Zambia: Lahatsary Vetaveta Niteraka Adihevitra Momba ny Kolontsaina, Ny Miralenta ary ny Fahamendrehana

Nivoaka tao amina vohikalam-betaveta iray, ka nalaza vetivety teo amin'ny mpiserasera Zambiana izay nifampizara ny rohy ny lahatsarim-betaveta nataona mpianatra vavy iray teo amin'ny sekoly iray anisan'ny lafo saram-pianarana indrindra ao Zambia, Zambia Centre for Accountancy College (ZCAS) na (Kolejy) Ivontoerana Zambiana Fianarana Toebola, tamin'ny sipany.

Manana kolontsaina mitana ny nentin-drazana sy firenena kristiana i Zambia ka ny rakitsary tahaka itony dia heverina ho tsy mendrika sy tsy ara-dalàna araka ny Lalàna momba ny Heloka Bevava andininy faha-87 ao amin'ny lalàna Zambiana, izay mametraka ho fandikan-dalàna ny manatontosa sy mizara zava-betaveta. Mety higadra dimy taona ny mpandika lalàna aorian'ny didy fanamelohana.

Niteraka adihevitra maro tamin'ny bolongana, Facebook, Twitter ity raharaha ity. Nampiditra ny resaka miralenta anaty adihevitra ny mpamaham-bolongana Zambiana Lwanga Mwilu. Ilay vehivavy ao amin'ny lahatsary, izay heverina ho manana fifandraisana amina mpanao politika ambony Zambiana, no nahazo ny fanamelohana be indrindra.

Ny Ivontoerana Zambiana Fianarana Toebola any Lusaka. Loharano : Pejy Facebook Nahum Pembu Muwowo.

Lwanga Mwilu nanoratra hoe:

Raha vao ny resaka  “fahamendrehana” no lohahevitra, Misy ny zavatra azo ambara amin'ny lehilahy tsimatimanota eo anatrehan'ny fitsaran'ny fomba fihevitry ny olona…sy ny tsy fisian'izany tsimatimanota izany raha ny vehivavy no resahina. Ka rehefa zavatra nifanarahana teo amin'ny roa tonta no heverina ho fanafintohinana, dia azo antoka fa ho tsaroana hatrany ny anaran'ilay vehivavy na dia efa nanadino ny raharaha niraisana aza ilay niaraka taminy.

Heveriko fa mila apetraka kely ny toe-draharaha. Andro maromaro izany dia niraondraona noho ny resaka “raozy mavokely” (sarimihetsika X) ny tontolon'ny aterineto Zambiana, ahitana mpisipa mpianatra avy ao amin'ny Ivontoerana Zambiana Fianarana Toebola (ZCAS) izay tafavoaka ary nivezivezy an-tserasera. Isan-karazany ny resaka isan-karazany mahatratra an-jatony na anarivony aza raha isaina avokoa ny sehatra an-tserasera rehetra fa ny iraisany dia ny fanivanana ilay zatovovavy. Nahazo ny anarana samihafa mihitsy ratovovavy, ka mety hahatafintohina ny mpivarotena matihanina mihitsy aza. Novakiako ny hevitry ny mpamaky tamin'ny vohikala vitsivitsy fa tena zendana tamin'ny fifanalaviran'ny andraikitra nomena aho; ratovovavy no iandronan'ny rihitra rehetra, nefa tsy nisy niteny mihitsy na iray aza ny tamin'ilay niaraka taminy. Tahaka ireny hoe ratovovavy irery no tao anatin'ilay lahatsary.

Nahamarika ny tsy fahazakan'ny vehivavy mahita vehivavy hafa tratra nijangajanga raha oharina amin'ny niaraka taminy ihany koa i Mwilu :

Matetika ny vehivavy no tena tsy laitra raha hanakiana ny vehivavy hafa lazaina ho lavo. Hevero ny olona iray manana sipa maromaro sy izay mitranga rehefa tratran'ny vadiny (mampiaraka amin'olon-kafa) ireny lehilahy efa manambady ireny. Tratran'ny vadiny mifandamoro amin'ny vehivavy hafa ralehilahy, tonga dia eny amin'ny vehivavy niaraka tamin'ny vadiny no alehan-dramatoa, manafay azy, miteny azy amin'ny anaran-tsamihafa dia ilaozany amin'izay amin'ny fampitandremana hahazo ny mafimafy kokoa raha mbola mahasahy miaraka amin'ny vadiny ihany. Avy eo izy mody any an-trano, mahandro hanina ho an'ny vadiny, manadio ny trano, mikakakaka amin'ny vazivazy maina ataom-badiny dia manohy ny zavatra maro karakarainy mamela ny fiesonany.

Ao amin'ny Twitter, mpisiokantsera iray, @tatendaprobert, manontany tena hoe lasa aiza ny fikambanam-behivavy raha mbola voakiana tamin'izay nataony tao amin'ny lahatsary ihany ilay tovovavy:

@lwangamwilu Tena tsy rariny kosa ny an'ny fiaraha-monina tamin'ny nataony tamin'ilay tovovavy fa lasa aiza ny fikambanam-behivavy: WfC(Women for Change, Vehivavy mitaky ny fiovana, ONG mpiaro ny vehivavy)?

Mpisiokantsera hafa indray, @missbwalya, manameloka ny fihatsarambelatsihin'ny vehivavy mamely ny sipan'ny vadiny tratra namitaka azy:

@lwangamwilu malaza hatrany ny tantaran'ny ZCAS hatramin'izao ary mitovy daholo ny valinteny azo – voamarika ny vy mahamay ilay vehivavy.

@lwangamwilu manoratra:

Ny 1% mba milaza ilay zatovolahy dia milaza ny tsara vitany tao amin'ilay lahatsary. Milaza zavatra betsaka izany. #ZCAS sex tape

Ao amin'ny Facebook, nanokatra hetsika fanangonan-tsonia antenainy hanavotra ilay tovovavy mba tsy hotsaraina Richard Banda Lcgi Meiz:

‎”SAVE THE ZCAS LADY CAMPAIGN” – (Avoty ilay vehivavin'ny Zcas) Andao hanangon-tsonia ijerena hoe firy no mitady ny rariny ho an'ilay tovovavy mahantra. Raha miteny ianao hoe “ENY” amin'izy ity dia teny iray ihany soratana “ENY” dia alefaso. Avoty ilay tovovavy dia hangataka amin'ny mpitondra isika hanavotra ilay tovovavy.

Ao amin'ny vohikalam-baovao an-tserasera iray antsoina hoe Tumfweko, izay nitatitra ilay tantara misy valin-tantara napetrak'olona iray milaza ny tenany ho Zambia mivaky toy izao:

Ba zedi, ubu fontini mwa chilamo [Renoka loatra ianareo ry Zambiana]. Raha tsy mbola nandrakitra an-tsary anao tamin'ny sipanao mihitsy ianao dia mieritreritra aho fa mbola niaina tany amin'ny taompolo 1920, mbola sarotra ny nahitana fakantsary tamin'izany fotoana izany, ianao. Tsy natao ho hitan'ny besinimaro iny lahatsary iny, araka ny ahitanao azy tsara ao, noraiketina tamin'ny webcam iny, raha fantatrao hoe inona izany. Karazan'ankizy manao ahoana moa ireo? Misalasala aho raha misy zaza 7 taona ao amin'ny ZCAS. Mandray azy amin'ny lafy ratsy sy tsarany ny fiaraha-monina, tsy misy zava-baovao. Raha tsy nanao firaisam-batana ny ray aman-drenintsika tsy teto isika. Raha ny tena marina, tamin'ny fotoana tsy nisian'ny SIDA, mbola jejojejo kokoa ny olona. Aza dia atao mahabe eritreritra izany. Aza itarina ny toe-draharaha. Tsy “mpiantsehatra” ry zareo ary tsy nisy ny vola niova tanana. Ny hany tokana mety ho nahazo tombony tamin'ity dia izay nangalatra ilay lahatsary ka nampakatra azy an-tserasera, izay mbola isalasalako ihany koa. Mifohaza!! …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.