ny olona iray manao sorona ny tenany ho an'ny fiadanan'ny hafa, ary eto amin'ity tranga ity, dia ho an'ny fahafahan'ny firenena iray manontolo, ary dia manambara zavatra maro mikasika olona iray izany. Mampitombo isa ny lisitr'ireo lehilahy sy vehivavy novonoina, nampijaliana ary nokapohina ilay tovolahy teratany Kiobana iray izay namela ny vadiny sy ny zanany kely anankiroa, ary nanampy ny lisitr'ireo izay namoy ny ainy nohon'ny  fitokonany tsy hihinan-kanina. Izy dia Orlando Zapata Tamayo, sy Pedro Luis Boitel hafa ihany koa –  teratany Kiobana izy roa ireo, izay niaina tamin'ny taranaka roa samihafa nefa niady ho aminà tanjona iray ary maty tamin'ny fomba nitovy, niaritra fepetra mahatsiravina nefa kosa tamim-boninahitra.

Tohina tamin'ny nanaovana ny fianakavian'i Mendoza ireo mpitoraka bilaogy. Nanamarika i Pedazos de la Isla fa “tsy afaka nijery ny fatiny akory ny vadiny ny Alakamisy alina”, ary nilaza i @Yoani Sanchez tao amin'ny Twitter [es] hoe:

#cuba Hable con Maritza esposa de Wilmar Villar y confirma su muerte. No le han dejado ver el cuerpo. Mas info al +5353842338

#kioba Niresaka tamin'ny vadin'i Maritza Wilmar Villar aho ary nanamarina an'io fahafatesan'ny vadiny io izy. Tsy navelan'izy ireo nijery ny fatiny izy. Raha te hahafantatra bebe kokoa, antsoy ny +5353842338

Fanamarihana avy amin'ny Cuban Exile Quarter no nilaza hoe:

Anio dia zazavavy kely anankiroa no namoy ny rainy; vehivavy iray no namoy ny vadiny; ary renim-pianakaviana iray no namoy ny zanany lahy. Maty io alina io i Wilmar Villar Mendoza raha tsy nahazaka azy intsony ny ‘voa’-ny sy ny taova hafa tao aminy. Maty nohon'ny fitokonana tsy hihinan-kanina nataony  izy vokatry ny fanalam-baraka sy fanaovana ny tsy rariny nihatra taminy izay nataon'ny fanjakan'i  Castro.

Nanao izao fanamarihana izao koa io bilaogy io:

Kely ihany ny fandrakofana an-gazety  sy hetsi-panoherana ofisialy nijerena ny zavatra nanjo azy talohan'ny nipoiran'ny marina mikasika ny nahafatesany.

Vehivavy maro niakanjo fotsy ary ireo mafàna fo hafa, mpanohitra maro no nidina an-dalam-be sy nanao hetsika  tamin'ny anarany niaritra endrika famonoana mahery vaika sy fanenjehana ary fisamborana, saingy nangina teo anatrehan'izany ny mpanao gazety iraisam-pirenena. Ankehitriny efa maty izy, toy ny nanjo an'i Orlando Zapata Tamayo tamin'ny taona 2010, vao mitatitra izany ny haino aman-jery iraisam-pirenena. Tsy misy dikany ary tara loatra ho an'i Wilmar Villar Mendoza izany. Mpitoraka bilaogy sy ireo mafàna fo tao amin'ny twitter no efa nampandre ny tany tontolo mikasika ny zavatra nanjo azy.  Mendrika ny ho marihana manokana ny Pedazos de la Isla, Uncommon Sense, Babalu, ary Capitol Hill Cubans noho ny namoahan'izy ireo ny teny tany anatin'ny bilaoginy tsirairay avy.

Rehefa miatrika fitondrana tsy refesi-mandidy mahery setra mpanao jadona, fimiràna tsotra no mitoetra:
fahanginana = herisetra = fahafatesana.
Midika fampihenana ny rà mandriaka ny fanoherana ofisialy iraisam-pirenena sy ny fanadihadian'ny mpanao gazety mikasika ireo mpanohitra ny fanjakana niharan'ny herisetra. Ny fahanginana dia midika fa i Maritza Pelegrino Cabrera, vadin'i Wilman, dia mananon-tena ankehitriny ary ireo zanany vavy kely 5 sy 6 taona dia tsy afaka hiara-lehibe amin'ny rainy intsony.

Namoaka sy nandika tamin'ny teny hafa ilay fanambarana manan-danja mikasika ny nahafatesan'i Mendoza izay nataon'i Yoani Sanchez, iray amin'ireo mpitoraka bilaogy manana ny lanjany ao Kioba i babalu :

Tiako ho ampangaina fa eto amin'ny fireneko, tsy maintsy manao sorona ny tenany, ny tsinainy, ny vavoniny ny vahoaka ho toy ny tany fiadiana, ho fomba iray hananganana hetsi-bahoaka. Tena mampahonena ny hoe vahoaka iray manontolo — Kiobana miisa 11-tapitrisa eto amin'ny Nosy   — no noverezin-jo amin'ny maha-olom-pirenena azy na noferan-jo. Nosakanana ny làlana amin'ny maha-olom-pirenena, araka ny fifidianana, na araka ny lalàna tsy ho an'ireo mponina mitaky fiovana sy mitaky fitsaharan'ny fangejana  eto amin'ny fireneny. Inona sisa izany no azontsika atao? Noho izany, dia tsy maintsy manao fitokonana tsy hihinan-kanina ny vahoaka hanehoany ny tsy hafaliany. Tena nampalahelo ny zava-niseho androany, ny fahafatesan'i  Wilmar Villar.

Izay no fiampangàna tiako natao. Toy ny tavoahangy natsipy any anaty ranomasina izany, toy ny zavatra latsaka any anaty lavaka be iray , fa…aleo angamba ajanoko hatreo. Miangavy re, tsy te-hanolotra ny hoditray sy ny taolanay  intsony izahay ho fanehoana ny fahasorenanay e. Tokony hanana zo hanao izany tsy misy faneriterena izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.