Amerika Afovoany: Navoakan'ny Tetikasa LibreBus Ny Fanadihadiana Notontosainy

Volana maromaro izay no lasa raha nitety ny araben'ny firenena dimy ao Amerika Afovoany mitady kolontsaina sy fahalalàna malalaka ifampizaran'ireo mpankafy izany ny LibreBus [es].

Araka ny nohazavain'i Jane Park tamin'ny Oktobra 2011:

Librebus, tetikasa teraka avy amin'ny toetran'ny Kolontsaina Afaka, izay nanaovana fitetezam-paritra indrindra fa tamin'ny volana Mey tamin'ity taona [2011] ity dia mikendry ny hisian'ny fifampizarana kolontsaina ao Amerika Afovoany sy ao amin'ireo vondro-piaraha-monina nomerika ao aminy. “Librenautas” [mpiserasera ankalalahana] 27 samihafa zom-pirenena, fiaviana sy talenta, avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny rindram-baiko malalaka, mpizaka ny Creative Commons, mpikatroka amin'ny fahalalaham-pitenenana sy manampahaizana manokana momba ny voahary iraisana, no nifampizara ny fahalalany “mivelatra” amin'ny hafa mandritra ny atrikasa isankarazany, toy ny tapatapakahitra ka hatramin'ny hackathons [tetikasa lavitrezaka miaraka atsangana ary ny Salon CC notontosaina voalohany ao Amerika Afovoany tany Goatemalà.

Nasiana tafatafa niarahana amin'ny solontenan'ny vondrom-piaraha-monina isan-karazany mampiroborobo ny fampiasana ny teknolojian'ny fampitàna sy ny fifandraisana hatrany isaky ny tanàna nandalovana. Nikarakara fihaonana tamin'ny olona isan-toerana mandala ny rindrambaiko malalaka na/sy firovana ny fahalalaham-pitenenana mbamin'ny fifampizarana votoaty ihany koa ny ‘mpiserasera ankalalahana’ LibreBus.

Afa-nianatra momba ny fizakà-manana iraisana ara-kolontsaina ny mpitendry mozika, ny artista ary ny mpisera amin'ny ankapobeny. Afaka nianatra ny fivoaran'ny fahalalàna sy ny tsindry ara-teknolojika atrehin'ny tantsaha any amin'ny faritra noho ny lalàna sy ny fampiasana voa novàna zenetika ihany koa ny mpandray anjara.

Hita an-tserasera ankehitriny ny lahatsarim-panadihadiana [es] mampiseho ny atrikasa isan-karazany nitranga tany Costa Rica, Nikaragoa, Honduras, El Salvador, ary Goatemalà. Efa mieritreritra ny hikarakara fitetezam-paritra mitovy amin'iny ihany ny mpikarakara, ao ambany faneva iray ihany: Fahalalàna iraisana afaka [malalaka].

Indreto ny sasantsasany notsongaina tao amin'ny fanadihadiana:

El 16 de mayo de 2011 LibreBus dejó de ser un viaje por Centroamérica para convertirse en un compromiso.

Ny 16 Mey 2011, tsy fitsangantsanganana mamakivaky an'i Amerika Afovoany fotsiny intsony ny  LibreBus, lasa andraikitra raisina.

LibreBus leaving Honduras. Image by Flickr user LibreBus (CC BY-NC-SA 2.0)

24 personas subieron y bajaron en el trayecto pero son muchos más los que comparten la filosofía de ser librenauta.

24 no miditra sy mivoaka ny fiara amin'iny lalana iny fa mbola maro no mifampizara ny filozofian'ny mpivezivezy [mpiserasera] malalaka [afaka].

Ser librenauta es seguir un camino: el del conocimiento libre para todos y todas.

Raha te-ho mpivezivezy afaka dia manaraka tondrozotra iray: fahalalàna malalaka ho an'ny rehetra.

Azo jerena ao amin'ny vohikalan'ny LibreBus [es] ny fampahafantarana mifandraika amin'ny rindram-baiko malalaka, sarin'ny dia, ary hafatra navoakan'ny mpandray anjara sasantsasany. Azonao arahina amin'ny Twitter @Librebus [es] sy ny Facebook [es] ny tetikasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.