Pays-Bas (Nederlandy): Vanim-potoanan'ny Fety, Fiakanjoana…Ary Fanavakavahana?

Zwarte Piets in The Hague, The Netherlands, November 2010, by Flickr user Gerard Stolk (CC-BY-NC)

Zwarte Piets Tao La Haye, Nederlandy, Novambra 2010, avy aminà mpampiasa Flickr Gerard Stolk (CC-BY-NC)

Rehefa ririnina ao Nederlandy, olona iray antsoina hoe Zwarte Piet (Pete Mainty) no manaraka an'i Sinterklaas (Saint Nicholas, ilay niavian'ny Dadabe Noely) mandritra ny fety isan-taona izay ankalazaina ny alin’ny 5 Desambra na ny marainan’ny 6 Desambra miaraka amin’ny vatomamy sy fanomezana ho an’ny ankizy hendry rehetra. Io fety nentim-paharazana io dia mifaninana amin’ny krismasy raha amin’ny lanjany.

Tato anatin'ny taona vitsy, ny toeran’i Zwarte Piet dia lasa adihevitra be tao Nederlandy satria nisy olona sasany tezitra amin’ilay fiakanjoana miaraka amin’ny tarehy nolokoina mainty. Ny tantara dia milaza fa ireo naman’i Dadabe noely dia Moors mpifindra monina avy ao Arabia izay nanampy azy nitondra ireo fanomezana nentina ho an’ny ankizy fony izy tonga tamin’ny sambo avy any Espana.

Mbola malaza foana ilay fomba nentim-paharazana, na dia nisy aza ireo nihetsika nanohitra ny zavatra hitany ho maneho fanavakavahana. Ny 12 Novambra 2011, mpanao hetsi-panoherana iray nanao akanjo misy soratra hoe ‘Zwarte Piet is racisme’ (na Pete Mainty dia fanavakavahana) no voasabotra tao Dordrecht niaraka tamin’ny filazana herisetran’ny polisy.  Ilay fanentanana tamin’ilay akanjo dia manana ny bilaogy Tumblr manokana  miaraka amin’ny sary ary Pejy Facebook ahitana mpanaraka 800 mahery.

Ny taona 2010, ilay bilaogera  Stuff Dutch People Like dia nanoratra momba ny fomba nentim-paharazana  Zwarte Piet :

Efa fantatrao fa fotoanany ny tahaka izao ao “Holland”, rehefa arahabain’ny olona sasany ianao eny an-dalana, izay mandoko ny tarehiny mainty tanteraka ary manao solo-volo “afro”, manao loko mena eo amin’ny molony ary manao akanjo toy ny “clown”.

Sinterklaas and Zwarte Piet

Sinterklaas ary Zwarte Piet, La Haye, Nederlandy, Novambra 2008, avy amin'i Zemistor (CC-BY-ND)

Ireo Dutch mpanao graffiti  ary ilay bilaogera BNE dia nampakatra sary vitsivitsin'i Zwarte Piet, ary nanontany hoe :  Moa ve ny Fialantsasatra ao Hollande momba ny Tomban-drazana Sinterklaas’ “Pete Mainty” dia fanavakavahana ? :

 

Io  “fomban-drazana”io dia nivelatra nanaraka ny taona  , amin'ny ampahany avy amin'ny fitombon'ny hetsi-panoherana  avy amin'ireo fikambanana izay mahita ireny fanehoana ireny ho mahasosotra .  Amin'izao fotoana izao  nolazaina fa ny tarehy mainty dia avy amin'ny  fivoahan-tsetroka izay nandehanan'ireo mpanampy ny dadabe Noely ary vokatr'izany, dia feno loto ny tarehin'izy ireo.  Ary, ny tsy hain'ny maro hazavaina, dia karazana loto toy inona no mamela ranoiray sy mihanaka be toy izao.  Ny ratsy indrindra dia, maninona ireo  “mponina anaty fivoahan-tsetroka” ireo no miteny amin'ny fiteny izay mitovitovy amin'ny an'ny mainty hoditra zanatany Holande avy ao Suriname

Ilay mpikaroka momba ny tantaran'olombelona sady bilaogera, Martijn de Koning ao amin'ny CLOSER dia manazava ao amin'ny Ilay Andevo Mainty Mahafinaritra – Fomban-drazana sy Fanavakavahana ao Nederlandy :

Tsy ho ato ho ato mihitsy no iandrasako fiovàna amin'io fomban-drazana io.  Fa tokony hazava ihany koa anefa fa i Pete Mainty dia namboarina , ary  zavatra noforonina  izay efa niova sahady nanaraka ny tantara. Efa betsaka amin'ireo lafiny ratsy no efa very tamin'ilay fomban-drazana izay tsara amin'ny ampahany ihany, saingy ny lafiny ratsy dia izy manarontsarona kokoa ny fanavakavahana. Na dia izany aza anefa, mihevitra aho fa io fomban-drazana Holande io dia mety tsara amin'ny fampianarana ny tanora mikasika ny fanavakavahana, ny fanjanahan-tany ary ny finoana amin'ny alalan'ny tantara. Angamba mety ho teboka fanombohan'ny fiovàna amin'ny ho avy izany?

Ao amin'ny vohikala mikarakara fivezivezena  Off Track Planet, Anna Starostinetskaya dia manome izao valinteny izao amin'ny fanontaniana hoe , Inona ity Zwarte Piet T** ity? :

Koa i  Pete ve izany dia anganon'ankizy sa fanehoana fanavakavahana? Mino izahay fa tsy misy valinteny raikitra ny amin'izany. Tsy milaza izahay hoe tsy mikendry ny mainty hoditra io  fomban-drazana io amin'ny fomba fanavakavahana ary azo atao ny manakatra ny fihetseham-po henjankenjan'ny Amerikana amin'io lohahevitra io satria Zwarte Piet dia hita ho mifanakaiky loatra amin'ny fototra mpanavakavaka niaviantsika. Kanefa tokony ho fantatry ny Amerikana fa ny tantaranay manokana dia mitondra anay hampihatra ny zavatra fantatray mikasika ny niainanay fahiny ny resaka fanavakavahana, mety tsy hisy hifandraisany velively amin'izay loko aminty amin'ny tava. Na dia izany aza dia mety hisy fanavakavahana ihany izany amin'ny lafiny sasany, tsy afaka ny hampifanaingenintsika eo ambonin'ny tantaran'ny fanavakavahantsika ny fomban-drazan'ny firenena hafa ary hilaza isika fa mitovy izany. Na dia izany aza,  manantena  izahay fa hisy marimaritra iraisana mahafinaritra izay tsy hiteraka fifanolanana , fifanambaniana na fampanarahana ho Amerikana ny fomban-drazan'izao tontolo izao.

Sinterklaas arrives by boat in Arnhem

Sinterklaas tonga tamin'ny sambo tao Arnhem, Novambra 2011, avy amin' i Bas Boerman (CC-BY-NC)

Tao amin'ilay bilaogy Tiger Beatdown, anatin'ny lahatsoratr'i Flavia   “Raha manohitra ny fanavakavahana ianao mandritra ny Fotoanan'ny Tava Mainty ao Nederlandy, dia ho voadaroka sy  ho samborina ”  fanamarihana iray avy amin'i  Elfe manao toy izao :

Mamaky ny lahatsoratrao aho satria te-hahalala ny antony tsy ahitako fanavakavahana amin'io fomban-drazana io …Ireo “Andevo” na “mpanampy” izay resahinareo ireo  dia tsy mampihomehy :  mpisehatra ireo  fa tsy mpanao hatsikana ary tsara ny akanjony, tsy mikarenjy mitafy tapaka sy nisy taolana mitsivalana eny amin'ny orony toy ny olon-dia  (na toa an'i  Josephine Baker sy ny zipo akondrony). … Toa an'i “Tintin tao Congo” ilay Zwarte Piets dia fahatsiarovana ny lasa. … Fantatro fa mahasosotra be ho an'ny mainty hoditra any Amerika ny mahita fotsy hoditra mandoko ny tarehiny ho mainty (kanefa  ny niainako tao Amerika dia nahalalako ny antony hoe : nisy fotoana tsy namelana ny mainty hoditra hilalao ny anjara toerany ao aminà tantara an-dapihazo ). …Toy ireo mpanao rap izay nanapa-kevitra hitompo ny teny  N dia afaka odiantsika fanina io fomban-drazana io  raha manelingelina antsika , raha izaho manokana dia tsy miraharaha an'izany . Amin'ny maha Afrikana ahy tsy mijery ny  Zwarte Piets ho mainty hoditra aho (tsy mitovy amiko na ireo Afrikana fantatro izy ireo) … Ny fahatsapanao fahasorenana noho ny ataon'izy ireo  dia ilàna midika fahakelezan'ny fahatokisan-tena  ao aminao. Mialatsiny fa tsy misy fanajàna loatra ara-politika aho. …

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.