Malezia: Manome Tsiny Ny Google Translate Ny Minisitra Noho Ny Hadisoana Hita Ao Anatin'ny Vohikala

Aza mitafy “akanjo manaitra ny maso” ary tadidio ny fanamiana fitondra amin'ny “adin'ny Mongoose” amin'ireo lanonana ofisialy. Ampahany amin'ireo hadisoana mahatsikaiky amin'ny dikanteny Anglisy tany anatin'ny vohikalan'ny Minisiteran'ny Fiarovana any Malezia ireo  voalaza ireo, izay laha lohateny vaventy tamin'ny herinandro lasa teo. Efa noesorina ireo hadisoana ireo nefa tsy talohan'ny nahafahan'ireo mpampiasa aterineto nifanakalo resaka momba izany tany amin'ireo tambajotra sosialy maro samy hafa.

Mandinika ireo fandisoana fandikan-teny ireo i Uppercaise

Ny lalàn'ny fiakanjoana dia milaza fa tsy maintsy miakanjo “fitafy mendrika” ireo mpiasa sy mpikarakara — nefa koa “voarara any am-piasàna io lalàn'ny fiakanjoana io”.

Takiana ny “fitafy mendrika” (na tsy misy aza ireo fepetra hamaritana ny mendrika izay tokony ho arahin'ny fitafiana). Na eo aza izany, tsy tokony ho karazana fitafy entina manatrika lanonana na fitsangatsanganana.

Isaky ny Alakamisy dia “adin'ny Mongoose”  ho an'ireo tsy manao fanamiana. Natao hanatrehana ireo “lanonana ofisialy izay tsy mila ny fampiasàna karazana fiakanjo sasany” ihany koa ireo fitafy amin'ny “adin'ny Mongoose” ireo.

Tsy maintsy mitafy lobaka izay “civette Maleziana berbutang telo” na civette dimy ny lehilahy; miaraka amina pataloha lava fa tsy miforitra moron-tongotra, ary tafiditra anatin'izany ireo lobaka. Tsy maintsy mitafy akanjo mifanaraka amin'izany ireo Vehivavy, “ara-dalàna sy mendrika mba ho fampiharana ny maha-olona manam-kaja azy”

Dikateny ara-bakitenin'ny pakaian yang menjolok mata, izay midika hoe famborahana ireo fitafiana amin'ny teny Bahasa Malezia, io “fitafiana manaitra maso” io. Hadisoana iray hafa izay nampihomehy ny olon-drehetra: “Aorian'ny fisintahan'ny miaramila Britanika, maka ireo fepetra entitra mba hanondrotana ny haavon'ny losa mitatao amin'ny fiarovam-pirenena ny Governemanta Maleziana”.

Nahiliky ny Minisitera tany amin'ny Fandikan-tenin'ny Google izay nampiasan'ilay sampan-draharaha handikana ireo teny Bahasa tao amin'ny vohikala ny hadisoana. Nefa rehefa nampiasa ny Google Translate mba hanamarinany ny fanambaran'ny Ministera i uppercaise, hafa ireo valiny nomen'ilay fitaovana fandikan-teny maimaimpoana

Efa mampihomehy ny fanambaran'ny minisiteran'ny fiarovana, fa ny fandikana ny lalàna fiakanjoana dia tena mahalatsaka be.

Ahitana ohatra vitsivitsy amin'izany ity fàfana ity. An'ny Google ve ny hadisoana, sa an'ny minisitera? Nilaza ny marina ve ny minisiteran'ny fiarovana, sa niezaka hamindra ny tsiny ho an'ny hafa? Raha toa ka zavatra tsy misy dikany tahaka izany no andaingan'ny govt, afaka hino azy ireo ve ianao amin-javatra goavana?

Avy ao amin'ny vohikalan'i Uppercaise

Tian'i uppercaise handray andraikitra amin'ireo hadisoana ireo ny Minisitera

Mahita hialàna tsiny foana ireo mpiarao  ny mpanao politika hitenena fa diso ny vaovao azony. Tsy hoe satria nandainga noho ny laingan'olona taminy izy dia hoe azo leferina izany. Tompon'andraikitra manoloana ny vahoaka amin'ny fihetsik'ireo minisiterany avy ireo Minisitra. Raha nisy mpiasam-bahoaka nandainga, iharàn'ny lalàna izy. Nefa eto dia ny minisitra no iharàn'ny fitsaran'ny vahoaka.

Izany no fomba fiasàn'ny demokrasian'ny lalàm-panorenana.

Mampahatsiahy ny minisitra mba hamerina hijery ny dingana fandraisana mpiasa i Khoo Kay Peng

Tokony hianaran'ny Minisitra Ahmad Zahid Hamidi haingana fa tsy ‘mandeha ho azy’ daholo ny zava-drehetra. Tsy anisan'ireo ny fiteny. Tokony hamerina handinika ny fepetra fandraisany mpiasa ny minisitera ka hanakarama ireo izay tena matihanina amin'ny teny Anglisy na fara-faharatsiny indrindra manakarama ireo izay marisika kokoa hanao asa tsara.

Eny, tena mahamenatra izany, tsy ho an'ny Minisitry ny Fiarovana ihany fa ho an'ny governemanta iray manontolo mihitsy.

Manolo-kevitra ho an'ny minisitera mba hijanona amin'ny teny Bahasa i Ktemoc Konsiders

Izaho manokana dia mahafantatra fa mampiasa ny teny Mangrish (Maleziana mifangaro Anglisy) ny Minisiteran'ny Fiarovana (Mindef) ao amin'ny vohikalany, satria in-droa nahazo hirika hidirana tao anatiny aho haka vaovao vitsivitsy, nefa nifanena tamina maharikoriko tahaka izany. Tsaratsara ho azy ireo ny mijanona amin'ny teny Bahasa.

Tian'i As I See It hianatra mampiasa ny Google Translate amin'ny tokony ho izy ny minisitera

Miangavy anao mba tsy handray anay ho toy ny dondrona! Na dia mampiasa ny Google Translate aza ianao– ny olona manana farim-pahaizana araka ny tokony ho izy dia mahalala fa tsy tokony ampiasaina avy hatrany tahaka izao izay dikanteny azo avy aminy. Ilaina ny mamototra ny fotokevitry ny teny; raha tsy izany dia hahazo fehezanteny tahaka ny etsy ambony ianao! Ho fanampin'izay, afaka mamerina mijery ireo hadisoana ihany koa ianao alohan'ny hamoahanao ny lahatsoratra voadika ao amin'ny vohikala – raha tena namerina nijery marina sy namerina nijery in-droa ianao. Afa-tsy hoe angaha, mazava ho azy, matory eo am-piasàna ianao.

Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy tao amin'ny Facebook. Mihevitra i Eric Chin fa tokony nanantona tambajotra tao an-toerana ny minisitera fa tsy niankin-doha tamin'nyGoogle Translate fotsiny:

Ity ny fanontaniana angatahana ho valiana : Fa dia nahoana loatra re ry lanitro ô no dia nampiasa ny Google Translate ny Minisitry ny Fiarovana raha toa ka afaka nomeny ny Ivontoerana Penterjemahan Negara izany asa izany?

Manontany i Mary-Ann Chong hoe maninona no tsy mba nisasatra nanakarama mpandika teny ny minisitera

Fa angaha dia tsy afaka manakarama mpandika teny ny Minisitry ny Fiarovana toy izay mampiàsa ny Google Translate? Anatin'ireo tolo-kevitra rehetra natao mba ‘hitsinjovana’ ny volam-bahoaka dia naka ny iray izay tsy tena tsara izy.

Mino i Mekanda Sandhu fa taratry ny fahantràn'ny fahaizana tenim-pirenena hafa ao amin'ny firenena io raharaha io

Ny tatitry ny Star momba ilay dikanteny Anglisy amin'ilay tari-dàlan'ny Minisitry ny Fiarovana mikasika ny fandraràna ny lalàn'ny fiatafiana “akanjo manaitra ny maso” dia fampahatsiahivana ratsy ny fahantran'ny fahaizantsika teny vahiny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.