Ejipta: Miteraka Fanontaniana Momba An'i Etazonia Ny Entona Mandatsa-dranomaso Tonga Tamin'ny Sambo

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Revolisiona ao Ejipta 2011.

Volana maro taorian'ny nianjeran'ny filoha Ejiptiana teo aloha Hosni Mubarak, ary andro vitsy monja taorian'ny nisian'ireo olona maro notaterina fa hoe sempotry sy nambara fa matin'ny karazana entona mandatsa-dranomaso vaovao nampiasain'ny polisy Ejiptiana, dia entona mandatsa-dranomaso iray sambo no tonga ao amin'ny seranan'i Suez avy any Etazonia andro vitsy lasa izay.

USA Made Tear-Gas

Sary nozarain'i Shadizm

Vaky ny tantara rehefa notaterin'ny tao amin'ny  [Ar] Al Ahram amin'ny teny Arabo fa ireo mpiasan'ny fadintseranana ao Suez dia nandà ny handray ny entana nentina sambo iray mitontaly fito taonina isan'isany, nahatonga fitroarana teny anivon'ireo tambajotran-tranonkala sosialy.  Inty ny ampahany tamin'ireo resadresaka tao amin'ny  Twitter :

@Psypherize: Sambo iray vaovao mitondra entona mandatsa-dranomaso milanja 7 taonina no vao tonga ao  #Cairo avy any #Suez ary tehirizin'ny #MOI (Ministeran'ny Atitany). Dia efa minomàna sahady amin'ny famoretana vaovao indray.

@RashaAbdulla: Araka ny fahitàna azy, ilay entona mandatsa-dranoamaso milanja 7 taonina tonga tamin'ny sambo avy any #US ho any #Egypt dia vao ny ampahany 1 amin'ny 3. Fitambarany 21 taonina!!

@sharifkouddous: Milay kosa i Suez an. Ireo mpiasan'ny seranana ao Suez dia mandà entana miaty entona mandatsa-dranomaso 7 taonina avy eny an-tsambo avy any Etazonia mba hamenoana ny tahirin'ny Ministeran'ny Atitany

Taty aoriana, ren'ny olona fa iharan'ny fanadihadiana ireo mpiasa noho ny fandavan'izy ireo handray ilay entana.

احالة موظفي جمرك ميناء السويس للتحقيق الان لرفضهم استلام شحنة غاز مسيل للدموع خاصة بالداخلية
@3alaelhawa: Hatao fanadihadiana ireo mpiasan'ny seranana ao Suez noho ny fandavan'izy ireo tsy handray ilay entana entona mandatsa-dranomaso tonga tamin'ny sambo.

Sahiran-tsaina amin'izay zava-kotrehin'ny governemanta ihany koa ireo mpiondana aterineto :

@elkammar: tena manakarama ny governemantako aho mba hahazo entona mandatsa-dranomaso tsaratsara kokoa, fomba tsaratsara kokoa hamonoana ahy sy ireo rahalahiko.

Ary ho fanehoan-dry zareo ny firaisankinany amin'ireo mpiasa, maro ny mpampiasa Twitter nifampizara ity hafatra manaraka ity:

أعلن أنا تضامني الكامل مع موظفي جمرك ميناء السويس الذين يتم التحقيق معهم الان لرفضهم استلام شحنة غاز مسيل للدموع للداخلية مصرية
@Ahmed_hosny_s: Ambarako ny fiombonako manontolo amin'ireo mpiasa ao an-tseranan'i Suez izay atao fanadihadiana ankehitriny noho ny fandavana tsy handray  ireo entana avy eny an-tsambo nisy entona mandatsa-dranomaso nalefa ho an'ny Ministeran'ny Atitany Ejiptiana

Ny hafa nandrisika ireo mpiasa any amin'ireo seranana Ejiptiana hafa mba hanao toy izany koa :

@AnonyOps: Aelezo ny hafatra ho an'ireo mpiasa any amin'ny seranana Ejiptiana hafa. Aza ekena ny entona mandatsa-dranomaso eny an-tseranana!

Ireo entona mandatsa-dranomaso ao anatin'ity entana ity dia novokarina tany  Etazonia, ka izany no mahatnga ny olona hanontany tena ny amin'ny filazan'i Etazonia fa manohana ny revolisiona any amin'ny Tontolo Arabo, nefa sady mamatsy hatrany ny mpanao jadona any amin'ny faritra.

@freddydeknatel: Kanefa inona no tiana holazaina amin'izany, rehefa mahita ianao entona mandatsa-dranomaso tonga ao amin'ny seranan'i Suez miaraka amin'ny hoe “Vita avy any Etazonia” eo amin'ny sisin'izy ireny?

@waleedrashed: Ho an'i Etazonia sy ny governemanta Eraopeana : ho solon'ny fanontaniana ny hoe fomba ahoana no hampiroboroboana ny demaokrasia aty Ejipta, ajanony fotsiny izao aloha ny fampidirana entona ampiasaina hanoherana izany androany

@KhaRouBology: Ho an'i #USA .. AKOMBONY NY VAVA .. Atsaharo ny fandesafana baomba simika t*** aty  #Egypt. Avy eo vao tohano ny Revolisionanay

Farany, nisy nitatitra fa ilay entana tonga tamin'ny sambo dia navotsotra ary nizotra ho any amin'ny Ministeran'ny Atitany

من السويس : تراجعت ادارة الجمرك عن التحقيق مع موظفي المينا ..وتم تسليم 3 حاويات قنابل غاز فعلا الي وزارة الداخلية
@sayedfathy2006: Avy ao Suez: Nanapa-kevitra ny tsy hanohy ny fanadihadiana ireo mpiasa ny manampahefana ao an-tseranana … ary vatabe 3 sahady no efa natolotra ny Ministeran'ny Atitany.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Revolisiona ao Ejipta 2011.

Prince of Razor dia namorona Storify handrakofana ity lohahevitra ity. Mba tsidiho any hijerena fanehoan-kevitra bebe kokoa. Ary koa, ity ny fandikàna ny fanamarihana avy amin'ny Departemantam-panjakana Amerikana momba ireo entona mandatsa-dranomaso nampiasaina tao Ejipta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.