Slovakia: Olana Momba Ny “Asa sa Vola”

Namoaka lahatsoratra [sk] momba ny fanandramana natao tao an-tanànan'i Krompachy any atsinanan'i Slovakia ny gazety SME. Niangaviana hiditra amin'ny tetikasam-panjakana iarovana amin'ny tondra-drano ny tsy an'asa. Ao amin'io faritra manana taha ambony amin'ny tsy fananan'asa io dia efatra monja ny tovolahy nanaiky. Nandà avokoa ny hafa rehetra, nanambara fa mbola mahantra kokoa ry zareo raha mandray io asa io.

Nokajian'ny tanàna ny tetibolan'ny ankohonana ao an-toerana misy olona fito – ny iray lehilahy manambady nanaiky hiditra amin'ilay asam-panjakana, ny iray hafa kosa tsy an'asa. Hitany avy teo fa noho ny fahaverezan'ny tombontsoa azo amin'ny tsy fananan'asa sy noho ny fahalafosan'ny saram-pitanterana dia latsaka 140 euros noho ny an'ilay tsy an'asa ny volan'ilay nanaiky ny asa.

“Ka nahoana moa aho no tsy maintsy miasa? Hifoha isa-maraina hiasa? Ho alain-dry zareo ny vola [tombony] solon-tsakafon'ny ankizy, ho an'ny hofan-trano ary tsy vola kely izany. Aleoko tsy miasa raha izany ary mbola misy tahiry azo atao aza,” hoy i Gejza, rain'ny ankizy efatra notsongain'ny gazety.

Ny tsy voalazan'ny gazety dia ny fiheveran'ny Slovaky maro fa ilay olona tsy an'asa manan-janaka maro, heverina ho manana anarana Hongroà ary miaina any amin'ny faritra atsinanan'i Slovakia dia tahaka ny avy amin'ny foko Roma.

Niteny tamin'ny gazety ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Asa, Lalàna Sosialy ary ny fianakaviana fa “mahafantatra ny tsy fahatomombanan'ny rafitra fanampiana ireo olona mila izany ny minisitera. Noho ny fisian'izany no niezahan'ny minisitera hampiditra fanovana, mba ho izay mendrika izany no omena azy. Saingy indrisy moa fa nisetra fanoherana ny volavolankevitra ary mbola tsy tonga any amin'ny dingan'ny fifampiraharahana. Na izany aza, mbola manohy ny fitadiavana ny rafitra mety izahay.”

Ireto ambany ireto ny fanehoan-kevitra sasantsasany hita tao amin'ny lahatsoratra.

Element:

Na dia mihoatra 140 euro aza ho an'ny olona miasa dia tsy hanampy azy loatra izany. Satria ho an'ny olona tsy niasa mihitsy hatrizay niainany dia tsy hahatonga azy hiasa izany.

Mrmr:

Lahatsoratra […] mamitaka tanteraka. Tsy ny tombontsoa ara-tsosialy no ambony fa ny karama no ambany. Raha niteny ry zareo hoe 1000 eurros isam-bolana ny raisina amin'ny fiarovana amin'ny tondra-drano, dia ho hafa ny isa sy ny fampitahana…

Smeckar:

tsy tokony ho lasitra ny fanampiana ara-bola ho an'ny ray aman-dreny, fa tokony ho tahaka ny singa miala avy amin'ny karama. Izay tsy miasa dia tsy mandray vola … fa raha tsy izany dia tsy mahavita mampiasa olona ianao…

buster234:

Inona moa no iasany raha miasa ho azy ireo isika! Ary rehefa tsy ampy ny vola, dia hiakatra ny fandraisana anjara ara-tsosialy avy amintsika!

addis pareba:

Tsy ny volanjaza sy ny tombontsoa ara-tsosialy no ratsy fipetraka fa ny fomba fanomezana karama ny asa.

Tress:

Iza no manoratra fa ambony loatra ny fanampiana ara-tsosialy? Tsy izany ka. Hilaza amiko ve ianareo ho be loatra ny 450 euros ho ana-fianakaviana iray misy olona enina? tsia. Ilaina ny mampiakatra ny karama fa tsy mampihena ny tombo kely madinidinika kosa!

djmaros (mamaly):

Misy mijoro eo amin'ny lalanao? Mangataha amin'ny lehibenao hanampy 500 euros isam-bolana. Hanaiky izy?

treke:

Ho an'ny mpitsentsitra dia be loatra izany. Ho an'ny olona miahy ny tenany manokana ary mikendry ny hihinambe sy hisotro tafahoatra ny tambin-kasasaran'olon-kafa, dia mihoatra noho ny 100% ilaina izany.

racional:

Nisedra fanoherana? Fa izany izany mpanohitra ny fampihenana ny fanampiana omena ny vavan'ny tsy miasa izany?

mudla (ho valiny):

Tena mahita ny zava-misy ny mpanohitra. Aiza no tadiavin'ny minisitra ampiasa io tsy an'asa io hampisy fahamendrehana? Firy ny isan'ny tsy an'asa eto amintsika amin'ny toerana [asa] iray mitady mbola malalaka?

zeta reticuli (ho valiny):

Aiza no ampiasana azy ireo? Asam-panjakana. […] Mamirapiratra avokoa ny arabe […]. Farafaharatsiny tsy hangalatra ry zareo ary hanao zaza.

econoir.sk:

Aza dia tsotrabe e. Mpifidy 400.000 io.

zeta reticuli:

Ny vahaolana … rehefa miasa ilay tsy an'asa dia tsy tokony esorina aminy avokoa ny fanampiana iray manontoloa, fa mba ahena … Amin'izay fotoana izay dia mba tsy ambany vola raisina noho ny tsy miasa izay miasa, na dia ambany aza ny karamany.

prdola:

“Minisitera: Tsy maintsy atao ny fanovana”
Hiasa mafy kokoa ny olom-potsy ary ho amina vola kely kokoa.

Lionluck1971:

Fanontaniana tokana: mpiasam-panjakana firy no ilaina hanao asa-marika vitan'ny Roma iray tsy avara-pianarana kajiana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.