Bahrain : Mitohy ny #OccupyBudaiyaSt

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Hetsi-panoherana ao Bahrain 2011.

Ireo mpanao hetsi-panoherana avy ao Bahrein dia manohy ny fikomiany andavan'andro na dia eo aza ny famoretana ataon'ny governemanta, governemanta izay milaza amin'izao tontolo izao fa manomana fanovàna ary tsy tafiditra amin'ny famonoana olona tsy manan-tsiny. Io fifanandrinana tsy dia nahery setra loatra tamin'ny mpanao hetsi-panoherana io dia namoizana ain'olona roa ary tsy tambo isaina ireo olona naratra nanomboka ny Alakamisy.

Ny Alakamisy, nanomboka ny hetsi-panoherana #OccupyBudaiyaSt ireo mponina ao Bahrain. Tamin'io andro io, lehilahy iray 22 taona antsoina hoe Ali Al-Gassab no maty ary ilay mafana fo/bilaogera Zainab Al-Khawajah dia voasambotra noho ny fandraisany anjara tamin'ilay hetsi-panoherana Occupy Budaiya na Bodoy Budaiya. Ilay hetsi-panoherana Occupy Budaiya na “Bodoy ny Làlamben'i Budaiya”  dia natao hanerena ny governemanta mba hamotsotra ireo gadra politika sy ny mba hanomezany voninahitra ireo maritiora 40-no mihoatra avy ao Bahrain , maty teny ampela-tanan'ny Hery Mitam-piadiana efa hatramin'ny nanombohan'ny korontana tao  Bahrain ny volana Febroary.

Ny Zoma, raha iny nankalaza ny Fetim-pireneny iny ny firenena, mponina an'arivony avy ao Bahrain no nidina an-dalàmbe ho any amin'ny fandevenana an'i Al-Gassab. Na dia izany aza, voalaza fa ny hopitaly dia tsy nanaiky ny hanome ny razana ho an'ny fianakaviany. Na dia nisy aza izany fandàvana izany, dia nizotra teny amin'ny fasana ireo vahoaka, tao an-tanànan'i Abu Saiba, izay amin'ny lalàm-ben'i Budaiya ihany koa, izay nihorakorahan'izy ireo ny fitondrana. Ireo Hery mitam-piadiana dia nandroaka ireo mpanao hetsi-panoherana tamin'ny entona mandatsa-dranomaso sy tamin-kerisetra.

Ny hetsika tena nanamarika indrindra dia ilay antsoina hoe ‘Shakura Massacre‘ na ny “Vono moka tao Shakura“;  tranga izay azon'ny fakan-tsary fito samy hafa. Ahitàna polisy eny amin'ny tafon'ny tranobe avo ao an-tanànan'i Shakura, ao amin'ny lalàmben'i Budaiya, namono lehilahy 18 ilay izy ary namela azy tamin'ny ratra mafy nahazo azy. Ny Minisitry ny Atitany  dia nandefa bitsika mba ho fanazavana iny tranga iny, vao maraina be ny Asabotsy tamin'ny filazana hoe :

@moi_bahrain :  Raharaham-pitsaràna ao amin'ny MOI (Ministeran'ny Atitany) nampiato polisy sasantsasany mba  hanadihady mikasika ilay raharaha famonoana mponina tao Shakhura omaly (Zoma).

Ny sasany tamin'ireo mpiondana aterineto dia nandà ny fiantsoana ny Shakhura ho vono moka, tamin'ny filazàna fa tsy nisy na dia iray aza tamin'ireo tanora ireo no maty. Indro ny lahatsary misy ilay tranga [TANDREMO: Sary manohina] :

http://www.youtube.com/watch?v=s5nhDbGTe-Q

Ny famoretan'ny polisy sy ireo toky nomen'ny Ministera dia tsy nampihemotra ireo mpanao hetsi-panoherana ary nidina an-dalàmbe izy ireo mba hisaona ny fahafatesan'i Al-Gassab ny ampitson'io andro io sy ho fitazonana ny hetsik'izy ireo # OccupyBudaiyaSt tsy ho faty. Niaraka tamin'ny findainy, ireo mpiondana aterineto dia nampiaina ilay hetsika ary nampita azy ireny mivantana tamin'izao tontolo izao. Indreto ny sasany tamin'ny fanamarihan'izy ireo :

@alhojairy: Amin'izao fotoana, mpiisaona an'arivony no mihiaka hoe : ny fanoheranay dia am-pilaminana

@ONLINEBAHRAIN: Vahoaka marobe misaona nandray anjara tamin'ilay fandevenana tao an-tanànan'i Abusaiba

Na dia teo aza ny fanakanan-dalàna dia be ireo vahoaka namonjy ilay fandevenana. Sary nakarin'i MazenMahdi.

@anmarek:: Ireo vehivavy nitorevaka nandritra ny fanatrehana ny Fandevenana ilay Maritiora Ali Algassab

@anmarek: Nanontany ity mpisaona iray aho hoe maninona izy no manao aro loha ! dia hoy izy hoe "fiarovana" #Abusaiba #bahrain yfrog.com/g094dpwj

@MazenMahdi :  Hetsi-panoherana tena milamina #occupybudaiyaST lalàna misokatra Sisin-dàlana feno olona an-jatony #Bahrain ao anatin'izany ny vehivavy  ankizy.

Tsy tapitapitr'izay, nanomboka ny fanafihana.

@LuluAvenue :  Aty an-tanànanay dia misy hetsi-panoherana & tafihan'ny polisy #Bahrain ,, feno entona mandatsa-dranomaso teny rehetra teny!!

@FreedomPrayers: "Down With Hamad" na hoe "Tsy Mila an'i Hamad" nosoratana tamin'ny voninkazo

@MazenMahdi :  Nipoitra avy any ireo polisy #occupybudaiyaST tsy nisy fampitandremana akory.

@chanadbh :  Lahatsary misy ireo polisy mamely ireo mpanao hetsi-panoherana amin'ny entona mandatsa-dranomaso tao #OccupyBudaiyaSt vao haingana : bit.ly/vATs3I

@FreedomPrayers: Ny olona sempotra dia niditra nialoka tany aminà toeram-pivarotana lehibe. Ny zava-niainako dia milaza amiko fa tsy ho ela dia ho voatafika io toeram-pivarotana io

@ONLINEBAHRAIN: Entona mandatsa-dranomaso eny rehetra eny

@alaashehabi :  Andiany iray misy polisy 200. Niditra tao an-tanànan'i AbuSaiba. Feonà fipoahana GOAVANA & tifitra maro

@MazenMahdi : Ny sasany dia nijanona teny an-dalàmbe #occupybudaiyaST  fifandonana mitsitaitaika.. ny Tanora dia niaro ny tao anaty arabe ho fisorohana ny fihoaram-pefy

@Blackout_X : Mihamaro isa ny polisy miomana  hanafika anay any anatin'ireo toeram-pivarotana lehibe !!

@chanadbh: Sarin'ireo andianà polisy izay hita nidaroka vehivavy tamin'ny basiny omaly

Ity lahatsary nakarin'i  (MrBuHaider) ity dia mampiseho ireo mpanao hetsi-panoherana mipetraka amin'ny sisin'ny arabe mihiaka hoe “Somood” (Fiaretana) tamin'ny fotoana nanafihan'ny polisy

Lahatsary hafa (nakarin'i kawaranews) no mampiseho ireo Hery miaramila manafika ireo olona izay handeha hivavaka tao amin'ny Maoske “chiite” izay efa rava

Ary ito lahatsary ito (nakarin'i mmeha89) dia mampiseho ireo mpanao hetsi-panoherana teo amin'ny sampanan-dalan'i Abu Subia notafihan'ny polisy mpandrava korontana

Ao amin'ito lahatsary ito, BahrainyCitizen7 dia milaza fa tsy vitan'ny hoe nitifitra entona mandatsa-dranomaso fotsiny ireo mpanao hetsi-panoherana ny polisy, fa mbola nanafika ihany koa ireo nijorojoro teo akaikin'ny tsena Costa Coffee ary nidaroka azy ireo tamin'ny kibay. Milaza izy fa ny iray amin'ireo polisy ireo dia namaky tsy amin'antony ny vera teo amin'ny iray tamin'ireo latabatra.

Indro misy lahatsary hafa (nakarin'i SEARCHMEALL) izay mampiseho ny fanafihan'ny polisy ireo mpanao hetsi-panoherana. Tsy maintsy niditra tany aminà toeram-pivarotana izy ireo ary ny maro amin'izy ireo no naratra na sempotra

Ity lahatsary ity (nakarin'i alawy1221) dia mampiseho vehivavy voadaroky ny polisy

Arakaraky ny firoson'ny andro, sary maro no nivezivezy tanaty aterineto. Indreto ny roa amin'izy ireo izay mampiseho ny fomba niatrehan'ny vahoaka Bahrainis tany anaty tanàna tany, teny amin'ny lalàmben'i Budaiya ny andro vitsivitsy teo aloha :

Mpanao hetsi-panoherana iray voan'ny bala fingotra tamin'ny fotoana niantefàn'izany mihitsy

@Peacelooving: Entona sy feonà baomba nampiasain'ny polisy ho fanaparitahana ireo mpanao hetsi-panoherana tao an-tananàn'i Abu siba irery ihany.

Anio, ireo olona misaona ao Bahrain dia nandevina lehilahy iray indray tao an-tananàn'i Al Muqsha, mbola amin'ny lalàben'i Budaiya ihany koa. Toy ny mahazatra, nitifitra entona mandatsa-dranomaso ireo polisy taorian'ilay fandevenana an'ilay rangahy lehibe 73 taona Abdulali Ali Ahmed, izay nambaran'ireo fianakaviany fa maty noho ny fahasemporana tamin'ny entona.

Tao amin'ny Twitter, Al Sahawly dia nizara ito lahatsary ito, maneho ampahany amin'ireo mpanao hetsi-panoherana niharan'ny famoretana :

http://www.twitvid.com/3HKLU

Hita niakatra teny am-paratazana teny ny setroky ny entona mandatsa-dranomaso satria ireo polisy dia nitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny fiara izay mandalo.

Aza misaraka aminay raha te hahazo fandrakofana hafa momba an'i Bahrain.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Hetsi-panoherana ao Bahrain 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.