Nanao Jery Todika Ny Taona 2011 ny Global Voices “Néerlandais”

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ny  Global Voices  2011.

Raha toa ny taona 2012 ka efa mandeha tsara amin'ny làlany, ireo mpandika teny ao amin'ny Global Voices “néerlandais” dia nanao jery todika ny taona 2011. Inona ny lahatsoratra niavaka indrindra ary inona no mampiavaka ny Global Voices ?

Marjolein SnippeMarjolein Snippe dia manoratra hoe :

Vao tsy ela akory izay aho no nandika fanadihadiana fohy momba ny toby famokarana herinaratra ahodin-drano ao Belo Monte ary ny tohan-kevitr'ireo vazimba teratany manohitra izany. Avy eo dia hitako tao amin'ny Global Voices ny fanadihadiana momba izany. faly aho tamin'izany hoe nahasarika ny olona ilay resaka ary (indrindra) ireo vazimba teratany  manohitra izany dia manomboka henoin'ny governemanta Breziliana sy ireo mpanaraka maneran-tany ary ireo mpanohana any anaty lapam-pitsarana Breziliana ny feony.

Tena nanamarika ahy ilay lahatsoratra iray mikasika an'i Syria izay nadikako ny volana Mars. Ireo tantaram-piainana manokana rehetra ary ireo fitaintainana lalina dia nahatonga ny fiantraikan'ny ady tany amin'ny olona monina any ho hita maso sy azo notsapain-tànana bebe kokoa mitaha amin'ireo tatitra ofisialy anaty gazety!

Mieke TulpMieke Tulp dia manoratra hoe :

Ny fanontaniana momba ny lahatsoratra GV nanaitra tamin'ny herintaona, toy ny tsy azo ihodivirana ny firesahana ny Lohataona Arabo. Lahatsoratra iray izay nahasarika ahy  ilay mikasika  fiainana an-davanandro eny amin'ny kianja Tahrir.  Niompana tamin'ny toe-po miabo sy ny fahatsapan'ireo mpanao hetsi-panoherana izany. Nofy kely anaty tontolo mamay.

Ny tantara hafa avy any amin'ny firenena Arabo izay nahasarika ahy dia ilay fisamborana an'iRazan Ghazzawi. Ilay lahatsoratra dia saika voadika tamin'ny fiteny rehetra tao amin'ny Global Voices, ary misy antony izany. Izy dia navotsotra ny 18 Desambra.

Ny zavatra nisy fiatraikany ratsy tamiko dia ny : fahafatesan'i Troy Davis’. Novonoina izy ny volana Septambra. Tsy hitako izay holazaina ny amin'izany. Tokony tsy nitranga iny zavatra iny.

Ary ny tantara nahaliana dia ilay momba ireo ankizy  voatery miasa. Any Bolivia, ireo ankizy miasa dia nanangana sendikà hiantohana karama sy fepetra iasàna mendrika ho an'ireo ankizy. Io dia tantara momba ny ankizy matanjaka izay sady miasa no mandeha mianatra ary vonona ny hanorina ho avy tsaratsara kokoa ho azy ireo.

Percy BalemansPercy Balemans dia manoratra hoe :

Tamin'ny herintaona, dia nandika lahatsoratra maro mikasika ny Lohataona Arabo aho, lohahevitra izay noresahana be ihany koa tamin'ny filazam-baovao mahazatra. Saingy izy ireo dia nampiseho sarinà vahoaka be dia be. Izay no nahasarika ahy tamin'ilay tantaranà Ejiptiana Nadia El Awady izay nitondra ny rainy 73 taona teny amin'ny kianja Tahrir.  Fomba iray mahafinaritra nahazoana nanandrana ny tsiron'ny rivotra niainana sy namaky ny fomba niainanà olona 73 taona izany rehetra izany !

Tiako be ihany koa ny nandika ilay lahatsoratra “Vehivavy Afrikana Miady Ny Ho Filoham-pierena“. Ohatra lavorary ny amin'ny karazana lohahevitra izay tsy ho resahana any anaty filazam-baovao mahazatra mihitsy, kanefa hita ao amin'ny Global Voices.

Saskia BliemerSaskia Bliemer manoratra hoe :

Hitako ho nahaliana ny nandika ny “Korea Avaratra Mandrahona Ny Hamoaka Ny Resaka Niarahana Tamin'i Atsimo“, nosoratan'i Lee Yoo Eun. Na dia nahita sary betsaka avy any Korea Avaratra azy isika teo aloha kely teo,  dia mijanona ho mistery amiko io firenena io. Ny zavatra tsara mikasika ny Global Voices dia afaka mamaky ny hevitr'ireo mponina ao an-toerana ianao, izay mahatonga anao hahazo tsara ny zava-misy.

Fisaorana lehibe ho an'ny “néerlandais” mpandika teny rehetra  ao amin'ny Global Voices [nl]  tamin'ny fandraisan'izy ireo anjara ny taona 2011 ! Tianao koa ve ny handray anjara toy izany ? Mifandraisa aminay.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny  Global Voices 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.