Tiorka: Tsy Mahazo Mibitsika Avy Any Amin'ny Lapam-pitsaràna!

catégorie: news

 

Entitra kokoa ny mpitsara androanyhoy ilay bitsika, “Mpitandro filaminana manao akanjon'olon-tsotra isaky ny filaharana! Samy manara-maso ireo izay mitoraka bitsika!

Any Istanbul-Tiorkia, androany no andro faharoa hiatrehana ny fitsarana ho an'ireo mpanao gazety 10 voasambotra. Firenena mitarika ny lohany i Tiorkia, eny fa mbola alohan'i Shina sy Iran aza amin'ny fanànana mpanao gazety 107 voasambotra.

Koa satria tsy mitatitra ny vaovao araka ny tokony ho izy ny mediam-panjakana any an-toerana, tsy manan-tsafidy afa-tsy ny mitoraka bitsika avy any amin'ny lapam-pitsarana ny naman'ireo mpanao gazety voatana. Araka ny lalàna Tiorka, misokatra ny fihainoan'ny fitsarana raha tsy misy ny didim-pitsaràna mandràra izany. Nefa hatramin'ny omaly, tsy nitsahatra ny nampitandrina ny mpitsara, sady nandrahona ireo izay nikasa hamoaka ny vaovao avy ao anaty lapam-pitsarana. Androany izy dia nilaza fa ireo izay mitoraka bitsika dia ho henjehana araka ny lalàna. Samy tsy nisy nahatakatra ny mety ho endrik'izany “fanenjehana” izany na ireo mpanao gazety na ireo mpisolovava. Indrisy, mbola nitoraka bitsika ihany izy ireo.

Lasa fitaovana ara-dalàna (sy mahafaty) entin'ny Governemanta Tiorka hampanginana ireo tsy miombon-kevitra aminy sy ireo mpanao gazety ny fisamborana ara-politika. Araka ny AFP dia 1/3-n'ireo mpampihorohoro eran-tany no any Tiorkia. Ilaina ny mampatsiahy fa ireo mpianatra 500  , 107 mpanao gazety sy Kiorda mpanao politika an'arivony voatàna dia nosokajiana ho “mpampihorohoro” anatin'ireo raharaha ara-politika ireo. Ny mampihomehy, omaly ny Minisitry ny Atitany Tiorka dia nilaza fa “Tsy any an-tendrombohitra ihany no misy ny fampihorohoroana fa anatin'ny tononkalo ihany koa, anatin'ireo sary hosodoko, anatin'ireo anjerimanontolo, anatin'ireo Fikambanana tsy Miankina amin'ny Fanjakana. Tsy maintsy fongorina ihany koa izy ireny“.

Mba ahazoanao vaovao tsy tapaka, araho ny @oemoral, @petite1ze, @etemelkuran amin'ny fitorahana bitsika mivantana avy ao amin'ny lapam-pitsaràna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.