Syria: AFAKA ilay bilaogera Razan Ghazzawi!

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny tatitray momba ny  Hetsi-panoherana ao Syria 2011.

VAOVAO MAFANA:

FANAVAOAZANA FARANY: AFAKA I RAZAN!

Rehefa nandany 15 andro tany amin'ny fonja Siriana ilay bilaogera Siriana Razan Ghazzawi dia nafàhana. Ny rahavaviny no vao avy nanambara ny vaovao tao amin'ny  Twitter.

@NadineGhazzawi: avy ny orana ry Razans… Aleloia :)))))))) <3 efa ofisialy izao,  afaka izy! irariana indrindra mba ho toy izany daholo ho an'ireo rahavavy sy anadahy rehetra voasambotra.

*****

VAOVAO MAFANA:

Nadine Ghazzawi, bitsika vao avy nalefan'i rahavavin'i Razan:

@NadineGhazzawi: #FreeRazan #Syria An-dàlana hakà ny rahavaviko hody an-trano ny fianakaviana :))))

*****

Nahoraka mafy taty amin'ny aterineto fa hoe ilay Siriana bilaogera Razan Ghazzawi, voasambotra tany amin'ny sisintany manasaraka an'i Jordania sy Siria raha iny izy an-dàlana hamonjy atrikasa iray momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety eo amin'ny tontolo Arabo iny, any Aman, ny 4 Desambra, dia havotsotra.

Valo andro taorian'ny nisamborana azy, Ghazzawi dia nohelohina tamin'ny lisitra iray misy heloka bevava – izay notoherin'ny vondrom-piarahamonin'ny fitorahana bilaogy ary nofaritana ho toy ny sangy ratsy.

Anisan'ny fiampangàna azy ny  “fananganana fikambanana mikendry ny hanova ny mpitarika ara-tsosialy sy ara-toekarena eo amin'ny firenena” sy ny “manao izay hamparefo ny fahatsapan'ny olona ho olom-pirenena, ka manandrana mandrehitra ny afon'ny fifankahalàna isam-paritra,” notaterin'ny gazety Libane  Daily Star tamin'izany fotoana.

Ao amin'ny pejiny Facebook – Free Razan, ireo mpanohana dia nandefa  fanambaràna fa mety havotsotra i Ghazzawi, mitanisa ny lazain'ilay Siriana mpisolovava sady mafàna fo mpiaro  ny zon'olombelona Razan Zaitouneh. Ilay lahatsoratra dia tsy miteny ny fotoana eritreretina hamotsorana an'i  Ghazzawi.

The Free Razan poster

Ilay saribe Free Razan (Afaho i Razan) nanoloan'ireo mpampiasa Facebook sy Twitter maro ny sary famantaran-dry zareo, nangatahana ny famotsorana an'i Razan Ghazzawi

Nadine Ghazzawi, rahavavin'i Razan, dia mamaly ireo vaovao ao amin'ilay lahatsoratra anaty pejy Facebook etsy ambony amin'ny hoe:

Handefasako daholo ianareo rehetra, aza manahy tsy hotazoniko ho ahy samy irery izany 🙂

Ary hazavainy tsara ao amin'ny Twitter:

@NadineGhazzawi: #FreeRazan #Syria Tsy mbola voavotsotra aloha i Razan izao, miandry ny maha-ofisialy azy isika, izany no antony tsy mbola nandefasako na inona na inona.

Aty anaty aterineto, ireo mpiondana sy mpanohana dia sady velom-panantenana no manahy ihany koa. Mandefa bitsika i  Mohja Khaf :

@ProfKhaf: RazanZ dia mitatitra fa nekena ny fanafahana an'i #FreeRazan Ghazzawi amin'ny alalan'ny fandoavana onitra. Nekena, fa tsy mbola nampiharina aloha. ‘

Ilay Ejiptiana bilaogera Wael Abbas dia miteny hoe [ar]:

انباء عن الافراج عن المدونة السورية رزان غزاوي بكفالة في دمشق
@waelabbas: Mivezivezy ao Damaskaosy ny vaovao momba ny famotsorana ilay Siriana bilaogera Razan Ghazzawi nosandaina onitra.

Raha ilay Siriana Alaa Khangar indray mibitsika hoe [ar]:

القاضي يوافق على إخلاء سبيل الصحفية والمدونة رزان غزاوي ” نقلاً عن هيام جميل ” ‎
@alkh81: Manaiky ny mpitsara hamotsotra ilay mpanao gazety sady bilaogera  Razan Ghazzawi, araka ny voalazan'i Heyam Jameel

Dima Khatib no mamintina ny fisavoritahan-kevitsika rehetra :

@Dima_Khatib: Tsy mitsahatra ny mamaky ny vaovao momba ny famotsorana an'i @RedRazan aho, nefa tsy mbola manana loharano marim-pototra. Bitsika fotsiny. Misy manana loharanom-baovao ve? #FreeRazan

Fanampin'ny fanoratana anaty bilaogy, i Ghazzawi dia tena mpikirakira Twitter tokoa, izay sady nandray anjara tamin'ny  Global Voices Online sy  Global Voices Advocacy. Izy koa dia anisan'ireo bilaogera vitsy ao Syria izay manoratra eo ambanin'ny tena anarany marina, miaro ny zon'ireo bilaogera sy mafàna fo voasambotry ny fitondràna Siriana, hatramin'ny zon'ireo olona mitovy nefa mifanambady sy vitsy an'isa.

Raha mitady fanehoan-kevitra misimisy kokoa sy fanavaozam-baovao, tsidiho ny pejy Facebook Free Razan na ampiasao ny tenifototra  #FreeRazan ao amin'ny Twitter.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny tatitray momba ny  Hetsi-panoherana ao Syria 2011.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.