Iran: Bilaogera Mety Hiatrika Famonoana ho Faty Fa Manevateva Ny Islamo

Voampanga ho “manivaiva ny Mpaminanin'ny Islamo” sy “Fahavalon'Andriamanitra” na “Miantsy ady amin'Andriamanitra”, fiampangana izay mety hitarika amin'ny fanamelohana ho faty any Iran, ny mpamaham-bolongana Iraniana 50 taona iray, Mohammad Reza Pour Shajari (na Siamak Mehr). Naharitra 15 minitra monja ny fitsarana azy tamin'ny 21 Desambra 2011.

Ny zanany vavy, Mitra Pour Sharjari,no nitantara tao amin'ny Deutsche Welle teny Farsi fa tsy nilaza tamin'ny mpitsara tsy hiaro ny tenany ny rainy, satria samy tsy teo avokoa na ny mpisolovava azy, na ny mpitsara hafa, eny fa na dia ny haino aman-jery aza. Niteny izy hoe, “Indray andro any, hiafina any an-tatatra [an-davaka] tahaka an'i Gaddafi ianareo.” Namaly ny mpitsara fa tsy misy mahasamihafa azy rehefa “Eto isika izao, ary ianao, sy ny olona tahaka anao, samy handoa ny sarany.”

Nosamborina tamin'ny septambra 2010 i Siamak Mehr. Araka ny filazan'ny Iran Land's Report, dia nitsikera tamin'ny teny maventy ny Repoblika Islamika sy ny Islamo tao amin'ny bolongany izy.

Tamin'ny hafatra farany nalefany tamin'ny 8 Septambra 2010 no niheverany ny mpitondra fivavahana Shi'ita ho vondrona mafia izay nandanilany foana ny harem-pirenen'i Iran hatramin'ny [Revolisiona Islamika tamin'ny] 1979.

Indro ny lahatsary maneho an'i Siamak Mehr mifatotra rojovy, heverina ho eny an-dalana ho any amin'ny fitsarana azy:

Ny mpamaham-bolongana Iranian Azarmehr manoratra momba izany ao amin'ity lahatsary ity hoe:

Fa iza moa no heverinao ho voarojovy, tanana aman-tongotra, hodidinina mpiandry revolisionera manokana rehefa nalaina hiseho eo anoloan'ny fitsarana revolisionera izy? Jiolahy atahorana? Ny marina, ilay olona hitanao mifatotra tongotra aman-tanana [etsy ambony] dia lehilahy mahafinaritra sady hendry, izay tsy hita ny maha-te-ho-tia aminy noho ny fampijaliana mianjady aminy ao am-ponja.

Mehdi Roud manoratra [fa]:

Ampangaina amin'ny lalàna fahagola [vanim-potoana antenantenany] noho ny famoahany ny heviny tao amin'ny bolongany ity bilaogera ity. Tsy mananjò ny hiatrika fitsarana azy ny fianakaviany… ary mety hahazo ny fanamelohana ho faty ny gadra politika tahaka azy.

Tamin'ny Febroary 2011, Bazaferinieazad namoaka ny taratasin'i Siamak Mehr iray izay nilazainy fa voampanga ho manohitonhina ny filaminam-pirenena sy fanompana ny mpitondra izy.

Voasoratra ao amin'ny antontan-taratasy momba azy ihany koa fa manivaiva ny fahamasinana [islamika] tahaka [ny nataon'i] Salman Rushdie (mpanoratra Karana Britanika izay malaza namoahan'ny Ayatollah Khomeini fatwa – azo vonoin'izay mahita azy) izy.

Tao amin'ny taratasy ho an-janany vavy no nanoratan'i Siamak Mehr:

Mitra malala,
Tsarovy fa tsy olona fotsiny aho fa fomba fihevitra iray ihany koa. Fomba fihevitra iray izay mifaka lalina any amin'ny Iraniana maro any, ary manam-panantenana lalina ihany koa aho fa amin'ny farany dia handresy ity ratsy ity isika, ity loharano mankahala olona sy fiainana ity. Na izany aza dia aza mijery ny fahasimban'ny vatako ho fahasimban'io fomba fihevitra io n oviana na oviana”

Maro ny mpamaham-bolongana nogadrain'ny fitondrana iraniana tao anatin'ny taona vitsivitsy izay. Ary ny fahafatesana mampahonena nahazo ilay mpamaham-bolongana Omid Reza Mirsayafi tany am-ponja tamin'ny 2010 dia nampiseho fa araka ny mampitoka-monina ny mpamaham-bolongana sy tsy ahafahany mifandray amin'ny ivelany no mety ahitany loza kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.