Etazonia : Fanesorana Tampoka Ny Hetsi-panoherana Bodoy ny “Wall Street”

Ny marainan'ny 15 Novambra, ireo mponina ao Etazonia dia taitra tamin'ilay vaovaon'ny bodoy ny ” Wall Street” hoe norohaina hiala teo amin'ny “Zuccotti Park” tsy nisy fampandrenesana mialoha avy amin'ny polisy akory, izay, teo ambany fibaikon'ny ben'ny tanàna Bloomberg, namela fatinkorontana teny amin'izay nalehany miainga amin'ny sakaosy fatoriana ka hatramin'ny tahirin-tsakafo ary ireo tranolay fatorian'ireo mpanao hetsi-panoherana.

Nandritra ny fandroahana dia olona 140 no nosamborina ary ny fehezan-dalàna izay mandrara ny mpikambana ao amin'ny bodoy ny ” Wall Street” amin'ny fangalàna indray ny zaridaina,  fepetra noraisin'ny mpiasan'ny tanàna mba hanadiovana ny manodidina.

Araka ny fanambaran'ny fiadidian'i Bloomberg, ilay vinavina fandroahana dia natao tamin-pitandremana tanteraka taorian'ny fifampiraharahana maro tsy nahomby tamin'ilay hetsika. Araka ny fanadihadiana iray teo an-toerana, ny fiadidian'ny ben'ny tanàna dia nanapa-kevitra ny hanala ny olona teo amin'ny kianja taorian'ny fahitana tsy fahatomombanana teo amin'ny fitandroana ny fandriampahalemana, niaraka tamin'ny resaka fahadiovana.
Ankehitriny betsaka ny mametra-panontaniana mikasika ny hoavin'ilay hetsika amin'izao izy tsy navela hilasy amin'ny tany izao, kanefa nanome toky ireo mpanao hetsi-panoherana  fa ho mafy kokoa noho ny hatramin'izay no hatao. Misy hetsika nomanina ihany koa aza ho an'ny hetsi-panoherana faobe, izay heverina fa hatao anio 17 Novambra.

Esta imagen tomada el 15 de noviembre alrededor de las 9:15 a.m. muestra la evacuación total que fuerzas policiales realizaron en Zuccotti Park horas antes. Foto de David Shankbone en Flickr (CC-BY NC 2.0)

Ito sary ito, nalaina ny 15 Novambra teo ho eo amin'ny 9:15 maraina teo, dia naneho ny fanesoran'ny polisy tanteraka ny tao amin'ny "Zuccotti Park"ora vitsy taloha. Sary nalain'i David Shankbone tao amin'ny Flickr (CC-BY NC 2.0)

Toy ny mahazatra, betsaka ny hevitra izay nifamahofaho tao amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny tambazotra ara-tsosialy.  James Dowie, avy ao amin'ny bilaogy PostPartisan , dia nanamafy fa ny baiko fandraràn'ny Bloomberg dia tena ratsy tokoa :

Nandritra izany rehetra izany, araka ny nolazain'i Matt Taibbi tamin'ny herinandro lasa, “tsy misy na inona na inona mitranga ao amin'ilay trano avo be eo anoloan'ireo mpanao hetsi-panoherana.” tsy misy misambotra ireo mpiasan'ny banky manao fampindramam-bola antsokosoko na mampihena ny antoka amin'ilay findramam-bola mampanahy, na ireo sampana mpanamarika [mpanombana] sy ireo mpanara-maso avy amin'ny governemanta izay manao kinanga ny asany ary nanampy ny “Wall Street” hamotika ny toekarena amin'ny ankapobeny. Fa raha mametraka tranolay ho eny amin'ny zaridaina an'ny daholobe? eny misy zava-mitranga. Izany no fotoana hitondrana ny kibay sy ny entona mandatsa-dranomaso.

Rebelión [es] bilaogy dia nanambara fa ny hetsi-panoherana toy ny bodoy dia tsy azoazon'ny vato nasondrotry ny tany mihitsy [es] :

Este asunto de invadir calles y plazas con pretextos tan exóticos como exigir empleos, mejor educación, servicios de salud o un poco de escrúpulos en el manejo de las finanzas es algo que a la “gente de bien” nunca le ha parecido bien.

Io hevitra fibodoina ny lalàm-be sy ny kianja io amin'ny karazana fitakiana tsy mahazatra tahaka ny fangatahana asa, fanatsarana ny fampianarana, ny toeram-pitsaboana na koa fanatsarana kely amin'ny fitantanam-bola dia zavatra izay heverina fa tsy ho tsara amin'ny fanampiana ny olona.

Tao amin'ny Twitter, i  George Zornick (@gzornick) dia nanakiana ny fitrangan'ilay fandroahana maraina be :

Ny manam-pahefana NYC dia resy lahatra tokoa ny fandroahana ny #OWS ho rariny sy hitsiny.  Izay no nahatonga azy ireo nanao ilay izy tamin'ny 2 maraina mba hialàna amin'ny haino aman-jery.

Takelaka lehibe ho an'ny 17 Novambra napetraka teo amin'ny "Wall Street". Nalaina avy tao amin'ny occupywallstreet.org.mba ho zaraina maimaimpoana

Mpampiasa Twitter Latinos sasany, toa an'i Al-Dabi Olvera (@Aldabi) , dia nanambara ny fanohanan'izy ireo ny Bodoy ny “Wall Street”t [es] :

Desalojan a los compañeros de @OccupyWallSt , 70 detenidos http://www.jornada.unam.mx/ultimas/2011/11/15/8181119-desaloja-policia-a-indignados-de-occupy-wall-street @OccupyBMV @MxTomaLaCalle

Ny kaontin'ny bodoy ny “Wall Street” (@OccupyWallStNYC) dia nilaza fa tsy mbola miraviravy tanana akory izy ireo :

Jereo hoe hatraiza ny zava-bitantsika. Ary vao fanombohana
ihany izany… #ows#winning

Ilay mpanao famakafakana manokana ao amin'ny New York Times Nicholas Kristof (@NickKristof) dia nametra-panontaniana ny amin'ny fihetsik'i Bloomberg :

Bloomberg dia ben'ny tanàna tsongon'olom-bolo fatratra
hatramin'izay taona maro izay, kanefa taty aoriana amin'ny andron'ny #OWS ny fihetsiny dia toa tafahoatra.

Luke Adams (@luketadams) dia nampitaha tamin'ny fomba
mahatsikaiky ny bodoy ny “Wall Street” tamin'ny “Tea Party” :

Hey ry hetsika #occupy, fantatro hoe ahoana no nahatonga anao navelan'ny polisy irery. Mametraka sakaosy feno dite eo
amin'ny lohany. Ary tsy ho avelany hanao na inona na inona
mihitsy ianao. #ows

Farany, Ted Alexandro (@tedalexandro) dia naneho ny tsy fahafaliany talohan'ny tsy fisian'ny fanehoan-kevitry ny haino aman-jery malalaka :

Tsy maninona izay zavatra tsapanao #OWS, manantena aho fa ny tsy fanajana ny fahalalahan'ny ny haino aman-jery nandritra
ny fanafihana tampoka nitranga alina tao amin'ny zaridaina dia
nanome anareo fotoana hakana aina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.