Oganda : Ny Resabe Mikasika Ny Zanaky Ny Mpanjaka Buganda Ivelan'ny Fanambadiana

Ny Talata 17 Janoary 2012, ny Fanjakan'i Buganda ao Ouganda dia nanambara ny fahaterahan'ny zanaka lahy faharoan'ny mpanjaka  (Kabaka), Ronald Muwenda Mutebi II.

Nitàna ny sain'ny maro tao Oganda nisinisy kokoa ireo tomponandraikitra rehefa nolazain'dry zareo ho ren-tany ren-danitra fa  teraka ny volana Jolay ny taona lasa teo ilay zaza. Ilay fanambarana izay nahatonga resabe sy fanehoan-kevitra maro samy hafa dia niompana tany amin'ny renin'ilay zaza nantsoina tamin'ny anaran'ny fokony hoe ‘Nseenene’ (valala).

Ny anaran'ilay zazalahy dia Richard Ssemakookiro. Efa nanan-janaka lahy iray ilay Mpanjaka, ny Printsy Jjunju Ssuuna Kiweewa. Ilay zaza vao teraka io no fahadimy. Teraka ny resabe satria ilay Mpanjaka dia natao mariazy tany am-piangonana ny taona 1999 tamin'i Slyvia Nagginda,  ilay Nabagereka (Mpanjakavavin'ny) ao Buganda.

Ny Kabaka ao Buganda, Ronald Mutebi Muwenda, miaraka amin'ilay printsy vao teraka. Loharanon'ilay sary : Ny vohikala ofisialin'ny Fanjakan'i Buganda.

Ireo mponina ao Oganda dia nisafidy ny filazam-baovao sosialy mba hanehoana hevitra mikasika ilay vaovao, ny sasany dia manondro ny fijangajangana miharihary raha ny sasany milaza fa afaka manao izay tiany ny Mpanjaka. Bitsika iray sangisangy zary tenany tao Luganda no niely momba an'i Kabaka izay tsy nampiasa kapaoty :

@StoneAtwine: Ekyebeyi kya beyi, Kabaka tayambala condomu.

Izay vita dia vita. (tsy afaka ny hiady varotra amin'ny hatsarany ianao). – Kabaka dia tsy afaka ny hanao kapaoty.

Mpanjaka eo amin'ny tambajotran'ny filàna ara-nofo?

Misy dokambarotra malaza iray izay, mandeha ao Oganda amin'izao. Ilay dokambarotra dia miteny amin'ny olona mba “hiala amin'ny tambajotran'ny filàna ara-nofo” (manana vady mihoatra ny iray) mba hampihenana ny nety ho fihanaky ny VIH. Koa tamin'ny fotoana nivoahan'ilay vaovao mikasika ny zanaky ny Mpanjaka tamin'ny vehivavy hafa dia maro ireo mpandefa bitsika toa an'i @pmagelah no  nanambara fa mazava ho azy fa ilay Mpanjaka dia ao anatin'ny tambajotran'ny filàna ara-nofo :

@pmagelah : Ny ambadiky ny printsy vaovao ao #Buganda dia ny hoe misy Olona eo amin'ny TAMBAJOTRAN'NY FILANA ARA-NOFO ary ny loza dia tsy nampiasa fiarovana akory

Na dia i Oganda aza no lazaina fa maodely ho an'ny Afrika amin'ny ady amin'ny fanoherana ny VIH sy ny SIDA, io aretina io dia nisy fiatraikany lehibe tokoa tao amin'ny firenena. Ny governemanta sy ny fiarahamonina sivily dia mikatsaka fatratra fomba vaovao hanelezana ny hafatra ho fisorohana ny VIH. Isan'ny manana ny lanjany amin'ny ady amin'io aretina io ireo olo-malaza maro toy ny Mpanjakan'i Buganda.

Ny fanehoana ny fototra lalina sy ny fanekena ny fihanaky ny fananana vady maro ao Oganda, @pkahill dia milaza fa ilay Mpanjaka dia afaka mahazo ireo vehivavy izay tiany ao amin'ny fanjakany :

@pkahill : Ny Kabaka (Mpanjaka)  ao Buganda, dia ambonin'ny zava-drehetra, ankoatran'Andriamanitra. Izy no Mpanjaka, afaka ny hanana ny vehivavy izay tiany izy #buganda #swaziland

Miresaka ilay raharaha tao amin'ny Facebook, Richard Kavuma dia manontany hoe :

HANAMBARA NA TSY HANAMBARA ?
Araka izany, ny Lapan'i Buganda, dia nanambara fa ny Kabaka dia nanana zanaka ivelan'ny fanambadiana. Manontany tena aho hoe inona no tena mahaliana : Ny hoe nitranga ve izany ? sa ny hoe ny tao amin'ny Lapa no namoaka azy? Efa naheno Filoha tany Afrika Atsinanana isika hoe manana an'itsy na izatsy sipa izatsy na zaza kanefa tsy mbola niadian-kevitra ofisialy mihitsy na tsy nekena. Kanefa, mahatsikaiky hoe nahoana i Mengo no nanambara izany. Moa va fizàrana amin'ny fitantanana ny fahavoazana izany?

Iza no homen-tsiny? @EdrisKisambira dia milaza fa ireo sangany amin'ny vehivavy avy ao Baganda io (Ireo vehivavy ao amin'ny Fanjakan'i Buganda) :

@EdrisKisambira :  Tena marina nahoana no misy resabe mikasika ny #Kabaka ? Ireo vehivavy sangany ao Baganda no mandefa tafiotra any amin'izay tsy tokony hahitàna @tragicanon koa

Bitsika maro no niresaka momba ny toerana tsy dia tsara loatra misy ilay Mpanjaka vavy Nagginda. Nagginda sy ny Mpanjaka dia manana zanaka vavy iray ary ny zaza efatra hafa dia an'ny Kabaka. Tohan-kevitra maro no miampanga ilay Mpanjaka manodidina ilay mariaziny tany ampiangonana ary ny fananana zanaka ivelan'ny fanambadiana dia mampiseho ny fanitsakitsahany ny dinan'ny mariazy. Izany dia mampiseho ny disadisa misy eo amin'ny fanao ara-kolotsaina sy ny ekena ara-pivavahanana ao Oganda.

@Asinjadia dia manoro hevitra ilay Mpanjaka vavy hoe :

@Asinja : Rehefa manambady Mpanjaka ianao, tsy ny zava-tsoa ihany no azonao fa ny ratsy indrindra ihany koa, ny taranaka Mpanjaka dia tsy maintsy harovana

Mpandefa bitsika hafa no milaza hoe :

@jmwebaze : @primagaba @mugumya iza no miraharaha izay Reny any, manana printsy izao ny Fanjakana! LOL

Patience Akumu dia manontany tena hoe ahoana no mety ho fihetseham-pon'ny Mpanjaka vavy :

Manontany tena aho hoe ahoana ny mety ho fihetseham-pon'ny Nnaabagereka. Sady izy ihany koa anie no vadiny e. Kanefa izy dia niala ary nanan-janaka tamin'ny vehivavy hafa. Mbola nidina indray ny soatoavintsika ho any amin'ny fahafahantsika manan-janaka (Na ve ny fahafahana manan-janaka lahy?). Ary mbola mihatra amin'ny vehivavy hatrany ny kolontsaina izay milaza fa mety ‘hihena ny mahaizy azy ‘ raha toa ka tsy mamaly ireo fangatahan'ny vadiny izy. Manana fanajàna be ho an'i Nagginda aho (Mpanjakavavy  mandray andraikitra). Kanefa inona no afaka ataony amin'izao zava-mitranga izao? Inona no tokony ho lazainy amin'ireo vehivavy an'arivony mitodika any aminy taorian'iny ‘fanambarana iny’ ?

@serugo dia mihevitra fa resaka tsy misy dikany loatra ny fahaterahan'ilay zaza lahy iray. Tsy tiany hoe iny vaovao iny no hamily ny mason'ireo mponina ao Oganda tsy hiresaka ny toe-draharaha  ara-toekarena ao amin'ny firenena:

@serugo : Buganda “printsy mpandova” mbola resaka hafa indray? Miresaka momba ny olona foana! Efa 26 taona izay ilay fandaharanasa misy teboka 10 no lasa aretina 10 ho an'ny NRM.

Mugumya dia manontany tena hoe nahoana ny mombamomba ilay renin'ilay zaza no tsy navoaka. Tamin'ny fanombohan'ny lahatsorany, nilaza izy fa ilay fanambarana dia natao tanaty Aterineto :

1. Ilay fanambarana dia natao tanaty vohikala iray fa tsy tamin'ny onjam-peo na tamin'ny feon'amponga. Tena zava-dehibe izany satria natao mba hanehoana fa ilay Fanjakana fahiny dia efa lasa rafitra manara-penitra ankehitriny.

Na dia te-haneeho aza ny Fanjakan'i Buganda fa rafitra manara-penitra, ny fomba fitondrany ny vehivavy dia efa ntaolo be:

Ilay milin'ny Fanjakana PR dia mametraka ilay Fanjakana ho toy ny rafitra iray manara-penitra, kanefa ny fomba fitondrany ny vehivavy dia mahamenatra. Fantatro fa betsaka ireo olona no tsy hiteny n'inon'inona ny amin'izany, manahy ny fahatezeran'ireo Baganda namany. Kanefa mila ambara izany zavatra izany. Ilay Fanjakana dia tokony hivoatra kanefa ny fomba fitondrany ny vehivavy dia efa ntaolo be, tena efa ntaolo be sy tena ratsy, ary manao fika taloha be sy tena mahatsiravina toy ny tamin'ny andro fahagola.

Ankehitriny, aza resahina izany kolontsaina izany aho rehefa mampiasa ny aterineto ianareo hanaovana fanambarana goavana iray mahakasika ny ho avin'ny Fanjakana. Mila manaraka ny toetr'andro ny Fanjakana, kanefa amin'izao fotoana izao, tsy misy fanajàna ilay renin'ilay printsy kely mihitsy avy amin'izy ireo, tsy misy fankasitrahana azony afatsy ny fiantsoana azy amin'ny hoe avy any amin'ny foko Nsenene. Tsy manana endrika izy, tsy manana anarana. Izy dia fitaovana fanalana andro ho an'ny Mpanjaka ihany. Ary mankarary ny vavoniko izany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.