Ejipta: Miverina Indray Ny Revolisiona!

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011.

Maherin'ny 100.000 ireo olona voalaza fa ao amin'ny Kianja Tahrir amin'izao fotoana, ary ny polisy sy ny tafika dia mitohy midaroka ny mpanao fihetsiketsehana mangataka ny fitsaharan'ny fitondràna miaramila ao Ejipta. Anaty ady tsy mitsahatra manenjika ireo olona mitam-piadiana miasa ho an'ny governemanta Ejiptiana ireo mpanao fihetsiketsehana hatramin'ny Zoma ary ankehitriny dia mitoetra ho tsy azo hozongozonina ao an-kianja mandra-pivalin'ny fangatahan-dry zareo. Hatreto dia olona 35 no voatatitra fa maty tao anatin'ireo fifandonana.

Anisan'ny fangatahana fototra ny fangatahana ny hisian'ny governemanta sivily, hisolo toerana ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana / Supreme Council for Armed Forces (SCAF), ilay fitondràna miaramila nametraka ny tenany ho toy ny mpifehy an'i Ejjipta noho ny zava-nitranga taorian'ny nionganan'ny filoha teo aloha Hosni Mubarak tamin'ny Febroary.

Nandefa siokantsera ilay mpitatitry ny NBC, Richard Engel :

@richardengelnbc: #egypt. Angamba eo amin'ny 100 k eo izao ny ao  #Tahrir. Mijoro ny trano lay goavana

Ilay mpilaza vaovao avy any Emira dia mampakatra sary avy amin'ny  Al Jazeera Mubasher manpiseho ireo vahoaka marobe:

@SultanAlQassemi: Kianja Tahrir amin'izao fotoana – ora ao Kairo 10:40 alina ny Alatsinainy

Ny zava-miseho ao amin'ny kianja Tahrir. Sary avy amin'i Sultan Al Qassemi avy amin'i Al Jazeera Mubasher

Ary Jack Shenker manampy hoe:

@hackneylad:

Sary famantarna ny Tantawi miantona amin'ny andrin-jiro ao #Tahrir , tsy misy hafa amin'ny sary famantarana an'i Mubarak tamin'ny Janoary : pic.twitter.com/h7zjZu9s

Sary famantarna ny Tantawi miantona amin'ny andrin-jiro ao Tahrir. Sary avy amin'i Jack Shenker.

Ny Maréchal Mohamed Hussein Tantawi dia komandy ambonin'ny  SCAF ary ireo mpanao fihetsiketsehana dia efa am-bolana no nangataka ny fametraham-pialàny.

Marian mikiaka hoe:

@Maroo84: Aty an-trano! 🙂 Mahafinaritra ny Ejiptiana! Ambony ny herin-tsaina amam-panahy ao an-kianja! TSY HILAVO LEFONA ISIKA! TSY HISINTAKA ISIKA 🙂 #tahrir Adaboka ny SCAF

Saingy miafina eny anjoronjorony eny ny korontana, na izany amin'ny alalan'ny fampiasàna entona mandatsa-dranomaso, basimborona na hatramin'ny bala tena izy mihitsy

Yasmine G dia mizara sarinà bala tena izy, ny iray vita Amerikana ary ny iray hafa avy any Italia, nampiasaina nanosehana ireo mpanao fihetsiketsehana.

@_YasmineG_: Vita avy any Etazonia sy Vita avy any Italie, ireo no karazana bala izay manaparitaka bala kiritika kely marobe #Tahrir #nov19 yfrog.com/nu6gngnj

Bala vita avy any Etazonia sy Italia nampiasaina namonoana ireo Ejiptiana nanao hetsi-panoherana. Sary avy amin'i Yasmine G

Bel Trew manaiky hoe:

@Beltrew: Mikaroka mpitifitra miafina mampiasa irony fitaovana fakàna sary ahitàna amin'ny alina irony izahay #tahrir

Jonathan Rashad miteny amintsika hoe :

@JonathanRashad: Betsaka ny bala tena izy ampiasaina hanesorana antay izao aty amin'ny araben'i  Mohamed Mahmoud. Efa ho 57 ora izao ny fifanandrinana. Ambony be ny izan'ireo nidiran'andro.

Ary i Josh Shahryar ity sary miteny ho ay ity ho antsika :

@JShahryar: Akory ny haratsin'ny tifitra tao Tahrir?  Ity sary ity no manazava azy tsara : https://fbcdn-sphotos-a.akamaihd.net/hphotos-ak-snc7/s720x720/374922_310620258948089_279164165427032_1277693_48204579_n.jpg #Egypt via @Elazul

Sary nifampizaràna tao amin'ny Twitter avy amin'i @Elazul mampiseho ny halehiben'ny tifitra tao Tahrir

Mandritra izany, ilay mafàna fo Mona Seif dia nitsidika ny tranompaty izay nametrahana ireo maritiora namoy aina tamin'ny fanafihan'ny polisy an'ireo mpanao hetsi-panoherana. Mitatitra izy:

@Monasosh: Ireo maritiora rehetra ato amin'ny tranompaty dia matin'ny bala tena izy avokoa, afa-tsy ireo sempotry ny entona mandatsa-dranomaso, sy iray vaky karandoha #Tahrir #Mashra7a

nampiany hoe vatana mangatsiaka 23 no tao [ar]:

23 جثة، 2 منهم جاري التعرف عليهم، و 3 مجهولين. قولوا للأهالي ييجوا يتعرفوا عليهم
@Monasosh: Misy faty 23 ato. Roa ankehitriny no efa fantatra fa tsy mbola fantatra kosa ny telo. Ilazao ny fianakaviana ho avy sy hamantatra azy ireo.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.