Yemen: Lasa Niaraka Amin'ny Vono olona Nataony i Saleh…Misitraka Famotsoran-keloka izy

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Yemen 2011.

Tamin'ny 8 Desambra 2011 ny Filankevitry ny minisitra Yemenita dia  nanao sonia ny lalàna izay manome famotsoran-keloka araka ny lalàna ho an'ilay filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh mifanaraka amin'ny fifanarahan'ny GCC (Fifanaraham-piaraha-miasa any amin'ny faritry ny Golfa), na teo aza ireo hetsi-panoherana nanerana ny firenena nangatahana ny hitsaràna an'i Saleh noho ny namonoany an'ireo mpanao hetsi-panoherana. Ny fanomezana azy sy ireo nanampy azy ary ny fianakaviany ny famotsoran-keloka no fepetra napetrak'i Saleh ho tambin'ny hanaovany sonia ny GCC.

Nangatoavin'ilay governemanta vaovao vao natsangana izany tolo-dalàna izany, izay hampandalovina holaniana eo anatrehan'ny parlemanta mba hivadika ho lalàna. Maneho hevitra ety anivon'ny aterineto ireo mpiondana aterineto:

@Yemen411 nibitsika hoe:

#GCCDeal lany androany tao amin'ny kabinetra #Yemen #YUG ilay tolo-dalàna momba ny famotsoran-keloka. Toa amin'ity herinandro ity ny parlemanta #Yemenita no handany ilay lalàna

@YemenUpdates nanampy hoe:

Minisitra efatra-ka vehivavy ny roa – no nandà tsy hifidy handaniana ilay lalan'ny famotsoran-keloka ho an'i #Saleh androany tao amin'ny kabinetra tao #Sanaa. #Yemen

Ny iray tamin'ireo vehivavy ministra izay nandà ny tsy hifidy ny Minisitra misahana ny Zon'Olombelona, Hooria Mashhoor, izay nibitsika hoe:

@Hooria_Mashhoor: Tsy misy idirako na kely aza ny famotsoran-keloka ho an'ireo nanitsakitsaka zon'olombelona # Yemen

Nangotraky ny diabe ireo arabe tao Yemen nandritra ny 11 volana lasa, nangatahana ny hitsaràna an'i Saleh momba ny andraikitra notanana tamin'ny famonoana Yemenita an-jatonjatony nandritra ny revolisiona nanomboka tamin'ny Febroary 2011.

@SummerNasser dia nampakatra lahatsary iray tamin'ireo diabe ho ao amin'ny Twitter, ny andro iray nialoha izay nitranga tao Taiz ary nakarin'i FreeDomTaiz tao amin'ny Youtube:

Diabem-behivavy ao #Taiz ho fiampangana ny tsimatimanota omena an'i Saleh, natolotry ny fifanarahana GCC. youtube.com/watch?v=8fRdrx… #Yemen #yf

@Dilmunite nanontany hoe :

Ok, aleo mba hotakariko ny amin'io… “ny governemanta Yemenita dia manome famotsoran-keloka an'i #Saleh”. Fa mba governemanta inona loatra izany e ? #Yemen

Ary i @Yemen4Change nanondro fa hoe nanatanteraka ampahany tamin'ilay fifanarahana ihany ny governemanta :

@Dilmunite araka ny fifanarahana GCC , #Saleh dia mahazo famotsoran-keloka tsy ho henjehana araka ny lalàna, noho izany ny gov firaisam-pirenena dia nanao fotsiny izay tao anatin'ilay fifanarahna #GCC #Yemen

@LibyanDictator nanamarika tamin'ny fomba nahatsikaiky :

Inona..m-paty?? Tsimatimanota ho an'i Saleh SYYYYYYY ireo rehetra izay niasa ho azy nandritra ny fitondrany hoe ? Mahay ianareo Saodiana ka.

Ny Kaomisera Ambony Momba ny Zon'Olombelona avy amin'ny Firenena Mikambana, tamin'ny Zoma, dia nandrisika ireo mpanao lalàna ao Yemen hanaja ny lalàna iraisam-pirenena manohitra ny fanomezana famotsoran-keloka ho an'izay nahavita zava-doza goavana tamin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.

@RealistChannel dia nanoratra hoe :

Tokony hiresaka amin'ny #UNSC i Navi Pillaymikasika ny famotsoran-keloka azon'i#Saleh, fa tsy ny gov ‘fampiraisana’ eto #Yemen. ohchr.org/en/NewsEvents/Pa…

Toy izao manaraka izao ny fanambaran'i Pillay :

Nanaraka akaiky ny zava-nitranga teto Yemen aho, indrindra fa ny resaka tena mikasika ny lalàna momba ny famotsoran-kelka haroso ho ao amin'ny Parlemanta ato ho ato ,” hoy ny Kaomisera Ambony. “Ny lalàna iraisam-pirenena sy ny politikan'ny Firenena Mikambana dia mazava momba izay resaka izay : tsy azo omena ny famotsoran-keloka raha toa izany ka misakana ny fanenjehana araka ny lalàna an'ireo olona izay mety ho tompon'andraikitra feno taminà heloka bevava iraisam-pirenena, isan'izany ny heloka an'ady, ny heloka momba ny zon'olombelona, ny fanenjehana ara-poko, ary fanitsakitsahana goavana ny zon'olombelona.
[…]
“Ireo niharan-doza dia manan-jo hitaky ny rariny, ny marina, fitsaboana sy fanonerana – ireo dia zo izay efa tafapetraka tsara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena,” hoy izy. “Izay lalàna nolaniana koa dia tsy maintsy manaja ny fitoviana manoloana ny lalàna – midika izany fa tsy tokony hisy fanavahana eo amin'ny olona izay mpomba ny governemanta na mpanohitra ary tsy misy fanavakavahana noho ny fifandraisana ara-pianakaviana. Ny olona tsirairay izay manao heloka bevava dia tompon'andraikitra ary tokony tsy avela handositra ny fitsaràna azy.

@crazyyafi nibitsika fa mivandravandra be ny hoe niezaka ny hilefa niaraka tamin'izany i Saleh :

Raha mangataka tsy miato ny famotsoran-keloka ianao, dia midika izany fa olona nanao heloka bevava ianao ary miezaka ny ho afaka amin'izany heloka bevava izany. #Saleh #Yemen

Toa kisendransendra fa nisy lahatsary nampihetsi-po iray navoakan'ny  SupportYemen tsy ela akory izay ho toy ny fampahatsiahivana anaty fahanginana ireo aina an-jatony latsaka tao anatin'ny fitroarana am-pilaminana tao  Yemen ho fanoherana ny fitondran'i Saleh :

Ireny maritiora ireny dia nanao sorona ny ainy mba hahafahan'ireo ambiny aty Yemen hiaina ny fiainana an-kalalahana sy ny demaokrasia, izay tsapan'ireo Yemenita fa tsy tokony hohadinoiny na hoe latsadatsa-poana ny ran'izy ireny.

@AfrahNasser nibitsika ny fahadisoam-panantenany :

Alaivo sary an-tsaina! mifanena amin'ny iray amin'ireo maritioran'ny fitroarana teto #Yemen hono ianao, inona no azonao hanazavana aminy ny famotsoran-keloka nomena an'i #Saleh ?! #NoImmunityToSaleh

An-jatony ireo  Yemenita nifamory teny an'arabe nanerana an'i Yemen nanohitra ny famotsoran-keloka izay neken'ny kabinetra.

Na izany aza, @Alruwaishan dia nibitsika izay noeritreretiny ho tsy maintsy vahaolana ho an'ny  Yemen:

Sahala amin'ny tsy mamaha ny olan'i #Saleh izany resaka famotsoran-keloka izany. Mazava fa ny fahafatesany ihany no hany alaolana amin'ity zavatra saro-bahana iainan'i #Yemen ity.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Yemen 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.