Venezoela: Misy Misompatra Ny Kaonty Twitter-n'ny Mpanohitra

Tao anatin'ny volana maromaro izay, namoaka vaovao mikasika ny fisomparana faobe ny kaonty Twitter an'ireo mpiserasera izay mitsikera mivantana ny Filoha Hugo Chàvez ny  valan-tserasera sy ny fampahalalam-baovao mahazatra ao Venezoela . Nahatsikaritra ireo mpiserasera olo-tsotra fa ny mpisera Twitter, fantatra amin'ny tsikera ataony amin'ny governemanta, dia nandefa hafatra haingana ho fanohanana mavitrika ny “Revolisiona Bolivariana“, na miaiky fa mpanaraka ny Twitter sy mpankafy ny Filoha Chávez.

Anisan'ireo kaonty Twitter tratran'izany ihany koa ny an'ireo artista, mpanao politika, mpanao gazety, mpanoratra, ary mpianatra izay mitsikera mivantana ary manohitra ny governemanta.

Roa volana lasa izay, namoaka filazam-baovao ny vondrona N33 (azo jerena ao amin'ny Taringa izany) ary nandray andraikitra mikasika ny “fanesorana” niseho nandritra izay fotoana izay. Nanamafy koa izy ireo fa mpanaraka ny Twitter an'i Chávez ary miombo-kevitra aminy, ary tsy misy idirany na ny governemantany ny tranga niseho .

Araka ny voalazan'ny vondrona, fantatra fa fanehoan-kevitra tafahoatra sy fiteny manala-baraka manohitra ny Filoha sy ny Andrimpanjakana no nataon'ireo olona izay niharan'ny fakàna ny kaontiny Twitter . Nilaza ihany koa izy ireo fa tsy misy idiran'ny vondrona [tsy fantatra anarana] na “Anonymes”, vondrona izay heverin'izy ireo fa “manohana ny imperialista” izany Daniela López, naneho hevitra tao amin'ny La Gente Dice :

"I was hacked for saying what I think! @Leonardo_Padron" via Twitpic

"Nosomparana ny kaonty Twitter-ko noho ny fanehoan-kevitra nataoko! Leonardo_Padron" via Twitpic

¿Tendrá que preocuparse Anonymous por este nuevo grupo de hackers? Aparentemente no, porque N33 los considera un grupo “Pro- imperialista” y lo que ellos buscan es hacer justicia por los atropellos cometidos contra el presidente Chávez y su gobierno en Twitter

Tokony  hiahiahy ny amin'ity vondrona vaovao mpisompatra ity ve ireo tsy mitonona anarana (anonymes)? Toa tsia, noho ny niheveran'ny vondrona N33 ny tsy mpitonona anarana ho “mpanohana ny imperialista” sy ny fikasany [N33] hitsarana ny fihoaram-pahefana atao amin'ny Filoha Chavez sy ny governemantany ao amin'ny Twitter.

Mpanoratra ny bilaogy Ay Caracha tsy mankasitraka ny vondrona:

Al autor del ataque a la cuenta de Berenice, realmente lamento que gaste su inteligencia para destruir un medio que muchos de nosotros utilizábamos para entrar en contacto con los personajes de un programa de radio que tenemos derecho a escuchar.

Ho an'ilay mpanafika fatratra ny kaontin'i Berenice, mampalahelo ahy fa manimba ny fahiratan-tsainany izy amin'ny fanakorontanana ny fampahalalam-baovao izay maro amintsika no mampiasa azy amin'ny fifandraisana amin'ny radio mba hanehoana fa manana zo hihaino ihany koa isika.

Carlos Bolívar , amin'ny hafatra navoakany “Unreliable citizen media” “valantserasera tsy azo antoka tsara” nilaza hoe:

Cada [día] sale una nueva mentira, un nuevo hackeo, entonces el día que salga un tubazo por Twitter vía @globovision o @chavezcandanga ¿QUIÉN LO VA A CREER?.

Isan'andro misy foana ny lainga vaovao, fanaovana hosoka vaovao… Ny andro ahitana scoop ao amin'ny @globovision na @chavezcandanga, IZA NO MATOKY IZANY?

Ao amin'ny Twitter, Jose Manuel da Silva (@chacazulu451) manolo-kevitra fa mety tafiditra amin'ity fanaovana hosoka ity ny orinasa misahana ny fifandraisan-davitra, CANTV ao an-toerana:

Adivina, adivinador!! RT”@NoticiasVenezue: Yo pregunto: el hackeo de las cuentas twitter no viene de dentro de la CANTV? #Venezuela

Tsy ho saintsainanao mihitsy!! RT”@NoticiasVenezue: Nanontany aho hoe: tsy misy ifandraisany avy ao amin'ny orinasa CANTV ve ny hosoka atao amin'ny kaonty Twitter? #Venezuela

@CelesteAcosta ihany koa nanasongadina tamin'ity teny farany mahafinaritra feno esoeso ity

 

Solo en mi Bello Pais! #venezuela bien por Luis!!@laureanomar: Para informar que@luisvicenteleon hackeo al hacker y recuperó su cuenta…

Ato amin'ny fireneko mahafinaritra ihany! #Venezuela Tsara ny nataon'i Luis!!@laureanomar:  Mba hampahafantatra anao fotsiny fa @luisvicenteleon nahatratra ilay mpanao piraty izy ary azony ihany ny kaontiny…

Farany, Luis Carlos Díaz, tao amin'ny lahatsoratra nosoratany “The hacker's check” (ny fanaraha-maso atao amin'ireo mpanao piraty) , naneho hevitra ary nandinika hoe:

 

En estos meses se realizaron denuncias ante los organismos competentes que se mantienen aún en proceso. El resultado es que los delitos aumentan y el silencio oficial continúa. No ha habido pronunciamientos para deslindarse de estos actos viles contra la libertad de expresión. Quizás porque es similar al retiro de concesiones de radio, la prohibición de circulación temporal de diarios, o aquella insólita resolución que censuraba las noticias y fotografías de sucesos en la prensa nacional. ¿Se recuerda eso?

Nandritra izay faramparan'ny volana izay, nisy ny fitarainana napetraka teo anivon'ny andrimpanjakana tompon'andraikitra ary mbola eo am-pandinihana ny raharaha izy ireo. Ny vokatra hita dia tsy mitsaha-mitombo ireo heloka kanefa mitohy hatrany ny fahanginan'ny manam-pahefana. Tsy misy akory na fanambarana aza [avy amin'ny governemanta], miala bala manoloana ity raharaha tsy azo ekena manohitra ny fahafahana maneho hevitra ity. Angamba satria mety mitovy amin'ny fanesorana ny fanomezana alalana ho an'ny radio ny zava-miseho, na ny fandraràna ny gazety, na indrindra koa mitovy ilay fanapaha-kevitra manafintohina mandrara ny famoaham-baovao sy sary ao amin'ny gazety ao an-toerana mikasika ny heloka . Tadidinao ve izany?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.