Tolo-dalàna Amerikana Mety Hampihorohoro Ny Aterineto Erantany

Ato amin'ny Global Voices, takatray fa isika, miaraka, no Aterineto. Ny fandraisan'anjarantsika isam-batan'olona no mahatonga ny Aterineto eto amin'izao tontolo izao ho fifanakalozan-dresaka lalina, mahazendana ary marovàny, saingy izany no tanteraka dia satria fotsiny eo ny rafitra ara-teknikany sy ny araka ny lalàna. Indrisy anefa, misy ny hery matanjak'ireo vondron'orinasa sy governemanta izy maniry ny hahita io fisokafana sy fahafaha-miditra aterineto io ho teritery. Katsahan'izy ireo ny hanapariaka ny sivana sy ny fanaraha-maso ka ataony amin'ny anaran'ny fiarovana ny zon'ny mpamorona, ampiasàny ireo fitaovana tena fampiasa any amin'ireo firenena tsy refesi-mandidy toa an'i Shina, Iran ary Syria mba hanivànana ny aterineto.

Tsy ijeren-dry zareo izay fampitandreman'ny vahoaka sy ireo mpahay teknolojia, fa ireo mpanao lalàna ao Etazonia dia naminavina tolo-dalàna roa, ny Stop Online Piracy Act (SOPA) sy ny Protect IP Act (PIPA), izay tena fampihorohoroana marina sy tena zava-doza ho an'ny fisofakan'ny aterineto manerana izao tontolo izao. Ho setrin'izany, ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices dia nanapa-kevitra nanatevin-daharana ireo vohikala toy ny Wikipedia, Reddit sy BoingBoing amin'ny “mandeha maizina” ka hanamainty ny pejy fandraisan'ny vohikala Global Voices Advocacy mandritra ny  ora 12 ny 18  Janoary, sady hamoaka sary famantarana amin'ireo vohikala hafa ao amin'ny Global Voices izay manome fampahafantarana misimisy kokoa mikasika ilay tolo-dalàna.

Stop SOPA/PIPA

Izahay dia vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena ahitàna mpirotsaka an-tsitrapo avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, manokan-tena hanely sy hanamafy ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra. Tato anatin'ny enina taona farany, izahay dia namokatra lahatsoratra maherin'ny 75.000 mifandrohy aminà bilaogy sy votoaty avy amin'olon-tsotra, ho anà mpamaky amin'ny tenim-pirenena maherin'ny 20. Malalaka ny fampiasàna ny votoatinay, ary malalaka ny fizaràna azy. Miantehitra amin'ny aterineto misokatra izahay mba hahatontosa ny tanjonay, ary amin'ireo vohikala fampahalalam-baovaon'olon-tsotra sy media sosialy izay ahafahana manao famoahana tsotra sy mizara votoaty. Ireo sehatra toy ny WordPress, Wikipedia, Twitter, YouTube, Flickr, Reddit, Tumblr, sy ireo vondrom-piarahamonina maro hafa mpamokatra media anaty aterineto  no mampiantrano ireo votoaty izay anankinanay  ny betsaka amin'ny asanay.

Ny fandanian'ny Kongresy sy ny ‘Senat’ any Etazonia ny SOPA sy ny  PIPA dia tsy maintsy hanery ireo sehatra media sosialy sy vohikala hafa izay mampiantrano votoaty vokarin'ireo mpampiasa azy mba hanara-maso hentitra sy hanivana ireo mpampiasa ireo, hanakànana azy ireny tsy hampakatra teny na sary izay mety hanohintohina ny zon'ny mpamorona. Izany dia mety hampisondrotra ny saran'ny fandraisana anjaran'ireo mpampiasa ireny vohikala ireny manerana ny tany, sy hanery tetikasam-pampahalalam-baovao sosialy maro hikatona, indrindra indrindra fa ireo vohikala sy fandraharahàna madinika .

Ahianay ity lalàna ity hitondra faneriterena sy fiantraikany goavana amin'ny asan'ireo mafàna fo ety anaty aterineto miaina eo ambany fanjakàna mpamoritra, hatramin'ny faneriterena ny zo fototra amin'ny fahalalahàna miteny manerana izao tontolo izao. Ampiasaina amin'ny tsy tokony ho izy ireo lalàna momba ny zon'ny mpamorona ao Etazonia, ary mety hitondra ho azy any amin'ny faneriterena ny fahalalahana miteny. Any amin'ireo firenena izay tsy dia manana rafi-pitsaràna mahaleotena loatra, zavatra tsotra sy fahita mazàna ny fampiasàna diso tafahoatra ny lalàna momba ny zon'ny mpamorona mba heneriterena ireo mafàna fo.

Ireo mpifarimbona ao amin'ny Global Voices avy amin'ireo firenena maro dia miatrika fanaraha-maso mahery setra sy tsy mitsaha-mitombo. Maro no any am-ponja, na nitsoa-ponenana. Ny fandaniana ireo tolo-dalàna ireo dia hafatra mazava alefa fa hoe ny governemanta amerikana dia mihevitra fa azo ekena ny hanaraha-maso sy hanivànana ny vahoaka mba hamantàrana ireo “hetsika tsy ara-dalàna” izay mazàna no aravona amin'ny resaka tsy fifankahazoana ara-politika sy ara-pinoana. Ny fahalanian'ny  SOPA sy ny  PIPA koa dia hanome hery goavana ho an'ny governemanta ao Etazonia hametra ny tena sandan'ny aterineto. Ny ho vokany dia tontolo iray mamoa-doza ho an'ireo bilaogera sy mafàna fo, ary tsy fahalalahana miteny ho an'ny rehetra.

Na dia nahantona mandritra ny fotoana tsy voafetra ihany aza tamin'ity herinandro ity ny SOPA amin'ny endriny ankehitriny, ny PIPA, amin'ny endriny nandrafetan'ny Senat azy kosa, mbola velona soa aman-tsara. Ary ireo antony sy hery manosika ho fandaniana ny lalàna dia mbola mitoetra. Noho io antony io, ny Global Voices dia manatevin-daharana ny fampanginana ny aterineto ny 18 Janoary 2012.

Lahatsoratra vao haingana (teny Anglisy) momba ny SOPA/PIPA ao amin'ny Global Voices Advocacy :

Loharano hafa hanakàrana bebe kokoa ny  SOPA/PIPA:

Ny azonao atao :

  • Raha teratany amerikana ianao, Americancensorship.org dia afaka manampy anao hifandray amin'ireo olom-boafidinao, na manampy anao hanatevin-daharana ny fitokonana. Fantaro bebe kokoa ny mikasika ny fitokonana, ao amin'ny www.sopastrike.com.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.