Syria: Tolona ho amin'ny Fahafahana Sy Famaranana Ny Fahanginana

Hatramin'ny volana Martsa 2011, tonga hatrany Syria ny fitroarana niainga tao Tonizia sy Ejypta, an'arivony ireo namoy ny ainy tamin'izany ary an'aliny kosa ireo nosamborina sy tsy hita popoka. Miatrika famoretana tsy mbola nisy hatrizay sy ady atao amin'ny haino aman-jery hanalana endrika fanoherana amin'ny endriny rehetra ny mpikatroka Syriana.

Na dia izany aza, nameno ny aterineto ny hafatra navoakan'ireo mpiserasera izay miezaka mamaky ny rindrin'ny fitantarana arahin'ny fanjakana maso. Mampiseho fanadihadiana nosafidiana manokana tamin'ireo votoaty navoakan'olon-tsotra an-tserasera ity lahatsoratra ity izay mampahafantatra ny tolom-bahoaka Syriana ho amin'ny fahalalahana sy ny fahamendrehana, ary koa ny fiafaran'ny fahanginana nandritra ny efapolo taona.

Adin'ny Fahanginana sy ny feon'ny mpiserasera

Nahafahan'ny fitondrana nampangina ny vahoaka sy ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena ny fananaraha-maso nataon'ny fanjakana tamin'ny haino aman-jery Syriana am-polony taona.  Ny governemanta Syriana no tompon'ny tsenan'ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena, ny feno lalàna indrindra ao amin'ny faritra, ary voarara tsy hiditra ao amin'ny firenena ny mpanao gazety iraisam-pirenena. Mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana mitampim-bava manome hafatra mahery vaika avy ao amin'ny “tanàna nodoboina ao Kafar Nabel” ity sary ity. :

From Occupied Kafar Nabel, 4 December 2011. Author unknown.

Hatrany Kafar Nabel doboina, tamin'ny 4 Desambra 2011. tsy fantatra ny mpaka sary.

Inona no atahoranareo?

Nandritra izay volana vitsivitsy lasa izay, nitolona tamin'ny rindrin'ny tahotra nanjaka nandritra ny 41 taona ny Syriana. Ahitana tovolahy iray mitafa amina lahy antitra iray ity lahatsary niparitaka be tamin'ny serasera ity, mitanisa ny antony nampatahotra azy sy ny famporisihana azy tsy hihorohoro. Nofaranany toy izao ny resany “Ny fahanginanao no fitaovana mahery indrindra eo am-pelantanan'izy ireo”.

Mba hanampiana ny voalaza, Samar Dahmash Jarrah ni-tweet hoe:

Tahaka ny nofimitsangana ny mandefa fahitalavitra ka mahita Syriana an'aliny mihiaka Fahafahana Fahafahana, fa tsy izany intsony!

Fampanginana ny mpanao fihetsiketsehana

An'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana namoy ny ainy hatramin'ny fiandohan'ny fitroarana tao Syria ny volana Martsa . Niteraka fanafintohinana sy fahatezerana noho ny halozan'ny fitondrana ny fahafatesan'ilay tovolahy Syriana 13 taona Hamza al-Khatib, maty novonoina an-kerisetra nandritra ny fitazonana azy am-ponja. Mpanao fihetsiketsehana milamina an'arivony tahaka an'i Ghiath Matar, 26 taona, avy ao amin'ny manodidina an'i Damaskosy, Daraya, koa no niharan'ny herisetra toy izany. Fantatra fa Ghiath no mpitari-kevitra tamin'ny fampiasana tavoahangy misy rano ary voninkazo ho valin'ny herisetra sy ny basin'ny mpitandro ny filaminana.

Taorian'ny fahafatesany tamin'ny 10 Septambra, namoaka fanambarana iombonana milaza ny nofinofin'i Ghiath sy ny antony nahafatesany ny Vaomiera Mpandrindra ao An-toerana  :

Niandrandra fiterahana roa i Ghiath: ny fahaterahan'ny zanany vavy izay tsy mba notrotroiny akory, ary ny fahaterahan'ny fahafahana vaovao, marina sy demokratika ao Syria, izay tsy mba ho hitany akory kanefa kosa ho fahatsiarovana azy mandrakizay izany. Mpanohana ny tolona milamina i Ghiath sy ny namany ao Daraya. Nihevitra izy fa tsy hisy izany Syria afaka sy mandroso izany raha tsy amin'ny alalan'ny tolona milamina ataon'ny vehivavy sy ny lehilahy Syriana manoloana ny herisetran'ny fitondrana, tolona am-pitiavana hanoherana ny lahateny miendrika fankalahana, sy ny tsy ampiasana ny fanaon'ny mpanapa-doha sy ny fitaovany.

On the left: martyr Ghiath Matar; on the right: detained Yahia Shurbaji. Image from razanghazzawi.com.

Eo ankavia: martiora Ghiath Matar; eo ankavanana: Yahia Shurbaji nogadraina. Sary avy amin'i razanghazzawi.com.

Bilaogera Syriana @Bsyria ni-tweet:

RIP Ghiath Matar. mpitolona milamina i Ghiath. Zatra manolotra voninkazo sy rano amin'ireo miaramila ao Daraya izy . Nampijaliana ho faty izy. #Syria

Mampangina ny mozika

Raha misy hira iray tahaka ny hira fanevan'ny revolisiona Syriana, dia ny hoe “Yalla Irhal ya Bashar” (fotoana hialana izao, Bashar), izay noventsoin'ilay mpanakanto Hama  Ibrahim Kashoush. Tamin'ny 5 Jolay, hita fa maty i Kashoush, noesorina taminy ny hoza-peony, toy ny valifaty noho ny esoeso nataony tamin'i  Bashar Al-Asad izany. Na izany aza, niely hatrany ny feony amin'ny alalan'ny lahatsary misy ny fihetsiketsehana ao Hama, izay tsy azo nampanginina :

 

http://youtu.be/3mG3V2fBYbw

Bilaogera Saodiana Ahmad Al-Omran, mpianatra asa ao amin'ny NPR, mandany ny fotoanany amin'ny fandrindrana ireo lahatsary sy vaovao momba an'i Syria alefan'ny mpiserasera. Aorian'ny asany, ni-tweet izy hoe:

Inona ny fandaharam-potoanako faran'ny herinandro? Rehefa vita ny fijerena ireo lahatsary rehetra avy ao #Syria androany, tsy misy dikany intsony izay ho fandaharam-potoanako.

Mampangina ny vazivazy

Mpanao sariitatra Syriana malaza Ali Ferzat, filohan'ny Fikambanana Mpanao sariitatra Arabo, namoaka sariitatra ahitana an'i Bashar Al-Assad mitazona  valizy ary mihazakazaka hiditra ao anaty fiara entin'i Gaddafi. Novonoina an-kerisetra i Ferzat tamin'ny 26 Aogositra ary tapaka ny tanany anankiroa noho ny  “vazivazy nataony tamin'ny filohan'ny Syriana.”

 

Image by Syrian cartoonist Ali Ferzat

Sary avy amin'ilay mpanao sariitatra Syriana Ali Ferzat

@Freedom_7uriyah ni-tweet hoe:

Ny tiako lazaina amin'i Assad, jereo akaiky tsara i #Libya, ianao indray no manaraka. #AssadLies tsy hitondra anao ho aiza ny lainga

Fampanginana mpanao gazety sy mpamaham-bolongana

Nampivarahontsana ny fitomboan'ny lisitr'ireo mpanao gazety sy mpamaham-bolongana novonoina ho faty, nosamborina, nampijaliana hatramin'ny fiandohan'ny fihetsiketsehana tamin'ny volana Martsa. Mpaka sary Ferzat Jarban no hita faty tamin'ny 20 Novambra, nipotsaka ny masony tamin'izany. Naka sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana izy tao an-tanànan'i Al-Qasir, Hama.

Free Razan poster

Afisy anafahana an'i Razan poster

Kinendrin'ny governemanta ihany koa ireo mpamaham-bolongana tahaka an'i Hussein Ghrer sy Razan Ghazzawi, iray amin'ireo mpamaha bolongana fanta-daza no sady mpandray anjara taloha tato amin'ny Global Voices Online. Razan, voampanga ho “nanohintohina ny filaminam-pirenena sy nikasa hampiteraka ady an-trano”, noafahana tamin'ny 18 Desambra izy, saingy maro ireo hafa mbola any am-ponja sy tsy hita popoka.

Bilaogera Syriana @anasqtiesh ni-tweet tahaka izao;

”Manohintohina ny filaminam-pirenena, sy mikasa hampiteraka ady an-trano” no tokony hampangaina an'i Assad. #Syria#FreeRazan

Nahazo ny fanohanana manerantany ny Syriana

Satria mbola mitohy ny fitroarana ao Syria, ary na dia eo aza ny fikasana hampanginana ireo mpitolona, teo foana ny firaisankinan'ny vahoaka Syriana. Fandraisana andraikitra an-tserasera marobe no nampiseho fa nanjary mazoto mamorona kokoa ny mpitolona mba hisarihana ny sain'izao tontolo izao mikasika ny zava-mitranga mitohy ao Syria.

Mangataka ireo olona mba handray anjara amin'ny lahatsary ho firaisankina miaraka amin'ny mpanao fihetsiketsehana ny fanentanana ataon'ny SitIn Syriana ao amin'ny YouTube notontosain'ny fikambanana avy ao an-toerana mampahalala vaovao. Ahitana kinova maromaro ny fanambarana hita ao amin'ny lahatsary navoaka tao amin'ny kaonty:

 

نجتمع فيه كلنا معاً ومن كل مكان في العالم ومن كل الجنسيات… لنعلن تضامننا مع مطالب الشعب السوري الحر، ولنقول جميعنا  وبصوتٍ واحد لا للقتل لا للظلم لا للقمع لا للقهر، ولنقول لبشار الأسد ونظامه وعصابته أننا وبعون الله سنسقطكم ثم سنحاكمك
Ho tafita isika rehetra, avy amin'ny lafo valon’ izao tontolo izao, lehilahy sy vehivavy, maneho ny fanohanany amin'ny fitakiana ny fahafahan'ny vahoaka  ao Syria, ary hanambara amin'ny feo mafy, feo tokana hoe, Tsy Mila Famonoan'olona, fampijaliana sy ny tsy rariny.

@honestmenofsyri ni-tweet hoe:

هذا الاعتصام ليس بديلاً عن الاعتصام والتظاهر السلمي على أرض الواقع بأي شكل من الأشكال، وإنما هو وسيلة إضافية..
Tsy solon'ny sit-in sy fihetsiketsehana eny an-dalana velively ny sit-in an-tserasera, fa fitaovana fanampiny mba hanatrana ny tanjontsika fotsiny.

Syria 2012

Satria efa nifarana ny taona 2011, nanomboka nampiasa teny fototra #Syria2012 ny mpitolona Syriana mba hanehoana ny ampitson'ny Syria –  Syria ho amin'ny fahafahana, fahamarinana ary fahamendrehana. Fadi al-Qadi ni-tweet hoe:

Syria2012 “Amin'izany taona hoavy izany, ho lasa filoha teo aloha i Bashar Al-Assad”

Mouhanad Abdul Hamid nanampy hoe:

Handeha hiditsika ireo fianakaviako aho ary hiverina hody an-tranoko any Damaskosy ao Syria amin'ny 2012 taorian'izay taona maro nialokalofana izay.

Nora Bashra nanamarika:

Syria 2012, teny hivalona ho amin'ny lasa ny hoe “fampijaliana”. #Syria

Nour al-Ali nanantena fa:

#Syria2012 ‏ التعليم رح يصير شي أساسي بالبلد.. ورح نبدأ نقضي ع الأمية
Ny fampianarana no ho laharam-pahamehana ao amin'ny firenena… ka hofoanantsika ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra

Ahmad Ibn Rashed Ibn Said namarana hoe:

Tsy ahitana jiolahy sy kadradraka intsony ny Syria2012, ho afaka amin'ny amboadia sy ny alika, ary feno orokoroka sy finamanana

 


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.