Ejipta : Vehivavy # SCAF – Iza No Handresy ??

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ny Revolisiona ao Ejipta 2011

Efa ho herintaona tao anatin'ny revolisiona Ejiptiana, nahitana olona an-tapitrisany nirotsaka an-dalàmbe mangataka ny maha-olona,  ny fahafahana ary ny fitoviana ara-tsosialy, dia mbola mitohy ihany ny herisetra isan-karazany atao amin'ny vehivavy. Taona iray izay no lasa ka nandritra izany, tamin'ny fomba mahatsiravina,  no nanaovan'ny “Supreme Council for Armed Forces” (SCAF) na Ny Filan-kevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana, fitondran'ny miaramila ao Ejipta, fanolanana vehivavy, herisetra ara-batana, ary ara-pihetseham-po.. izay ho vitany honerana velively.

Androany izao tontolo izao dia nifoha niaraka tamin'ny fahitana fa nameno ny lohatenim-baovao indray i Ejipta miaraka aminà sarinà miaramila midaroka vehivavy misarom-boaly ary manao izay hanalàna ny akanjony nandritra ilay ezaka fanaparitahana ireo mpitorovoka #OccupyCabinet.

Nandritry ny roatokombolana, ireo mafana fo dia nanao fitorevahana teo anoloan'ny Foiben'ny kabinetra tao Kairo, nanohitra ny fanendren'ny Miaramila an'i Kamal El Ganzouri ho Praiministra vaovaon'i Ejipta tamin'ny fiatombohan'ity volana ity. Olona folo no maty ary teo amin'ny 500 teo ho eo no naratra, satria niady tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny miaramila tao anatin'ny kianja Tahrir sy teny amin'ny manodidina, nanomboka ny 16 Desambra. Nahatezitra izao tontolo izao ny zava-doza vitan'ny miaramila tamin'ireo vehivavy.

Dalia Ezzat dia nampakatra lahatsary iray maneho ny herisetra natao tamin'ny vehivavy misarom-boaly iray mpanao hetsi-panoherana  volazako tetsy aloha :

@Daloosh : Ary raha tsy ampy ilay sary. Indro ny lahatsarin'ny fampiasana herisetra mahatsiravin'ny #SCAF  natao taminà vehivavy iray

Ity lahatsary izay mampiseho lehilahy miakanjo fanamiana miaramila sy midaroka sady manàla ny akanjonà vehivavy iray misarom-boaly ity dia tena nivezivezy be tao anaty aterineto ary noresahan'ny mpampahalala vaovao.

Raha mety tsy fanahiniana ilay fanalana akanjo nitranga, entaniko ianareo mba hijery akaiky ny tongotr'ilay miaramila mandàka ilay vehivavy eo amin'ny tarehiny sy ny tratrany matetika. Tsy azo hamarinina ny haromotana sy herisetra be toy izany.

Ny alina lasa teo, dia nisy antso ho amin'ny fanajànonana ny fandefasana io sarin'ilay vehivavy io, mba tsy hahamenatra azy. Kanefa manana ny teniny koa ireo mpiondana  aterineto, tamin'ny filazany fa ny henatra dia an'ny SCAF fa tsy azy.

Ilay mpanoratra lahatsoratra manokana anaty gazety Mona El Tahawy dia manao fanamby hoe :

@monaeltahawy :  Tsy ho voatampim-bava izany izahay. Ho lazainay amin'ny olona rehetra, na ny te hihaino na ny tsy te. Ny henatra dia ho an'ny polisy & #SCAF, fa tsy ho antsika vehivavin'i #Egypt

Amira Aly dia manazava hoe :

@FEM4Ever :  SCAF dia nanetry azy ho #BlueBraGirl (ilay vehivavy manao tatinono manga) tsy tokony hanao izany isika. Izy dia Fahafahana sy Hzmbom-po ary  Fahasahiana. Izy ilay marina #EgyptGal

Mona Seif, bilaogera Ejiptiana sady mafàna fo mahitsihitsy fiteny izay notànana am-ponja sy nampihorohoroana niaraka tamin'ny
rahavaviny
, dia manamafy fa tsy notànana tany am-ponja ilay vehivavy hita tamin'ilay lahatsary ary efa mba mihatsara – Mihevitra aho fa ara-batana fa tsy ara-pihetsehampo – saingy dia tsy ho lazaina ny mombamomba azy [ar] :

البنت اللي ظهرت في الصور بتتعرى و بيعتدوا عليها مش محتجزة،خرجت و بتحاول تتعافى. هنلتزم بعد الإعلان عنها حماية ليها و لخصوصيتها.أرجوكو تفهموا
@Monasosh :  Ilay vehivavy hita tamin'ilay lahatsary izay naboridana iny dia tsy notànana am-ponja, navoaka izy ary efa mihatsara. Tsy ho lazainay ny mombamomba azy mba ho fiarovana ny fiainany manokana

Ireo herisetra natao tamin'ny mpanao hetsi-panoherana dia nahitàna koa ny fanafihana ramatoa Ejiptiana lehibe iray, ho fanehoana amin'ireo sokajy ireo fa tsy adino izy ireo! Indro misy sary izay nozarain'i Ahmed Shokeir tao amin'i Twitter miaraka amin'ity fanamarihana manaraka ity [ar]:

جيش العار
Ny miaramilan'ny  henatra
An Egyptian soldier is seen attacking an elderly woman in this photograph

Miaramila Ejiptiana iray tazana nidaroka vehivavy antitra iray ato amin'ito sary ito, nozarain'i Ahmed Shokeir tao amin'ny Twitter

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ny Revolisiona ao Ejipta  2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.