Ny Fihiràna Ny Hiram-pirenena Amin'ny Fiteniny Manokana

Raha nanaraka ny Lalao Eran-tany ho an'ny Rugby 2011 ianao, dia mety ho nahatsikaritra fa ny mpilalao sasany avy ao amin'ny firenena mpampiantrano,  Nouvelle Zelande sy ireo mpanohana azy dia nihira ny hiram-pireneny tamin'ny fiteny roa. Efa niandry hatramin'ny 1999 tamin'ny lalao nifanandrinany tamin'ny Angletera,  ka tamin'izany ny iray tamin'ireo hiram-pirenena roa ofisialy, “God Defend New Zealand” no nampahafantarina tamin'ny endriny hafa ny andininy voalohany natao tamin'ny fiteny Māori ary ny andininy faharoa tamin'ny fiteny Anglisy. Izy roa mitambatra ireo dia samy fiteny ofisialin'i Nouvelle Zelande, kanefa ny fiteny Anglisy no betsaka mpiteny sady maro no mahazo azy. Kanefa, ny tantaran'ny fiteny Māori dia efa tamin'ny taonjato faha 13, izay mbola talohan'ny nahatongavan'ireo Eoropeana mpanjanaka.

Kanefa, noho ny fitiavana ny fanatanjahan-tena “rugby”, izay i Nouvelle Zelande no Tompon-daka Eran-tany, dia izy no nitondra ny mpiray tanindrazana ho liana amin'ny fianarana ny tonon'ny hiram-pirenena.

Lahatsary tamin'ny lalao ny taona 2005:

Raha ny hevitr'i Ashley Mackenzie-White avy amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Vakoka, anarivony no nitsidika ny tranonkalan'ny Ministera mba hihaino na hianatra ilay hiram-pirenena amin'ny fiteny roa. Karaitiana Taiuru, Māori iray mafàna fo amin'ny teny sy ny teknolojia, dia nanolotra ireo tononkira‘ny hiram-pirenena tao amin'ny bilaoginy :

E Ihowa Atua
O ngā iwi mātou rā,
āta whakarongo na;
Me aroha noa.
Kia hua ko te pai;
Kia tau tō atawhai;
Manaakitia mai
Aotearoa.

God of nations at thy feet
in the bonds of love we meet.
Hear our voices, we entreat,
God defend our free land.
Guard Pacific’s triple star
From the shafts of strife and war,
Make her praises heard afar,
God defend New Zealand.

<<Ry Andriamanitry ny firenena ewo an-tongotrao
anaty rohim-pitiavana no ihaonanay.
Henoy ny feonay,  mitalaho izahay,
Andriamanitra o, arovy ny taninay afaka.
ry kintana telon'ny mpiambina an'i Pasifika
amin'ireo vovom-pifanolanana sy ady,
Ataovy manakoako lavitra any ireo vavaka ataony,
Andriamanitra anie hiaro an'i New Zealand.>>

I Afrika atsimo dia firenena iray manana hiram-pirenena amin'ny fiteny maro. Manana fiteny ofisialy miisa iraika ambin'ny folo, ny hiram-pirenena dia misy ny fiteny dimy be mpampiasa indrindra ka ao anatin'izany ny Xhosa, Zula, Sesotho, Afrikana, ary ny Anglisy.

Na izany aza, dia misy firenena hafa manerana izao tontolo izao mety hanana fiteny ofisialy maro, ny hiram-pirenena niandohana no hiraina matetika amin'ny fiteny iraisan'ny maro. Ohatra, i Bolivia dia fifangaroam-pirenena  manana fiteny ofisialy miisa 36 izay efa nankatoavian’ny Lalàm-panorenana ary ny Hiram-pireneny dia hiraina voalohany indrindra amin'ny fiteny Espaniola. Kanefa, tsy nanakana ny hafa handika ny tonony amin'ny fiten'ny fiaraha-monina vazimba teratany izany.

Any amin'ny toerana iray ianao mety hahita ireo dikany hafa ireo amin'ny alalan'ny lahatsarin'ny haino aman-jerim-pirenena izay nalefa tao amin'ny YouTube. Raha tsaraina avy amin'ny tsikera tao amin'ireo lahatsary ireo, ireo lahatsary dia fahatsapàna rehareha ho an'ireo mpiteny ireo fiteny ireo mba hanandratana avo ny voninahi-pireneny amin'ny alalan'ny fiteniny manokana.

Ity no dikany iray amin'ny Bésiro (Chiquitano) nalain'i Carla Guzmán, nohirain'ireo ankizy mpianatra avy amin'ny vondrom-piarahamonina ao San Antonio de Lomerio.”

Ao Peru, ny Vondrom-piarahamonina “National Andean”, Amazoniana, ary ny Afro-Peruvian Community Development Institute (INDEPA), sampan-draharaha iray an'ny governemanta dia nahavita tetikasa iray  hanolorana ny hiram-pirenena amin'ny fiten'ny fiaraha-monina vazimba teratany miisa efatra: Aymara, Awajun, Asháninka, ary ny Quechua. Hita ao amin'ny fantsona Youtube an'ny INDEPA ireo lahatsary ireo.

Ity no hiram-pirenena amin'ny fiteny Asháninka, izay fitenim-paritry ny olona 30,000 eo ho eo any amin'ny faritra Amazona Breziliana sy Peroviana:

Ary ao Venezoela, ny tsirairay dia afaka hahita ohatra maro  ny dikan'ny hiram-pirenena amin'ny fitenin'ny fiaraha-monin'ny vazimba teratany aminà lahatsarin'ny haino aman-jerin'olon-tsotra. Ohatra, ireto ireo lahatsary hiraina amin'ny fiteny Warao, Wayúu, ary ity iray ity dia fiteny  Pemon nohirain'ny ankizy mpianatra ao amin'ny Ciudad Bolívar Orchestra sy ny Choir “FRANSOL”.

Misy ohatra marobe aminà lahatsarin'ny haino aman-jerin'olon-tsotra hita ao amin'ny YouTube, tsy avy any Amerika Latina fotsiny, fa avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao. Hitondra ohatra maro ho anao izahay avy amin'ireo firenena ireo amin'ny lahatsoratra amin'ny hoavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.