Rosia : Fandinihana Ny Mety Ho Hamafin'ny Korontana Amin'ny Hetsi-panoherana Ny Asabotsy Androm-pifidianana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Fifidianana ao Rosia 2011.

Koa satria ny toe-draharahan'ny voka-pifidianana  Rosiana sy ny momba ireo mpanao fihetsiketsehana voatazona manerana ny firenena dia mbola tsy voavaha (jereo ny lahatsoratra Global Voices 1, 2, 3), dia mponina avy amin'ny tanàna maro no niomana hanao fihetsiketsehana ny Asabotsy 10 Desambra 2011.

Vao maraina be ny 8 Desambra,  i mitingmap dia namorona “sarintany” [ru] izay mamintina ny vondron'ireo mpanao fihetsikesehana any amijn'ireo tanàna Rosiana. Novaya Gazeta dia nanambatra lisitra iray [ru] misy ireo hetsi-panoherana voavinavina.

Tsindry atao amin'ny Vkontakte

Ireo vondron'ny filazam-baovao ara-sosialy rehetra izay nipongatra efa mila ho isaky ny tanàn-dehibe rehetra dia norasina ho toy ny zava-mahatahotra.  Ny 8 Desambra, i Edvvvard, mpampiasa LiveJournal,  dia nanoratra [ru] fa nisy zavatra mampiahiahy nanomboka tsikaritra tao amin'ny “Vkontakte group Rospil” izay azy (natao indrindra mba hanohanana ny tetikasa n'ilay bilaogera Alexey Navalny nahazo loka tamin'ny rospil.info).

Protest activity map. Screenshot from Yandex.maps

Sarisarin'ilay lahasa amin'ny hetsi-panoherana. Sary avy amin'iYandex.maps

Tamin'ny voalohany, nihevitra izy fa mety ho politikan'ireo mpampiasa Vkontakte izany, mba handraràna ireo mpanao hetsi-panoherana tsy hifandray. Avy eo, nahazo valinteny avy amin'i Pavel Durov izy, ilay namorona ny tambajotra sosialy, izay nilaza fa nahatratra ny fetra farany amin'ny fandraisana ny fanamarihana avy amin'ny olona ao anatin'ny iray andro ilay vondrona ary miasa amin'ny fanamboarana izany izy.

Taorian'izay, Durov dia nanampy hoe [ru] :

AO TSARA ny zavatra rehetra. Vao haingana ny FSB [Federal Security Service] no nangataka taminay ny mba hanakatona ny vondrona mpanohitra, toy ny anareo. Amin'ny fitsipi-pitondran-tena dia tsy nanao izany izahay. tsy mbola fantatray hoe ahoana ny hiafaranay, fa mijoro izahay izao

Edvvvard dia nanoratra hoe Durov dia nisafidy ny ankolafiny tamin'ny fifandirana taorian'ny fifidianana ary ny an'ireo bilaogera no nofidiany.

Ora vitsy taorian'izay, ilay vohikalam-baovao lenta.ru no namoaka[ru] vaovao hoe ny polisy dia nilaza fa handràra ny tsy filazana anarana anaty aterineto, hatramin'ny ” nahamarihana fa loza mitatao ho an'ny fototry ny fiarahamonina” ny tambajotra sosialy.  Taty aoriana ny Ministra Nurgaliev dia niampanga ilay [ru] fanambaràna ary niantso izany ho “tsy misy dikany.”

Hatreto, na izany aza, tsy nisy na dia iray aza tamin'ireo vondrona no  nakatona na noraràna.

Manakatra  ny fanentanana anaty aterineto amin'izao fotoana

Tena marina, ny fahazotoana anaty aterineto dia toa nahazo vahana be tato ho ato. Ilay fahitalavitra  ‘Rain’  dia nitatitra [ru] fa tato anatin'ny andro efatra farany, ny mpanaraka azy ireo dia nitombo avo dimy heny. Tao anatin'ny roa andro koa, ny vondrona Facebook iray ao Moscow izay karakarain'i Ilya Klishin, 24 taona, dia nahatratra mpikambana [ru] mihoatran'ny 30 000.

Namadibadika ny angona avy amin'ireo vondrona tao amin'ny tambajotra sosialy ao amin'ny Facebook sy Vkontakte aho izay mifandraika aminà hetsi-panoherana mifandray amin'ny fifidianana, ary nahita valiny mahaliana (nalaina ny 8 Desambra, teo anelanelan'ny 11:30 sy 03:00 ora tolakandro, ora any Eoropa Afovoany Atsinanana ).

  • Efatra fotsiny ireo vondrona ao amin'ny Facebook, ny sisa ambiny dia ao amin'ny Vkontakte. Ny lehibe  indrindra, vondrona Klishin, izay ao Moscow dia ampiantranoin'ny Facebook, angamba vokatry ny maha-betsaka anmpanaraka azy avy any Andrefana;
  • Ny ankamaroan'ireo mpandrindra ny vondrona dia teraka teo anelanelan'ny 1985-1991;
  • Ny ankabeazan'ireo mpikarakara dia avy ao an-toerana avokoa – hetsika vitsy monja no noforonin'ireo vondrona iaraha-mitantana ;
  • Ny fomba fijery ara-politika (an'ireo mamoaka izao vaovao izao) dia na sosialista na liberaly. Misy vitsy nisoratra ho  “tsy manan-kevitra” sy ny “mpitahiry ny nentin-drazana”;
  • Eo ho eo amin'ny olona 67 000 avy amin'ny toerana rehetra no nilaza fa handray anjara amin'ny hetsika fanoherana. Eo ho eo amin'ny 63 000 teo no nilaza hoe “mety handray anjara”. Fanampin'izay, misy mpampiasa aterineto 55 000 eo ho eo no mpikambana ao aminà vondrona mpanao hetsi-panoherana anaty aterineto;
  • Ny totalin'ireo dia manambara fa ny fanentanana anaty aterineto dia afaka mitarika mafàna fo eo amin'ny 67 – 185 000 eo ho eny amin'ny arabe Rosiana, raha toa ka raisina hoe manatanteraka izay nokasainy hatao ry zareo. Toy ny mitranga mazàna amin'ny hafanam-po anaty aterineto, dia mety ho vitsy ny tena isan'ireo ho avy;
  • Mandritra io fotoana io, mbola tsy fantatra izay ho fihetsik'ireo izay tsy mpampiasa tambajotra sosialy;
  • Ireo tanàna ahitàna hetsi-panoherana goavana indrindra dia i: Moscow, Saint-Petersburg, Nizhniy Novgorod, Perm, Barnaul, Chelyabinsk, Krasnodar, Krasnoyarsk, Qazan, Tyumen, Volgograd, Ulyanovsk, Petrozavodsk, Toliatti.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Fifidianana ao Rosia 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.