Madagasikara: Adihevitra Momba ny Fampiasam-bola Mivantana

Raha mbola eo ampitadiavana ny vahaolana ialana amin'ny krizy politika miitatra i Madagasikara, miresaka ny lanjan'ny Fampiasam-bola mivantana (FDI) kosa ny bilaogera malagasy. Tonga teo amin'ny faratampony ny adihevitra raha voatsikera indrindra indrindra ny fanofana tany tamin'ny mpampiasa vola Koreana ary vokatr'izany amin'ny ampahany ny krizy ankehitriny .

Maro ny Malagasy no mihevitra fa manana harena voajanahary, tahaka ny firenena Afrikana hafa, i Madagasikara, saingy potiky ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fifanakalozam-barotra misy fanambakana. Folo taona lasa izay, hita tao amin'ny The Economist fa i Afrika no ilay “Kaontinanta Tsy Misy Fanantenana”. Ny famoahana farany indrindra nataony indray nanasongadina ny fitomboana haingan'ny Fiharian-karem-Pirenena Faoben'ny firenena Afrikana maro . Na izany aza, mbola tsy mitovy izany fitomboan'ny fiharian-karena izany manerana ny kaontinanta. Ny zavamisy, vinavinaina ho anisan'ny manana fitomboan-karena iva indrindra manerana an'i Afrika i Madagasikara.

Ankoatra izany dia miaina fahatapahan-jiro sy rano matetika ihany koa ny ao an-drenivohitra Antananarivo sy ny tanàna hafa ka miteraka hatezerana [fr] amin'ny Malagasy. Noho ny toe-javamisy ankehitriny no antony iray mametraka an'Antananarivo ho iray amin'ny tanandehibe ratsy kalitaom-piainana indrindra maneratany araka ny fandaharana ny hatsaram-piainana 2011 notontosain'ny Mercer.

Miezaka ny mamindra ny adihevitra hiala amin'ny vahaolana politika hiditra amin'ny vahaolana Toekarena ny tontolom-bolongana Malagasy mba hampisonga indray ny toekarena tafahitsoka tao anatin'ny telo taona farany.

Evaratra in Madagascar. Photo credit to Lalatiana on the Madagoravox blog

Evaratra in Madagascar. Photo credit to Lalatiana on the Madagoravox blog

Fampahombiazana ny Fampiasam-bola Mivantana ho an'ny vahoaka Malagasy

Niadian-kevitra hatry ny ela ho lalana iray ivoahan'i Madagasikara amin'ny fahantrana ny fanofana sy ny fivarotan-tany; ny raharaha Daewoo no noresahana be indrindra saingy tsy nahitana setriny na fisalasalana kosa ny tranga mitovy aminy.

Niadian-kevitra teo amin'ny manampahaizana Malagasy vao haingana ny fetezana na tsy fetezan'ny fifanarahana mifandraika amin'ny harena an-kibon'ny tanin'i Madagasikara.

Blaise Stephen dia miasa ao amin'ny Lapan'ny Varotra (Iraisampirenena) sy ny Indostrian'i Madagasikara. Nolazainy ny likilikim-pony fa ilay rafitra politika mihitsoka eto Madagasikara no miteraka ny sakana tsy hisian'ny fiaraha-miasa bebe kokoa miaraka amin'ny mpampiasa vola vahiny [fr]:

Nous sommes actuellement en cours de création d'une relation commerciale sur le LONG TERME qui sera bénéfique pour les Entreprises de Madagascar entre notre pays Madagascar et le Koweït. L'objectif de cette coopération Étatique serait de mettre en place une ligne de trésorerie (emprunt) de 3 milliards de dollars (voire plus) sur 5 ans avec une mise a disposition immédiate de 1 millard de dollars (encaissement immédiat) que nous pourrions investir dans les activités a forte rentabilité de notre grand pays Madagascar (Activités d'INVESTISSEMENT et non de fonctionnement) [..] .La négociation concernant la mise en place de cette ligne de trésorerie serait la suivante : … 1) Un emprunt de notre État Madagascar a un taux de remboursement a 3,4 %…2) Pret aux Entreprises de Madagascar a un taux de 5,6% ce qui permet de casser le fonctionnement des banques de Madagascar qui prêtent a un taux de 18,20% sur des durées relativement courtes

Eo ampananganana fiaraha-miasa ara-barotra LAVITR'EZAKA misy eo amin'i Madagasikara sy i Koety izay hahazoan'ny Orinasa eto Madagasikara tombontsoa izahay izao. Ny tanjon'izany fiaraha-miasam-panjakana izany dia ny hahafahana mindram-bola 3 miliara dolara (na mihoatra aza) ao anatin'ny dimy taona ka azo alaina avy hatrany ny iray miliara dolara hampiasaina amin'ny asa misy tombombarotra betsaka ho an'i Madagasikara (FAMPIASAM-BOLA fa tsy fampandehanan'asa). Toy izao ny fandehan'ny fifanarahana: 1) Ny zanabola averin'i Madagasikara dia 3,4%… 2) Afaka mampindram-bola amin'ny zanabola 5,6% amin'ny orinasa eto Madagasikara ny Fitondrana ahafahana mandrava ny fomba fiasan'ny Banky eto Madagasikara izay mametraka zanabola hatramin'ny 18 na 20% ao anatin'ny fotoana fohy.

Ho setrin'ity hafatra ity, manontany ao amin'ny tahalan'ny mpamaky i Ndimby, [fr]:

Pourriez-vous m'expliquer pourquoi vous rêvez devant un emprunt à 3,4% alors que vous n'arrêtez pas de critiquer les institutions de Bretton Woods qui prêtent pourtant à des “taux concessionnels” de 0,5% ?

Azonao azavaina ve azafady hoe nahoana ianareo no manonofy hindram-bola amin'ny zanabola 3,4% nefa tsy mitsahatra ny mitsikera ny rafi-pitantanan'i Bretton Woods izay mampindrana amin'ny zanabola 0,5% ianareo ?

Izay novalian'i [fr] Blaise Stephen tahaka izao:

La question n'est pas d'aimer ou de ne pas aimer les institutions de Bretton Woods mais de juger de leur efficacité dans le processus de développement économique et social pour un pays comme Madagascar…Il faut savoir que ces Institutions ont mis en faillite des pays comme la Russie ou l'Argentine. .et il faut se poser la question : Pourquoi une Institution sensée sortir les pays de la galère, les enfoncent encore un peu plus? [..] Non seulement elles ne te donnent pas la totalité de ton prêt en un seul versement mais se permettent d'apprécier la gestion des affaires courantes des Etats…En règle général, le rôle d'un préteur est de s assurer que son débiteur le rembourse correctement son prêt, il ne va pas s'immiscer dans la vie privée de son client…Ces institutions se permettent d'apprécier la politique générale des Etats et de donner des leçons quant a la gestion de leur affaires publiques avec une arme redoutable la SUPPRESSION DES VERSEMENTS ATTENDUS…Bizarrement cela fini toujours par la suppression des versements attendus : non seulement tu ne peux plus continuer tes travaux de développement, mais tu rembourses pour de l'argent que tu n'as pas reçu…C'est la raison pour laquelle je préfère emprunter a 3,4% en sachant que les liquidités sont directement disponibles

Tsy ny fitiavana na ny tsy fitiavana ny rafi-pitantanan'i Bretton Woods no resaka eto fa ny fahombiazany teo amin'ny fomba nampandrosoany ara-toekarena sy ara-tsosialy ny firenena tahaka an'i Madagasikara … Tadidio fa ireo rafi-pitantanana ireo no nahabankirompotra ny firenena tahaka an'i Rosia sy i Arzantina… Tokony hisy ny fanontaniana hoe: nahoana ny firenena heverina hanala ny firenena amin'ny kizo no mbola mandentika azy bebe kokoa? […] Tsy vitan'ny hoe tsy omeny indray mandeha ny vola ampindraminy fa mbola idirany an-tsehatra ihany koa ny fampandehanan-draharaham-panjakana… Amin'ny ankapobeny, ny anjara andraikitry ny mpampindram-bola dia ny miantoka fa afa-mamerina ny volany ara-potoana ny mpindram-bola fa tsy tokony idirany ny fiainana manokan'ilay mpindram-bola … Fa ireo rafi-pintantanana ireo kosa miditra amin'ny politika ankapoben'ny Fanjakana sy manome lesona ny fomba fitantanam-panjakana ary ny fiadiana tena atahorana avy aminy dia fanafoanany ny vola andrasana avy aminy … Mahagaga fa miafara amin'ny fanafoanana ilay vola andrasana aminy hatrany izany: izany hoe tsy vitan'ny tsy afa-manohy ny asam-pampandrosoana nokendrenao ianao fa mbola mamerina ny vola tsy noraisinao akory… Aleoko noho izany misafidy ny hindrana amin'ny zanabola 3,4% rehefa fantatro fa efa vonona avy hatrany ny vola ilaina

Nofehezin'i Ndimby amin'ny fiavian'ny vola [fr] ny resaka:

Ce que vous dites à la fin de votre démonstration me semble être résumable en un point : l'argent n'a pas d'odeur. Peu importe d'où il vient, à quoi il sert et le contexte dans lequel vous l'utilisez, pourvu que “vous le remboursiez en temps et en heure” [..] sans conditionnalités apparentes telles que vous le souhaitez. Mais je doute que finalement ces prêts soient innocents et effectués pour “l'amour de l'humanité”

Ny fomba filazalazanao azy dia azo fehezina amin'ny teboka iray: tsy misy fofona ny vola. Tsy olana izay iaviany, ny ampiasana azy sy ny fomba ampiasana azy fa rehefa “tafaverina ara-potoana” fotsiny [..] tsy misy fepetra araka izay tadiavinao. Misalasala ihany aho hoe noho ny fitiavana ny mahaolona sy tsy misy ambadika itony fampindramam-bola itony.

Firenena manankarena ara-boajanahary sy rendriky ny kolikoly

Ny tian'i Ndimby holazaina dia mampidi-doza ihany izany findramam-bola tsy misy fepetra sy tsy mangarahara izany ny ampiasana azy.
Perspectives économiques en Afrique no mamehy ny toe-javamisy ara-toekarena ankehitriny [fr]:

L’environnement politique demeure instable. Dans ce contexte, les partenaires émergents représentent une opportunité pour Madagascar. La Chine n’a pas reconnu le gouvernement malgache actuel, mais plusieurs de ses entreprises continuent de signer des contrats avec lui. En 2010, le groupe chinois Wuhan Iron and Steel Co (WISCO) a versé une avance de 100 millions USD pour une concession portant sur l’extraction de minerai de fer. Si les gisements se révèlent aussi vastes qu’il l’espère, il pourrait y investir 8 milliards USD, ce qui serait, de loin, le plus gros investissement direct étranger (IDE) effectué à ce jour à Madagascar. Ce pays, où la corruption est omniprésente, devra réussir à transformer cette opportunité en développement.

Tsy mbola mitombina ny tontolo politika. Ao anatin'izany toe-javatra izany, fanararaotra ho an'i Madagasikara ny fisian'ny mpiara-miasa misongadina. Tsy mankatò ny fitondrana ankehitriny i Shina, fa mbola manasonia fiaraha-miasa aminy ny orinasa maro avy any aminy. Tamin'ny 2010, ny vondrona Shinoa Wuhan Iron and Steel Co (WISCO) dia nandrotsa-bola 100 tapitrisa dolara amerikana mba hitrandrahana vy [ao Soalala] . Raha midadasika araka izay antenainy ilay toeram-pitrandrahana dia mety hampiasa vola hatramin'ny 8 miliara dolara amerikana ry zareo, izay fampiasam-bola mivantana betsaka indrindra natao teto Madagasikara hatramin'izay. Amin'ny firenena anjakan'ny kolikoly tahaka ity firenena ity dia tsy maintsy atao izay anovana ity fanararaotra ity ho fampandrosoana.

Araka ny efa voalaza etsy ambony moa dia mampiroborobo ny fanaovana kolikoly amin'ny endriny rehetra ny tsy fisiana rafitra sy fitsipika mazava ao anatin'izao tetezamita izao. Ao amin'ity lahatsoratra ity i Franck R. mampivoitra ny trangana kolikoly [fr]:

A Madagascar, notamment sous ce régime transitoire, on aime trop prendre son temps. Et on aime aussi s’enrichir… rapidement. [..] ces véhicules de l’UNICEF confisqués par des politiques, la scandaleuse richesse, en l’espace de quelques mois, d’un célèbre affairiste de la place qui a acquis un immeuble sis à Antanimena, un gros paquet d’actions de Madarail,[..] Il n’est pas le seul à profiter de la transition pour se faire du fric. Ainsi va la transition.

Eto Madagasikara, indrindra fa mandritra izao tetezamita izao, tiantsika ny maka fotoana be loatra, sy ny manangon-karena ihany koa ary haingana […] fiaran'ny UNICEF raofin'ny mpanao politika, harena mihoam-pampana mampisahotaka, ao anatin'ny volana vitsivitsy monja vitana mpanao afera eto an-toerana malaza izay nahazo tranobe miorina etsy Antanimena sy ny taratasim-bolan'i [actions] Madarail maro […] ary tsy izy ihany no manararaotra mandroaka vola mandritra ny tetezamita. Izay moa no fandehan'ny tetezamita.

Ndimby namehy ny fifandraisana misy eo amin'ny kolikoly sy ny krizy politika [fr]:

C’est ce genre de mentalité, qui tente systématiquement de cacher la réalité et de détourner l’attention des insuffisances du clapier en matière de gestion publique qui fait que la crise perdure. A force de se complaire dans le subterfuge et la superficialité ; à force de prétendre qu’un coup d’État est une oeuvre de salut public ; à force d’insinuer qu’un régime qui ne tient que par la répression et la corruption est soutenu par l’ensemble du peuple ; il ne faut pas s’étonner que la reconnaissance internationale ait patiné pendant plus de deux ans et que la réconciliation nationale dérape périodiquement.

Ny toetsaina tahaka izany, izay miezaka ny manafina hatrany ny zavamisy sy manodina ny fifantohan'ny olona noho ny tsy fahalalan'ny olona tsara ny fomba fitantanam-panjakana no mampaharitra ny krizy tahaka izao. Noho ny fandrisihana ho amin'ny filazana antemantemaka sy ny ravindraviny fotsiny ihany; noho ny fiezahana hilaza fa asam-pamonjena ny vahoaka ny fanonganam-panjakana ; noho ny fandresen-dahatra hatrany fa tohanan'ny vahoaka amin'ny ankapobeny ilay fitondrana mifehy amin'ny alalan'ny fangejana sy ny kolikoly ; Tsy tokony hahagaga raha nikatso nihoatra ny roa taona ny fankatoavana iraisampirenena ary mibolisatra hatrany ny fampihavanam-pirenena.

Tonga amin'ny marimaritra iraisana ny mpamaham-bolongana Malagasy fa rehefa mangarahara ny fizotran'ny fametrahana azy vao mitondra vokatsoa ny fampiasam-bola mivantana. Raha tsy izany kosa dia lasa fandaniam-bola hahazoan'ny mpitondra Afrikana mpanao kolikoly tombontsoa hafa indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.